T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  16  

1 [Famangiana sy teny farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,

2 mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa.

3 Veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy;

4 izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.

5 Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.

6 Veloma amin'i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.

7 Veloma amin'i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako.

8 Veloma amin'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.

9 Veloma amin'i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako.

10 Veloma amin'i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i Aristobolo.

11 Veloma amin'i Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.

12 Veloma amin'i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo.

13 Veloma amin'i Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko.

14 Veloma amin'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy.

15 Veloma amin'i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy.

16 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma anareo.

 

17 Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.

18 Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.

19 Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy.

20 Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

21 Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.

 

22 Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.

23 Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.

24 * [* Ampio hoe: [24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika Amena]

 

25 Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,

26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,

27 ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.

 

Chapitre  16

16:1 I commend to you Phoebe, our sister, who is a servant of the assembly that is at Cenchreae, 16:2 that you receive her in the Lord, in a way worthy of the saints, and that you assist her in whatever matter she may need from you, for she herself also has been a helper of many, and of my own self.

16:3 Greet Prisca and Aquila, my fellow workers in Christ Jesus, 16:4 who for my life, laid down their own necks; to whom not only I give thanks, but also all the assemblies of the Gentiles. 16:5 Greet the assembly that is in their house. Greet Epaenetus, my beloved, who is the first fruits of Achaia to Christ. 16:6 Greet Mary, who labored much for us. 16:7 Greet Andronicus and Junia, my relatives and my fellow prisoners, who are notable among the apostles, who also were in Christ before me. 16:8 Greet Amplias, my beloved in the Lord. 16:9 Greet Urbanus, our fellow worker in Christ, and Stachys, my beloved. 16:10 Greet Apelles, the approved in Christ. Greet those who are of the household of Aristobulus. 16:11 Greet Herodion, my kinsman. Greet them of the household of Narcissus, who are in the Lord. 16:12 Greet Tryphaena and Tryphosa, who labor in the Lord. Greet Persis, the beloved, who labored much in the Lord. 16:13 Greet Rufus, the chosen in the Lord, and his mother and mine. 16:14 Greet Asyncritus, Phlegon, Hermes, Patrobas, Hermas, and the brothers who are with them. 16:15 Greet Philologus and Julia, Nereus and his sister, and Olympas, and all the saints who are with them. 16:16 Greet one another with a holy kiss. The assemblies of Christ greet you.

16:17 Now I beg you, brothers, look out for those who are causing the divisions and occasions of stumbling, contrary to the doctrine which you learned, and turn away from them. 16:18 For those who are such don’t serve our Lord, Jesus Christ, but their own belly; and by their smooth and flattering speech, they deceive the hearts of the innocent. 16:19 For your obedience has become known to all. I rejoice therefore over you. But I desire to have you wise in that which is good, but innocent in that which is evil. 16:20 And the God of peace will quickly crush Satan under your feet. The grace of our Lord Jesus Christ be with you.

16:21 Timothy, my fellow worker, greets you, as do Lucius, Jason, and Sosipater, my relatives. 16:22 I, Tertius, who write the letter, greet you in the Lord. 16:23 Gaius, my host and host of the whole assembly, greets you. Erastus, the treasurer of the city, greets you, as does Quartus, the brother. 16:24 The grace of our Lord Jesus Christ be with you all! Amen. 16:25

 

Chapitre  16

1 Je vous recommande Phoebé, notre soeur, qui est diaconesse de l'Église de Cenchrées, 2 afin que vous la receviez en notre Seigneur d'une manière digne des saints, et que vous l'assistiez dans les choses où elle aurait besoin de vous, car elle a donné aide à plusieurs et à moi-même. 3 Saluez Prisca et Aquilas, mes compagnons d'oeuvre en Jésus-Christ, 4 qui ont exposé leur tête pour sauver ma vie; ce n'est pas moi seul qui leur rends grâces, ce sont encore toutes les Églises des païens. 5 Saluez aussi l'Église qui est dans leur maison. Saluez Épaïnète, mon bien-aimé, qui a été pour Christ les prémices de l'Asie. 6 Saluez Marie, qui a pris beaucoup de peine pour vous. 7 Saluez Andronicus et Junias, mes parents et mes compagnons de captivité, qui jouissent d'une grande considération parmi les apôtres, et qui même ont été en Christ avant moi. 8 Saluez Amplias, mon bien-aimé dans le Seigneur. 9 Saluez Urbain, notre compagnon d'oeuvre en Christ, et Stachys, mon bien-aimé. 10 Saluez Apellès, qui est éprouvé en Christ. Saluez ceux de la maison d'Aristobule. 11 Saluez Hérodion, mon parent. Saluez ceux de la maison de Narcisse qui sont dans le Seigneur. 12 Saluez Tryphène et Tryphose, qui travaillent pour le Seigneur. Saluez Perside, la bien-aimée, qui a beaucoup travaillé pour le Seigneur. 13 Saluez Rufus, l'élu du Seigneur, et sa mère, qui est aussi la mienne. 14 Saluez Asyncrite, Phlégon, Hermès, Patrobas, Hermas, et les frères qui sont avec eux. 15 Saluez Philologue et Julie, Nérée et sa soeur, et Olympe, et tous les saints qui sont avec eux. 16 Saluez-vous les uns les autres par un saint baiser. Toutes les Églises de Christ vous saluent. 17 Je vous exhorte, frères, à prendre garde à ceux qui causent des divisions et des scandales, au préjudice de l'enseignement que vous avez reçu. Éloignez-vous d'eux. 18 Car de tels hommes ne servent point Christ notre Seigneur, mais leur propre ventre; et, par des paroles douces et flatteuses, ils séduisent les coeurs des simples. 19 Pour vous, votre obéissance est connue de tous; je me réjouis donc à votre sujet, et je désire que vous soyez sages en ce qui concerne le bien et purs en ce qui concerne le mal. 20 Le Dieu de paix écrasera bientôt Satan sous vos pieds. Que la grâce de notre Seigneur Jésus-Christ soit avec vous! 21 Timothée, mon compagnon d'oeuvre, vous salue, ainsi que Lucius, Jason et Sosipater, mes parents. 22 Je vous salue dans le Seigneur, moi Tertius, qui ai écrit cette lettre. 23 Gaïus, mon hôte et celui de toute l'Église, vous salue. Éraste, le trésorier de la ville, vous salue, ainsi que le frère Quartus. 24 Que la grâce de notre Seigneur Jésus-Christ soit avec vous tous! Amen! 25 A celui qui peut vous affermir selon mon Évangile et la prédication de Jésus-Christ, conformément à la révélation du mystère caché pendant des siècles, 26 mais manifesté maintenant par les écrits des prophètes, d'après l'ordre du Dieu éternel, et porté à la connaissance de toutes les nations, afin qu'elles obéissent à la foi, 27 à Dieu, seul sage, soit la gloire aux siècles des siècles, par Jésus-Christ! Amen!