T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  3

1 Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?

2 Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny.

3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra?

4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina]

5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho -

6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?

7 Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?

8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.

9 Ahoana ary? Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [** Gr. Grika]

10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;

11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.

12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).

13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);

14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);

15 Ny tongony mimaona handatsa-drà;

16 Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;

17 Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);

18 Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).

19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,

20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.

21 [Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,

22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)]

23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,

24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,

25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]

26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.

27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.

28 Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna.

29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa;

30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana.

31 Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.

 

Chapitre  3

3:1 Then what advantage does the Jew have? Or what is the profit of circumcision? 3:2 Much in every way! Because first of all, they were entrusted with the oracles of God. 3:3 For what if some were without faith? Will their lack of faith nullify the faithfulness of God? 3:4 May it never be! Yes, let God be found true, but every man a liar. As it is written,

“That you might be justified in your words,
and might prevail when you come into judgment.”*
3:5 But if our unrighteousness commends the righteousness of God, what will we say? Is God unrighteous who inflicts wrath? I speak like men do. 3:6 May it never be! For then how will God judge the world? 3:7 For if the truth of God through my lie abounded to his glory, why am I also still judged as a sinner? 3:8 Why not (as we are slanderously reported, and as some affirm that we say), “Let us do evil, that good may come?” Those who say so are justly condemned. 3:9 What then? Are we better than they? No, in no way. For we previously warned both Jews and Greeks, that they are all under sin. 3:10 As it is written,

“There is no one righteous;
no, not one.
3:11 There is no one who understands.
There is no one who seeks after God.
3:12 They have all turned aside.
They have together become unprofitable.
There is no one who does good,
no, not, so much as one.”*
3:13 “Their throat is an open tomb.
With their tongues they have used deceit.”*
“The poison of vipers is under their lips”;*
3:14 “whose mouth is full of cursing and bitterness.”*
3:15 “Their feet are swift to shed blood.
3:16 Destruction and misery are in their ways.
3:17 The way of peace, they haven’t known.”*
3:18 “There is no fear of God before their eyes.”*
3:19 Now we know that whatever things the law says, it speaks to those who are under the law, that every mouth may be closed, and all the world may be brought under the judgment of God. 3:20 Because by the works of the law, no flesh will be justified in his sight. For through the law comes the knowledge of sin. 3:21 But now apart from the law, a righteousness of God has been revealed, being testified by the law and the prophets; 3:22 even the righteousness of God through faith in Jesus Christ to all and on all those who believe. For there is no distinction, 3:23 for all have sinned, and fall short of the glory of God; 3:24 being justified freely by his grace through the redemption that is in Christ Jesus; 3:25 whom God set forth to be an atoning sacrifice, through faith in his blood, for a demonstration of his righteousness through the passing over of prior sins, in God’s forbearance; 3:26 to demonstrate his righteousness at this present time; that he might himself be just, and the justifier of him who has faith in Jesus.

3:27 Where then is the boasting? It is excluded. By what kind of law? Of works? No, but by a law of faith. 3:28 We maintain therefore that a man is justified by faith apart from the works of the law. 3:29 Or is God the God of Jews only? Isn’t he the God of Gentiles also? Yes, of Gentiles also, 3:30 since indeed there is one God who will justify the circumcised by faith, and the uncircumcised through faith. 3:31 Do we then nullify the law through faith? May it never be! No, we establish the law.

 

Chapitre 3 
1 Quel est donc l'avantage des Juifs, ou quelle est l'utilité de la circoncision? 2 Il est grand de toute manière, et tout d'abord en ce que les oracles de Dieu leur ont été confiés. 3 Eh quoi! si quelques-uns n'ont pas cru, leur incrédulité anéantira-t-elle la fidélité de Dieu? 4 Loin de là! Que Dieu, au contraire, soit reconnu pour vrai, et tout homme pour menteur, selon qu'il est écrit: Afin que tu sois trouvé juste dans tes paroles, Et que tu triomphes lorsqu'on te juge. 5 Mais si notre injustice établit la justice de Dieu, que dirons-nous? Dieu est-il injuste quand il déchaîne sa colère? (Je parle à la manière des hommes.) 6 Loin de là! Autrement, comment Dieu jugerait-il le monde? 7 Et si, par mon mensonge, la vérité de Dieu éclate davantage pour sa gloire, pourquoi suis-je moi-même encore jugé comme pécheur? 8 Et pourquoi ne ferions-nous pas le mal afin qu'il en arrive du bien, comme quelques-uns, qui nous calomnient, prétendent que nous le disons? La condamnation de ces gens est juste. 9 Quoi donc! sommes-nous plus excellents? Nullement. Car nous avons déjà prouvé que tous, Juifs et Grecs, sont sous l'empire du péché, 10 selon qu'il est écrit: Il n'y a point de juste, Pas même un seul; 11 Nul n'est intelligent, Nul ne cherche Dieu; 12 (3:11) Tous sont égarés, tous sont pervertis; (3:12) Il n'en est aucun qui fasse le bien, Pas même un seul; 13 Leur gosier est un sépulcre ouvert; Ils se servent de leurs langues pour tromper; Ils ont sous leurs lèvres un venin d'aspic; 14 Leur bouche est pleine de malédiction et d'amertume; 15 Ils ont les pieds légers pour répandre le sang; 16 La destruction et le malheur sont sur leur route; 17 Ils ne connaissent pas le chemin de la paix; 18 La crainte de Dieu n'est pas devant leurs yeux. 19 Or, nous savons que tout ce que dit la loi, elle le dit à ceux qui sont sous la loi, afin que toute bouche soit fermée, et que tout le monde soit reconnu coupable devant Dieu. 20 Car nul ne sera justifié devant lui par les oeuvres de la loi, puisque c'est par la loi que vient la connaissance du péché. 21 Mais maintenant, sans la loi est manifestée la justice de Dieu, à laquelle rendent témoignage la loi et les prophètes, 22 justice de Dieu par la foi en Jésus-Christ pour tous ceux qui croient. Il n'y a point de distinction. 23 Car tous ont péché et sont privés de la gloire de Dieu; 24 et ils sont gratuitement justifiés par sa grâce, par le moyen de la rédemption qui est en Jésus-Christ. 25 C'est lui que Dieu a destiné, par son sang, à être, pour ceux qui croiraient victime propitiatoire, afin de montrer sa justice, parce qu'il avait laissé impunis les péchés commis auparavant, au temps de sa patience, afin, dis-je, 26 de montrer sa justice dans le temps présent, de manière à être juste tout en justifiant celui qui a la foi en Jésus. 27 Où donc est le sujet de se glorifier? Il est exclu. Par quelle loi? Par la loi des oeuvres? Non, mais par la loi de la foi. 28 Car nous pensons que l'homme est justifié par la foi, sans les oeuvres de la loi. 29 Ou bien Dieu est-il seulement le Dieu des Juifs? Ne l'est-il pas aussi des païens? Oui, il l'est aussi des païens, 30 puisqu'il y a un seul Dieu, qui justifiera par la foi les circoncis, et par la foi les incirconcis. 31 Anéantissons-nous donc la loi par la foi? Loin de là! Au contraire, nous confirmons la loi.