T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  3

1 [Ny nangatahan'i Rota an'i Boaza hitondra loloha azy araka ny hevitra natoron'i Naomy] Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?

2 Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.

3 Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

4 Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.

5 Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.

6 Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy azy.

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

8 Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.

9 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.

10 Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.

11 Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.

12 Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.

13 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain'ny andro.

 

14 Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr'olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.

15 Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.

16 Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.

17 Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin'ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin'ny rafozanao-vavy.

18 Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.

 

Chapitre  3  

3:1 Naomi her mother-in-law said to her, “My daughter, shall I not seek rest for you, that it may be well with you? 3:2 Now isn’t Boaz our kinsman, with whose maidens you were? Behold, he winnows barley tonight in the threshing floor. 3:3 Therefore wash yourself, anoint yourself, get dressed, and go down to the threshing floor, but don’t make yourself known to the man until he has finished eating and drinking. 3:4 It shall be, when he lies down, that you shall mark the place where he shall lie, and you shall go in, and uncover his feet, and lay down; then he will tell you what you shall do.”

3:5 She said to her, “All that you say I will do.” 3:6 She went down to the threshing floor, and did according to all that her mother-in-law told her. 3:7 When Boaz had eaten and drunk, and his heart was merry, he went to lie down at the end of the heap of grain. She came softly, uncovered his feet, and laid her down. 3:8 It happened at midnight, that the man was startled and turned himself; and behold, a woman lay at his feet. 3:9 He said, “Who are you?”

She answered, “I am Ruth your handmaid. Therefore spread your skirt over your handmaid; for you are a near kinsman.”

3:10 He said, “Blessed are you by Yahweh, my daughter. You have shown more kindness in the latter end than at the beginning, inasmuch as you didn’t follow young men, whether poor or rich. 3:11 Now, my daughter, don’t be afraid; I will do to you all that you say; for all the city of my people does know that you are a worthy woman. 3:12 Now it is true that I am a near kinsman; however there is a kinsman nearer than I. 3:13 Stay this night, and it shall be in the morning, that if he will perform for you the part of a kinsman, well; let him do the kinsman’s part. But if he will not do the part of a kinsman for you, then will I do the part of a kinsman for you, as Yahweh lives. Lie down until the morning.”

3:14 She lay at his feet until the morning. She rose up before one could discern another. For he said, “Let it not be known that the woman came to the threshing floor.” 3:15 He said, “Bring the mantle that is on you, and hold it.” She held it; and he measured six measures of barley, and laid it on her; and he went into the city.

3:16 When she came to her mother-in-law, she said, “How did it go, my daughter?”

She told her all that the man had done to her. 3:17 She said, “He gave me these six measures of barley; for he said, ‘Don’t go empty to your mother-in-law.’”

3:18 Then she said, “Sit still, my daughter, until you know how the matter will fall; for the man will not rest, until he has finished the thing this day.”

 

Chapitre  3

1 Naomi, sa belle-mère, lui dit: Ma fille, je voudrais assurer ton repos, afin que tu fusses heureuse. 2 Et maintenant Boaz, avec les servantes duquel tu as été, n'est-il pas notre parent? Voici, il doit vanner cette nuit les orges qui sont dans l'aire. 3 Lave-toi et oins-toi, puis remets tes habits, et descends à l'aire. Tu ne te feras pas connaître à lui, jusqu'à ce qu'il ait achevé de manger et de boire. 4 Et quand il ira se coucher, observe le lieu où il se couche. Ensuite va, découvre ses pieds, et couche-toi. Il te dira lui-même ce que tu as à faire. 5 Elle lui répondit: Je ferai tout ce que tu as dit. 6 Elle descendit à l'aire, et fit tout ce qu'avait ordonné sa belle-mère. 7 Boaz mangea et but, et son coeur était joyeux. Il alla se coucher à l'extrémité d'un tas de gerbes. Ruth vint alors tout doucement, découvrit ses pieds, et se coucha. 8 Au milieu de la nuit, cet homme eut une frayeur; il se pencha, et voici, une femme était couchée à ses pieds. 9 Il dit: Qui es-tu? Elle répondit: Je suis Ruth, ta servante; étends ton aile sur ta servante, car tu as droit de rachat. 10 Et il dit: Sois bénie de l'Éternel, ma fille! Ce dernier trait témoigne encore plus en ta faveur que le premier, car tu n'as pas recherché des jeunes gens, pauvres ou riches. 11 Maintenant, ma fille, ne crains point; je ferai pour toi tout ce que tu diras; car toute la porte de mon peuple sait que tu es une femme vertueuse. 12 Il est bien vrai que j'ai droit de rachat, mais il en existe un autre plus proche que moi. 13 Passe ici la nuit. Et demain, s'il veut user envers toi du droit de rachat, à la bonne heure, qu'il le fasse; mais s'il ne lui plaît pas d'en user envers toi, j'en userai, moi, l'Éternel est vivant! Reste couchée jusqu'au matin. 14 Elle resta couchée à ses pieds jusqu'au matin, et elle se leva avant qu'on pût se reconnaître l'un l'autre. Boaz dit: Qu'on ne sache pas qu'une femme est entrée dans l'aire. 15 Et il ajouta: Donne le manteau qui est sur toi, et tiens-le. Elle le tint, et il mesura six mesures d'orge, qu'il chargea sur elle. Puis il rentra dans la ville. 16 Ruth revint auprès de sa belle-mère, et Naomi dit: Est-ce toi, ma fille? Ruth lui raconta tout ce que cet homme avait fait pour elle. 17 Elle dit: Il m'a donné ces six mesures d'orge, en disant: Tu ne retourneras pas à vide vers ta belle-mère. 18 Et Naomi dit: Sois tranquille, ma fille, jusqu'à ce que tu saches comment finira la chose, car cet homme ne se donnera point de repos qu'il n'ait terminé cette affaire aujourd'hui.