T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  5

1 [Ny soa ananan'ny mino an'i Kristy, sy ny fihoaran'izany noho izay soa verin'i Adama] Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana* fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Na: (dia manana)]

2 Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra.

3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;

4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;

5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an'Andriamanitra]

6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy.

7 Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa.

8 Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

9 Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika.

10 Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.

11 Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

 

12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;

13 fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;

14 fa ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy.

15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.

16 Ary tsy tahaka ny avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.

17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.

18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.

19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.

20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra,

21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

 

Chapitre  5

5:1 Being therefore justified by faith, we have peace with God through our Lord Jesus Christ; 5:2 through whom we also have our access by faith into this grace in which we stand. We rejoice in hope of the glory of God. 5:3 Not only this, but we also rejoice in our sufferings, knowing that suffering works perseverance; 5:4 and perseverance, proven character; and proven character, hope: 5:5 and hope doesn’t disappoint us, because God’s love has been poured out into our hearts through the Holy Spirit who was given to us. 5:6 For while we were yet weak, at the right time Christ died for the ungodly. 5:7 For one will hardly die for a righteous man. Yet perhaps for a righteous person someone would even dare to die. 5:8 But God commends his own love toward us, in that while we were yet sinners, Christ died for us.

5:9 Much more then, being now justified by his blood, we will be saved from God’s wrath through him. 5:10 For if, while we were enemies, we were reconciled to God through the death of his Son, much more, being reconciled, we will be saved by his life.

5:11 Not only so, but we also rejoice in God through our Lord Jesus Christ, through whom we have now received the reconciliation. 5:12 Therefore as sin entered into the world through one man, and death through sin; and so death passed to all men, because all sinned. 5:13 For until the law, sin was in the world; but sin is not charged when there is no law. 5:14 Nevertheless death reigned from Adam until Moses, even over those whose sins weren’t like Adam’s disobedience, who is a foreshadowing of him who was to come. 5:15 But the free gift isn’t like the trespass. For if by the trespass of the one the many died, much more did the grace of God, and the gift by the grace of the one man, Jesus Christ, abound to the many. 5:16 The gift is not as through one who sinned: for the judgment came by one to condemnation, but the free gift came of many trespasses to justification. 5:17 For if by the trespass of the one, death reigned through the one; so much more will those who receive the abundance of grace and of the gift of righteousness reign in life through the one, Jesus Christ. 5:18 So then as through one trespass, all men were condemned; even so through one act of righteousness, all men were justified to life. 5:19 For as through the one man’s disobedience many were made sinners, even so through the obedience of the one, many will be made righteous. 5:20 The law came in besides, that the trespass might abound; but where sin abounded, grace abounded more exceedingly; 5:21 that as sin reigned in death, even so grace might reign through righteousness to eternal life through Jesus Christ our Lord.

 

Chapitre  5
1 Étant donc justifiés par la foi, nous avons la paix avec Dieu par notre Seigneur Jésus-Christ, 2 à qui nous devons d'avoir eu par la foi accès à cette grâce, dans laquelle nous demeurons fermes, et nous nous glorifions dans l'espérance de la gloire de Dieu. 3 Bien plus, nous nous glorifions même des afflictions, sachant que l'affliction produit la persévérance, 4 la persévérance la victoire dans l'épreuve, et cette victoire l'espérance. 5 Or, l'espérance ne trompe point, parce que l'amour de Dieu est répandu dans nos coeurs par le Saint-Esprit qui nous a été donné. 6 Car, lorsque nous étions encore sans force, Christ, au temps marqué, est mort pour des impies. 7 A peine mourrait-on pour un juste; quelqu'un peut-être mourrait-il pour un homme de bien. 8 Mais Dieu prouve son amour envers nous, en ce que, lorsque nous étions encore des pécheurs, Christ est mort pour nous. 9 A plus forte raison donc, maintenant que nous sommes justifiés par son sang, serons-nous sauvés par lui de la colère. 10 Car si, lorsque nous étions ennemis, nous avons été réconciliés avec Dieu par la mort de son Fils, à plus forte raison, étant réconciliés, serons-nous sauvés par sa vie. 11 Et non seulement cela, mais encore nous nous glorifions en Dieu par notre Seigneur Jésus-Christ, par qui maintenant nous avons obtenu la réconciliation. 12 C'est pourquoi, comme par un seul homme le péché est entré dans le monde, et par le péché la mort, et qu'ainsi la mort s'est étendue sur tous les hommes, parce que tous ont péché,... 13 car jusqu'à la loi le péché était dans le monde. Or, le péché n'est pas imputé, quand il n'y a point de loi. 14 Cependant la mort a régné depuis Adam jusqu'à Moïse, même sur ceux qui n'avaient pas péché par une transgression semblable à celle d'Adam, lequel est la figure de celui qui devait venir. 15 Mais il n'en est pas du don gratuit comme de l'offense; car, si par l'offense d'un seul il en est beaucoup qui sont morts, à plus forte raison la grâce de Dieu et le don de la grâce venant d'un seul homme, Jésus-Christ, ont-ils été abondamment répandus sur beaucoup. 16 Et il n'en est pas du don comme de ce qui est arrivé par un seul qui a péché; car c'est après une seule offense que le jugement est devenu condamnation, tandis que le don gratuit devient justification après plusieurs offenses. 17 Si par l'offense d'un seul la mort a régné par lui seul, à plus forte raison ceux qui reçoivent l'abondance de la grâce et du don de la justice régneront-ils dans la vie par Jésus-Christ lui seul. 18 Ainsi donc, comme par une seule offense la condamnation a atteint tous les hommes, de même par un seul acte de justice la justification qui donne la vie s'étend à tous les hommes. 19 Car, comme par la désobéissance d'un seul homme beaucoup ont été rendus pécheurs, de même par l'obéissance d'un seul beaucoup seront rendus justes. 20 Or, la loi est intervenue pour que l'offense abondât, mais là où le péché a abondé, la grâce a surabondé, 21 afin que, comme le péché a régné par la mort, ainsi la grâce régnât par la justice pour la vie éternelle, par Jésus-Christ notre Seigneur.