T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Salamo 7

1 [Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;

2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.

3 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;

4 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]

5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.

6 Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;

7 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,

8 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.

9 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.

10 Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.

11 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.

12 Raha tsy ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy.

13 Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.

14 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*; [Heb: lainga]

15 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;

16 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.

17 Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.


 

Psalm 7

A meditation by David, which he sang to Yahweh, concerning the words of Cush, the Benjamite.
1 Yahweh, my God, I take refuge in you. Save me from all those who pursue me, and deliver me,

2 lest they tear apart my soul like a lion, ripping it in pieces, while there is none to deliver.

3 Yahweh, my God, if I have done this, if there is iniquity in my hands,
4 if I have rewarded evil to him who was at peace with me
(yes, if I have delivered him who without cause was my adversary),

5 let the enemy pursue my soul, and overtake it; yes, let him tread my life down to the earth, and lay my glory in the dust. Selah.

6 Arise, Yahweh, in your anger.
Lift up yourself against the rage of my adversaries. Awake for me. You have commanded judgment.

7 Let the congregation of the peoples surround you.
Rule over them on high.

8 Yahweh administers judgment to the peoples.
Judge me, Yahweh, according to my righteousness,
and to my integrity that is in me.
9 Oh let the wickedness of the wicked come to an end, but establish the righteous; their minds and hearts are searched by the righteous God.
10 My shield is with God,
who saves the upright in heart.

11 God is a righteous judge,
yes, a God who has indignation every day.
12 If a man doesn’t relent, he will sharpen his sword; he has bent and strung his bow.
13 He has also prepared for himself the instruments of death. He makes ready his flaming arrows.
14 Behold, he travails with iniquity. Yes, he has conceived mischief, and brought forth falsehood.

15 He has dug a hole, and has fallen into the pit which he made.

16 The trouble he causes shall return to his own head.
His violence shall come down on the crown of his own head.

17 I will give thanks to Yahweh according to his righteousness,
and will sing praise to the name of Yahweh Most High.


 

Chapitre 7

2 (7:3) Afin qu'ils ne me déchirent pas, comme un lion Qui dévore sans que personne vienne au secours.

3 (7:4) Éternel, mon Dieu! si j'ai fait cela, S'il y a de l'iniquité dans mes mains,

4 (7:5) Si j'ai rendu le mal à celui qui était paisible envers moi, Si j'ai dépouillé celui qui m'opprimait sans cause,

5 (7:6) Que l'ennemi me poursuive et m'atteigne, Qu'il foule à terre ma vie, Et qu'il couche ma gloire dans la poussière! -Pause.

6 (7:7) Lève-toi, ô Éternel! dans ta colère, Lève-toi contre la fureur de mes adversaires, Réveille-toi pour me secourir, ordonne un jugement!

7 (7:8) Que l'assemblée des peuples t'environne! Monte au-dessus d'elle vers les lieux élevés!

8 (7:9) L'Éternel juge les peuples: Rends-moi justice, ô Éternel! Selon mon droit et selon mon innocence!

9 (7:10) Mets un terme à la malice des méchants, Et affermis le juste, Toi qui sondes les coeurs et les reins, Dieu juste!

10 (7:11) Mon bouclier est en Dieu, Qui sauve ceux dont le coeur est droit.

11 (7:12) Dieu est un juste juge, Dieu s'irrite en tout temps.

12 (7:13) Si le méchant ne se convertit pas, il aiguise son glaive, Il bande son arc, et il vise;

13 (7:14) Il dirige sur lui des traits meurtriers, Il rend ses flèches brûlantes.

14 (7:15) Voici, le méchant prépare le mal, Il conçoit l'iniquité, et il enfante le néant.

15 (7:16) Il ouvre une fosse, il la creuse, Et il tombe dans la fosse qu'il a faite.

16 (7:17) Son iniquité retombe sur sa tête, Et sa violence redescend sur son front.

17 (7:18) Je louerai l'Éternel à cause de sa justice, Je chanterai le nom de l'Éternel, du Très-Haut.