T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  2

1 [Ny amin'ny tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna] Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona]

2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.

3 Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr. olona]

4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?

5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra,

6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:

7 ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;

8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,

9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;

10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]

11 Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.

12 Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.

13 Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;

14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;

15 fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,-

16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

17 Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao

18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina ny lalàna ianao [* Na: samy hafa]

19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,

20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:

21 ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?

22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?

23 Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalàna?

24 Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3]

25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.

26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?

27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?

28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;

29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.

 

Chapitre  2

2:1 Therefore you are without excuse, O man, whoever you are who judge. For in that which you judge another, you condemn yourself. For you who judge practice the same things. 2:2 We know that the judgment of God is according to truth against those who practice such things. 2:3 Do you think this, O man who judges those who practice such things, and do the same, that you will escape the judgment of God? 2:4 Or do you despise the riches of his goodness, forbearance, and patience, not knowing that the goodness of God leads you to repentance? 2:5 But according to your hardness and unrepentant heart you are treasuring up for yourself wrath in the day of wrath, revelation, and of the righteous judgment of God; 2:6 who “will pay back to everyone according to their works:”* 2:7 to those who by patience in well-doing seek for glory, honor, and incorruptibility, eternal life; 2:8 but to those who are self-seeking, and don’t obey the truth, but obey unrighteousness, will be wrath and indignation, 2:9 oppression and anguish, on every soul of man who works evil, to the Jew first, and also to the Greek.

2:10 But glory, honor, and peace go to every man who works good, to the Jew first, and also to the Greek. 2:11 For there is no partiality with God. 2:12 For as many as have sinned without law will also perish without the law. As many as have sinned under the law will be judged by the law. 2:13 For it isn’t the hearers of the law who are righteous before God, but the doers of the law will be justified 2:14 (for when Gentiles who don’t have the law do by nature the things of the law, these, not having the law, are a law to themselves, 2:15 in that they show the work of the law written in their hearts, their conscience testifying with them, and their thoughts among themselves accusing or else excusing them) 2:16 in the day when God will judge the secrets of men, according to my Good News, by Jesus Christ.

2:17 Indeed you bear the name of a Jew, and rest on the law, and glory in God, 2:18 and know his will, and approve the things that are excellent, being instructed out of the law, 2:19 and are confident that you yourself are a guide of the blind, a light to those who are in darkness, 2:20 a corrector of the foolish, a teacher of babies, having in the law the form of knowledge and of the truth. 2:21 You therefore who teach another, don’t you teach yourself? You who preach that a man shouldn’t steal, do you steal? 2:22 You who say a man shouldn’t commit adultery. Do you commit adultery? You who abhor idols, do you rob temples? 2:23 You who glory in the law, through your disobedience of the law do you dishonor God? 2:24 For “the name of God is blasphemed among the Gentiles because of you,”* just as it is written. 2:25 For circumcision indeed profits, if you are a doer of the law, but if you are a transgressor of the law, your circumcision has become uncircumcision. 2:26 If therefore the uncircumcised keep the ordinances of the law, won’t his uncircumcision be accounted as circumcision? 2:27 Won’t the uncircumcision which is by nature, if it fulfills the law, judge you, who with the letter and circumcision are a transgressor of the law? 2:28 For he is not a Jew who is one outwardly, neither is that circumcision which is outward in the flesh; 2:29 but he is a Jew who is one inwardly, and circumcision is that of the heart, in the spirit not in the letter; whose praise is not from men, but from God.

 

Chapitre  2
1 O homme, qui que tu sois, toi qui juges, tu es donc inexcusable; car, en jugeant les autres, tu te condamnes toi-même, puisque toi qui juges, tu fais les mêmes choses. 2 Nous savons, en effet, que le jugement de Dieu contre ceux qui commettent de telles choses est selon la vérité. 3 Et penses-tu, ô homme, qui juges ceux qui commettent de telles choses, et qui les fais, que tu échapperas au jugement de Dieu? 4 Ou méprises-tu les richesses de sa bonté, de sa patience et de sa longanimité, ne reconnaissant pas que la bonté de Dieu te pousse à la repentance? 5 Mais, par ton endurcissement et par ton coeur impénitent, tu t'amasses un trésor de colère pour le jour de la colère et de la manifestation du juste jugement de Dieu, 6 qui rendra à chacun selon ses oeuvres; 7 réservant la vie éternelle à ceux qui, par la persévérance à bien faire, cherchent l'honneur, la gloire et l'immortalité; 8 mais l'irritation et la colère à ceux qui, par esprit de dispute, sont rebelles à la vérité et obéissent à l'injustice. 9 Tribulation et angoisse sur toute âme d'homme qui fait le mal, sur le Juif premièrement, puis sur le Grec! 10 Gloire, honneur et paix pour quiconque fait le bien, pour le Juif premièrement, puis pour le Grec! 11 Car devant Dieu il n'y a point d'acception de personnes. 12 Tous ceux qui ont péché sans la loi périront aussi sans la loi, et tous ceux qui ont péché avec la loi seront jugés par la loi. 13 Ce ne sont pas, en effet, ceux qui écoutent la loi qui sont justes devant Dieu, mais ce sont ceux qui la mettent en pratique qui seront justifiés. 14 Quand les païens, qui n'ont point la loi, font naturellement ce que prescrit la loi, ils sont, eux qui n'ont point la loi, une loi pour eux-mêmes; 15 ils montrent que l'oeuvre de la loi est écrite dans leurs coeurs, leur conscience en rendant témoignage, et leurs pensées s'accusant ou se défendant tour à tour. 16 C'est ce qui paraîtra au jour où, selon mon Évangile, Dieu jugera par Jésus-Christ les actions secrètes des hommes. 17 Toi qui te donnes le nom de Juif, qui te reposes sur la loi, qui te glorifies de Dieu, 18 qui connais sa volonté, qui apprécies la différence des choses, étant instruit par la loi; 19 toi qui te flattes d'être le conducteur des aveugles, la lumière de ceux qui sont dans les ténèbres, 20 le docteur des insensés, le maître des ignorants, parce que tu as dans la loi la règle de la science et de la vérité; 21 toi donc, qui enseignes les autres, tu ne t'enseignes pas toi-même! Toi qui prêches de ne pas dérober, tu dérobes! 22 Toi qui dis de ne pas commettre d'adultère, tu commets l'adultère! Toi qui as en abomination les idoles, tu commets des sacrilèges! 23 Toi qui te fais une gloire de la loi, tu déshonores Dieu par la transgression de la loi! 24 Car le nom de Dieu est à cause de vous blasphémé parmi les païens, comme cela est écrit. 25 La circoncision est utile, si tu mets en pratique la loi; mais si tu transgresses la loi, ta circoncision devient incirconcision. 26 Si donc l'incirconcis observe les ordonnances de la loi, son incirconcision ne sera-t-elle pas tenue pour circoncision? 27 L'incirconcis de nature, qui accomplit la loi, ne te condamnera-t-il pas, toi qui la transgresses, tout en ayant la lettre de la loi et la circoncision? 28 Le Juif, ce n'est pas celui qui en a les dehors; et la circoncision, ce n'est pas celle qui est visible dans la chair. 29 Mais le Juif, c'est celui qui l'est intérieurement; et la circoncision, c'est celle du coeur, selon l'esprit et non selon la lettre. La louange de ce Juif ne vient pas des hommes, mais de Dieu.