T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  2

1 [Ny nitsimponan'i Rota salohim-bary teny an-tanimbarin'i Boaza, sy ny soa nataon'i Boaza taminy] Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.

2 Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin'i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.

3 Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian'ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin'ny tanimbarin'i Boaza, izay avy amin'ny fokon'i Elimeleka, izy.

 

4 Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.

5 Dia hoy Boaza tamin'ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak'iza moa io zazavavy io?

6 Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an'i Naomy avy tany amin'ny tany Moaba io;

7 fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian'ny mpijinja eny anelanelan'ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin'ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.

8 Dia hoy Boaza tamin'i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan'ny zatovovavy.

9 Aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.

10 Dia niondrika sy niankohoka tamin'ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?

11 Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.

12 Hamaly ny nataonao anie Jehovah. ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao.

13 Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin'ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny zatovovavinao aza aho.

14 Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.

15 Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian'i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan'ny amboara aza, ka aza maninona azy.

16 Ary asio latsadatsaka avy amin'ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.

17 Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.

18 Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan'ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.

19 Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary nitsimponako androany

20 Dia hoy Naomy tamin'ny vinantonivavy: Hotahin'i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin'ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan'izay mahavotra antsika izy.

21 Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan'ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.

22 Ary hoy Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin'ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.

23 Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.

 

Chapitre  2

2:1 Naomi had a kinsman of her husband’s, a mighty man of wealth, of the family of Elimelech, and his name was Boaz. 2:2 Ruth the Moabitess said to Naomi, “Let me now go to the field, and glean among the ears of grain after him in whose sight I shall find favor.”

She said to her, “Go, my daughter.” 2:3 She went, and came and gleaned in the field after the reapers: and she happened to come to the portion of the field belonging to Boaz, who was of the family of Elimelech.

2:4 Behold, Boaz came from Bethlehem, and said to the reapers, “Yahweh be with you.”

They answered him, “Yahweh bless you.”

2:5 Then Boaz said to his servant who was set over the reapers, “Whose young lady is this?”

2:6 The servant who was set over the reapers answered, “It is the Moabite lady who came back with Naomi out of the country of Moab. 2:7 She said, ‘Please let me glean and gather after the reapers among the sheaves.’ So she came, and has continued even from the morning until now, except that she stayed a little in the house.”

2:8 Then Boaz said to Ruth, “Listen, my daughter. Don’t go to glean in another field, and don’t go from here, but stay here close to my maidens. 2:9 Let your eyes be on the field that they reap, and go after them. Haven’t I commanded the young men not to touch you? When you are thirsty, go to the vessels, and drink from that which the young men have drawn.”

2:10 Then she fell on her face, and bowed herself to the ground, and said to him, “Why have I found favor in your sight, that you should take knowledge of me, since I am a foreigner?”

2:11 Boaz answered her, “It has fully been shown me, all that you have done to your mother-in-law since the death of your husband; and how you have left your father and your mother, and the land of your birth, and have come to a people that you didn’t know before. 2:12 May Yahweh repay your work, and a full reward be given you from Yahweh, the God of Israel, under whose wings you have come to take refuge.”

2:13 Then she said, “Let me find favor in your sight, my lord, because you have comforted me, and because you have spoken kindly to your handmaid, though I am not as one of your handmaidens.”

2:14 At meal time Boaz said to her, “Come here, and eat of the bread, and dip your morsel in the vinegar.”

She sat beside the reapers, and they reached her parched grain, and she ate, and was satisfied, and left some of it. 2:15 When she had risen up to glean, Boaz commanded his young men, saying, “Let her glean even among the sheaves, and don’t reproach her. 2:16 Also pull out some for her from the bundles, and leave it, and let her glean, and don’t rebuke her.”

2:17 So she gleaned in the field until evening; and she beat out that which she had gleaned, and it was about an ephah of barley. 2:18 She took it up, and went into the city; and her mother-in-law saw what she had gleaned: and she brought out and gave to her that which she had left after she was sufficed.

2:19 Her mother-in-law said to her, “Where have you gleaned today? Where have you worked? Blessed be he who noticed you.”

She showed her mother-in-law with whom she had worked, and said, “The man’s name with whom I worked today is Boaz.” 2:20 Naomi said to her daughter-in-law, “Blessed be he of Yahweh, who has not left off his kindness to the living and to the dead.” Naomi said to her, “The man is a close relative to us, one of our near kinsmen.”

2:21 Ruth the Moabitess said, “Yes, he said to me, ‘You shall stay close to my young men, until they have ended all my harvest.’”

2:22 Naomi said to Ruth her daughter-in-law, “It is good, my daughter, that you go out with his maidens, and that they not meet you in any other field.” 2:23 So she stayed close to the maidens of Boaz, to glean to the end of barley harvest and of wheat harvest; and she lived with her mother-in-law.

