T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  4

1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?

2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra.

3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).

4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.

5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.

6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe:

7 Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.

8 Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).

9 Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.

10 Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.

11 Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,

12 ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.

13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.

14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;

15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.

16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -

17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.

18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).

19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,

20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra

21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.

22 Dia nisaina ho fahamarinany izany.

23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,

24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty,

25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.

 

Chapitre  4

4:1 What then will we say that Abraham, our forefather, has found according to the flesh? 4:2 For if Abraham was justified by works, he has something to boast about, but not toward God. 4:3 For what does the Scripture say? “Abraham believed God, and it was accounted to him for righteousness.”* 4:4 Now to him who works, the reward is not counted as grace, but as something owed. 4:5 But to him who doesn’t work, but believes in him who justifies the ungodly, his faith is accounted for righteousness. 4:6 Even as David also pronounces blessing on the man to whom God counts righteousness apart from works,

4:7 “Blessed are they whose iniquities are forgiven,
whose sins are covered.
4:8 Blessed is the man whom the Lord will by no means charge with sin.”*
4:9 Is this blessing then pronounced on the circumcised, or on the uncircumcised also? For we say that faith was accounted to Abraham for righteousness. 4:10 How then was it counted? When he was in circumcision, or in uncircumcision? Not in circumcision, but in uncircumcision. 4:11 He received the sign of circumcision, a seal of the righteousness of the faith which he had while he was in uncircumcision, that he might be the father of all those who believe, though they might be in uncircumcision, that righteousness might also be accounted to them. 4:12 He is the father of circumcision to those who not only are of the circumcision, but who also walk in the steps of that faith of our father Abraham, which he had in uncircumcision. 4:13 For the promise to Abraham and to his seed that he should be heir of the world wasn’t through the law, but through the righteousness of faith. 4:14 For if those who are of the law are heirs, faith is made void, and the promise is made of no effect. 4:15 For the law works wrath, for where there is no law, neither is there disobedience. 4:16 For this cause it is of faith, that it may be according to grace, to the end that the promise may be sure to all the seed, not to that only which is of the law, but to that also which is of the faith of Abraham, who is the father of us all. 4:17 As it is written, “I have made you a father of many nations.”* This is in the presence of him whom he believed: God, who gives life to the dead, and calls the things that are not, as though they were. 4:18 Who in hope believed against hope, to the end that he might become a father of many nations, according to that which had been spoken, “So will your seed be.”* 4:19 Without being weakened in faith, he didn’t consider his own body, already having been worn out, (he being about a hundred years old), and the deadness of Sarah’s womb. 4:20 Yet, looking to the promise of God, he didn’t waver through unbelief, but grew strong through faith, giving glory to God, 4:21 and being fully assured that what he had promised, he was also able to perform. 4:22 Therefore it also was “reckoned to him for righteousness.”* 4:23 Now it was not written that it was accounted to him for his sake alone, 4:24 but for our sake also, to whom it will be accounted, who believe in him who raised Jesus, our Lord, from the dead, 4:25 who was delivered up for our trespasses, and was raised for our justification.

 

Chapitre  4
1 Que dirons-nous donc qu'Abraham, notre père, a obtenu selon la chair? 2 Si Abraham a été justifié par les oeuvres, il a sujet de se glorifier, mais non devant Dieu. 3 Car que dit l'Écriture? Abraham crut à Dieu, et cela lui fut imputé à justice. 4 Or, à celui qui fait une oeuvre, le salaire est imputé, non comme une grâce, mais comme une chose due; 5 et à celui qui ne fait point d'oeuvre, mais qui croit en celui qui justifie l'impie, sa foi lui est imputée à justice. 6 De même David exprime le bonheur de l'homme à qui Dieu impute la justice sans les oeuvres: 7 Heureux ceux dont les iniquités sont pardonnées, Et dont les péchés sont couverts! 8 Heureux l'homme à qui le Seigneur n'impute pas son péché! 9 Ce bonheur n'est-il que pour les circoncis, ou est-il également pour les incirconcis? Car nous disons que la foi fut imputée à justice à Abraham. 10 Comment donc lui fut-elle imputée? Était-ce après, ou avant sa circoncision? Il n'était pas encore circoncis, il était incirconcis. 11 Et il reçut le signe de la circoncision, comme sceau de la justice qu'il avait obtenue par la foi quand il était incirconcis, afin d'être le père de tous les incirconcis qui croient, pour que la justice leur fût aussi imputée, 12 et le père des circoncis, qui ne sont pas seulement circoncis, mais encore qui marchent sur les traces de la foi de notre père Abraham quand il était incirconcis. 13 En effet, ce n'est pas par la loi que l'héritage du monde a été promis à Abraham ou à sa postérité, c'est par la justice de la foi. 14 Car, si les héritiers le sont par la loi, la foi est vaine, et la promesse est anéantie, 15 parce que la loi produit la colère, et que là où il n'y a point de loi il n'y a point non plus de transgression. 16 C'est pourquoi les héritiers le sont par la foi, pour que ce soit par grâce, afin que la promesse soit assurée à toute la postérité, non seulement à celle qui est sous la loi, mais aussi à celle qui a la foi d'Abraham, notre père à tous, 17 (4:16) selon qu'il est écrit: (4:17) Je t'ai établi père d'un grand nombre de nations. Il est notre père devant celui auquel il a cru, Dieu, qui donne la vie aux morts, et qui appelle les choses qui ne sont point comme si elles étaient. 18 Espérant contre toute espérance, il crut, en sorte qu'il devint père d'un grand nombre de nations, selon ce qui lui avait été dit: Telle sera ta postérité. 19 Et, sans faiblir dans la foi, il ne considéra point que son corps était déjà usé, puisqu'il avait près de cent ans, et que Sara n'était plus en état d'avoir des enfants. 20 Il ne douta point, par incrédulité, au sujet de la promesse de Dieu; mais il fut fortifié par la foi, donnant gloire à Dieu, 21 et ayant la pleine conviction que ce qu'il promet il peut aussi l'accomplir. 22 C'est pourquoi cela lui fut imputé à justice. 23 Mais ce n'est pas à cause de lui seul qu'il est écrit que cela lui fut imputé; 24 c'est encore à cause de nous, à qui cela sera imputé, à nous qui croyons en celui qui a ressuscité des morts Jésus notre Seigneur, 25 lequel a été livré pour nos offenses, et est ressuscité pour notre justification.