T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 9

1 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.

2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,

3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.

4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.

5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.

6 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]

7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,

8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy.

9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.

10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.

11 Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.

12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.

13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,

14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.

15 Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,

16 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy.

17 Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]

18 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.

19 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.

20 Asio fampahatahorana* izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]


 

Psalm 9
For the Chief Musician. Set to “The Death of the Son.” A Psalm by David.
1 I will give thanks to Yahweh with my whole heart. I will tell of all your marvelous works.
2 I will be glad and rejoice in you. I will sing praise to your name, O Most High.
3 When my enemies turn back,
they stumble and perish in your presence.
4 For you have maintained my just cause. You sit on the throne judging righteously.
5 You have rebuked the nations. You have destroyed the wicked. You have blotted out their name forever and ever.

6 The enemy is overtaken by endless ruin. The very memory of the cities which you have overthrown has perished.

7 But Yahweh reigns forever.
He has prepared his throne for judgment.
8 He will judge the world in righteousness. He will administer judgment to the peoples in uprightness.
9 Yahweh will also be a high tower for the oppressed;
a high tower in times of trouble.

10 Those who know your name will put their trust in you, for you, Yahweh, have not forsaken those who seek you.
11 Sing praises to Yahweh, who dwells in Zion,
and declare among the people what he has done.
12 For he who avenges blood remembers them. He doesn’t forget the cry of the afflicted.
13 Have mercy on me, Yahweh. See my affliction by those who hate me, and lift me up from the gates of death;

14 that I may show forth all your praise. In the gates of the daughter of Zion, I will rejoice in your salvation.
15 The nations have sunk down in the pit that they made. In the net which they hid, their own foot is taken.
16 Yahweh has made himself known. He has executed judgment. The wicked is snared by the work of his own hands.
Meditation. Selah.
17 The wicked shall be turned back to Sheol, even all the nations that forget God.

18 For the needy shall not always be forgotten, nor the hope of the poor perish forever.

19 Arise, Yahweh! Don’t let man prevail. Let the nations be judged in your sight.

20 Put them in fear, Yahweh.
Let the nations know that they are only men.
Selah.


 

Chapitre 9
1 (9:1) Au chef des chantres. Sur . Psaume de David. (9:2) Je louerai l'Éternel de tout mon coeur, Je raconterai toutes tes merveilles.

2 (9:3) Je ferai de toi le sujet de ma joie et de mon allégresse, Je chanterai ton nom, Dieu Très-Haut!

3 (9:4) Mes ennemis reculent, Ils chancellent, ils périssent devant ta face.

4 (9:5) Car tu soutiens mon droit et ma cause, Tu sièges sur ton trône en juste juge.

5 (9:6) Tu châties les nations, tu détruis le méchant, Tu effaces leur nom pour toujours et à perpétuité.

6 (9:7) Plus d'ennemis! Des ruines éternelles! Des villes que tu as renversées! Leur souvenir est anéanti.

7 (9:8) L'Éternel règne à jamais, Il a dressé son trône pour le jugement;

8 (9:9) Il juge le monde avec justice, Il juge les peuples avec droiture.

9 (9:10) L'Éternel est un refuge pour l'opprimé, Un refuge au temps de la détresse.

10 (9:11) Ceux qui connaissent ton nom se confient en toi. Car tu n'abandonnes pas ceux qui te cherchent, ô Éternel!

11 (9:12) Chantez à l'Éternel, qui réside en Sion, Publiez parmi les peuples ses hauts faits!

12 (9:13) Car il venge le sang et se souvient des malheureux, Il n'oublie pas leurs cris.

13 (9:14) Aie pitié de moi, Éternel! Vois la misère où me réduisent mes ennemis, Enlève-moi des portes de la mort,

14 (9:15) Afin que je publie toutes tes louanges, Dans les portes de la fille de Sion, Et que je me réjouisse de ton salut.

15 (9:16) Les nations tombent dans la fosse qu'elles ont faite, Leur pied se prend au filet qu'elles ont caché.

16 (9:17) L'Éternel se montre, il fait justice, Il enlace le méchant dans l'oeuvre de ses mains. -Jeu d'instruments. Pause.

17 (9:18) Les méchants se tournent vers le séjour des morts, Toutes les nations qui oublient Dieu.

18 (9:19) Car le malheureux n'est point oublié à jamais, L'espérance des misérables ne périt pas à toujours.

19 (9:20) Lève-toi, ô Éternel! Que l'homme ne triomphe pas! Que les nations soient jugées devant ta face!

20 (9:21) Frappe-les d'épouvante, ô Éternel! Que les peuples sachent qu'ils sont des hommes! -Pause.