 

Chapitre  2
1 Naomi avait un parent de son mari. C'était un homme puissant et riche, de la famille d'Élimélec, et qui se nommait Boaz. 2 Ruth la Moabite dit à Naomi: Laisse-moi, je te prie, aller glaner des épis dans le champ de celui aux yeux duquel je trouverai grâce. Elle lui répondit: Va, ma fille. 3 Elle alla glaner dans un champ, derrière les moissonneurs. Et il se trouva par hasard que la pièce de terre appartenait à Boaz, qui était de la famille d'Élimélec. 4 Et voici, Boaz vint de Bethléhem, et il dit aux moissonneurs: Que l'Éternel soit avec vous! Ils lui répondirent: Que l'Éternel te bénisse! 5 Et Boaz dit à son serviteur chargé de surveiller les moissonneurs: A qui est cette jeune femme? 6 Le serviteur chargé de surveiller les moissonneurs répondit: C'est une jeune femme Moabite, qui est revenue avec Naomi du pays de Moab. 7 Elle a dit: Permettez-moi de glaner et de ramasser des épis entre les gerbes, derrière les moissonneurs. Et depuis ce matin qu'elle est venue, elle a été debout jusqu'à présent, et ne s'est reposée qu'un moment dans la maison. 8 Boaz dit à Ruth: Écoute, ma fille, ne va pas glaner dans un autre champ; ne t'éloigne pas d'ici, et reste avec mes servantes. 9 Regarde où l'on moissonne dans le champ, et va après elles. J'ai défendu à mes serviteurs de te toucher. Et quand tu auras soif, tu iras aux vases, et tu boiras de ce que les serviteurs auront puisé. 10 Alors elle tomba sur sa face et se prosterna contre terre, et elle lui dit: Comment ai-je trouvé grâce à tes yeux, pour que tu t'intéresses à moi, à moi qui suis une étrangère? 11 Boaz lui répondit: On m'a rapporté tout ce que tu as fait pour ta belle-mère depuis la mort de ton mari, et comment tu as quitté ton père et ta mère et le pays de ta naissance, pour aller vers un peuple que tu ne connaissais point auparavant. 12 Que l'Éternel te rende ce que tu as fait, et que ta récompense soit entière de la part de l'Éternel, le Dieu d'Israël, sous les ailes duquel tu es venue te réfugier! 13 Et elle dit: Oh! que je trouve grâce à tes yeux, mon seigneur! Car tu m'as consolée, et tu as parlé au coeur de ta servante. Et pourtant je ne suis pas, moi, comme l'une de tes servantes. 14 Au moment du repas, Boaz dit à Ruth: Approche, mange du pain, et trempe ton morceau dans le vinaigre. Elle s'assit à côté des moissonneurs. On lui donna du grain rôti; elle mangea et se rassasia, et elle garda le reste. 15 Puis elle se leva pour glaner. Boaz donna cet ordre à ses serviteurs: Qu'elle glane aussi entre les gerbes, et ne l'inquiétez pas, 16 et même vous ôterez pour elle des gerbes quelques épis, que vous la laisserez glaner, sans lui faire de reproches. 17 Elle glana dans le champ jusqu'au soir, et elle battit ce qu'elle avait glané. Il y eut environ un épha d'orge. 18 Elle l'emporta et rentra dans la ville, et sa belle-mère vit ce qu'elle avait glané. Elle sortit aussi les restes de son repas, et les lui donna. 19 Sa belle-mère lui dit: Où as-tu glané aujourd'hui, et où as-tu travaillé? Béni soit celui qui s'est intéressé à toi! Et Ruth fit connaître à sa belle-mère chez qui elle avait travaillé: L'homme chez qui j'ai travaillé aujourd'hui, dit-elle, s'appelle Boaz. 20 Naomi dit à sa belle-fille: Qu'il soit béni de l'Éternel, qui se montre miséricordieux pour les vivants comme il le fut pour ceux qui sont morts! Cet homme est notre parent, lui dit encore Naomi, il est de ceux qui ont sur nous droit de rachat. 21 Ruth la Moabite ajouta: Il m'a dit aussi: Reste avec mes serviteurs, jusqu'à ce qu'ils aient achevé toute ma moisson. 22 Et Naomi dit à Ruth, sa belle-fille: Il est bon, ma fille, que tu sortes avec ses servantes, et qu'on ne te rencontre pas dans un autre champ. 23 Elle resta donc avec les servantes de Boaz, pour glaner, jusqu'à la fin de la moisson des orges et de la moisson du froment. Et elle demeurait avec sa belle-mère.