T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 10

1 [Salamo abidy. Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?

2 Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo*; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]

3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.

4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.

5 Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?

6 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.

7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.

8 Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.

9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.

10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.

11 Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.

12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.

13 Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?

14 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.

15 Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.

16 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.

17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,

18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.


 

Psalm 10
1 Why do you stand far off, Yahweh? Why do you hide yourself in times of trouble?

 2 In arrogance, the wicked hunt down the weak. They are caught in the schemes that they devise.
3 For the wicked boasts of his heart’s cravings.
He blesses the greedy, and condemns Yahweh.
4 The wicked, in the pride of his face, has no room in his thoughts for God.
5 His ways are prosperous at all times. He is haughty, and your laws are far from his sight. As for all his adversaries, he sneers at them.
6 He says in his heart, “I shall not be shaken. For generations I shall have no trouble.”
7 His mouth is full of cursing, deceit, and oppression. Under his tongue is mischief and iniquity.
8 He lies in wait near the villages. From ambushes, he murders the innocent. His eyes are secretly set against the helpless.
9 He lurks in secret as a lion in his ambush. He lies in wait to catch the helpless. He catches the helpless, when he draws him in his net.

10 The helpless are crushed.
They collapse. They fall under his strength.

11 He says in his heart, “God has forgotten. He hides his face. He will never see it.”
12 Arise, Yahweh! God, lift up your hand! Don’t forget the helpless.
13 Why does the wicked person condemn God, and say in his heart, “God won’t call me into account?”
14 But you do see trouble and grief. You consider it to take it into your hand. You help the victim and the fatherless.
15 Break the arm of the wicked. As for the evil man, seek out his wickedness until you find none.

16 Yahweh is King forever and ever! The nations will perish out of his land.
17 Yahweh, you have heard the desire of the humble. You will prepare their heart. You will cause your ear to hear,
18 to judge the fatherless and the oppressed, that man who is of the earth may terrify no more.


 

Chapitre 10
1 Pourquoi, ô Éternel! te tiens-tu éloigné? Pourquoi te caches-tu au temps de la détresse?

 2 Le méchant dans son orgueil poursuit les malheureux, Ils sont victimes des trames qu'il a conçues.

3 Car le méchant se glorifie de sa convoitise, Et le ravisseur outrage, méprise l'Éternel.

4 Le méchant dit avec arrogance: Il ne punit pas! Il n'y a point de Dieu! -Voilà toutes ses pensées.

5 Ses voies réussissent en tout temps; Tes jugements sont trop élevés pour l'atteindre, Il souffle contre tous ses adversaires.

6 Il dit en son coeur: Je ne chancelle pas, Je suis pour toujours à l'abri du malheur!

7 Sa bouche est pleine de malédictions, de tromperies et de fraudes; Il y a sous sa langue de la malice et de l'iniquité.

8 Il se tient en embuscade près des villages, Il assassine l'innocent dans des lieux écartés; Ses yeux épient le malheureux.

9 Il est aux aguets dans sa retraite, comme le lion dans sa tanière, Il est aux aguets pour surprendre le malheureux; Il le surprend et l'attire dans son filet.

10 Il se courbe, il se baisse, Et les misérables tombent dans ses griffes.

11 Il dit en son coeur: Dieu oublie! Il cache sa face, il ne regarde jamais!

12 Lève-toi, Éternel! ô Dieu, lève ta main! N'oublie pas les malheureux!

13 Pourquoi le méchant méprise-t-il Dieu? Pourquoi dit-il en son coeur: Tu ne punis pas?

14 Tu regardes cependant, car tu vois la peine et la souffrance, Pour prendre en main leur cause; C'est à toi que s'abandonne le malheureux, C'est toi qui viens en aide à l'orphelin.

15 Brise le bras du méchant, Punis ses iniquités, et qu'il disparaisse à tes yeux!

16 L'Éternel est roi à toujours et à perpétuité; Les nations sont exterminées de son pays.

17 Tu entends les voeux de ceux qui souffrent, ô Éternel! Tu affermis leur coeur; tu prêtes l'oreille

18 Pour rendre justice à l'orphelin et à l'opprimé, Afin que l'homme tiré de la terre cesse d'inspirer l'effroi.