T O R I T E N Y . N E T

J é s u s G u é r i t L e s M a l a d e s. J e s u s H e a l s T h e S i c k.

Chapitre  15

1 Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.

2 Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.

3 Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).

4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.

5 Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,

6 mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.

7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra. [* Na: (antsika)]

 

8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana,

9 mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).

10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).

11 Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).

12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).

13 Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.

 

14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.

15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,

16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.

17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.

18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,

19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)]

20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;

21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).

22 Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.

23 Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,

24 raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.

25 Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.

26 Fa efa sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema.

27 Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.

28 Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.

29 Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.

30 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,

31 mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,

32 mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.

33 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.

Chapitre 15

15:1 Now we who are strong ought to bear the weaknesses of the weak, and not to please ourselves. 15:2 Let each one of us please his neighbor for that which is good, to be building him up. 15:3 For even Christ didn’t please himself. But, as it is written, “The reproaches of those who reproached you fell on me.”* 15:4 For whatever things were written before were written for our learning, that through patience and through encouragement of the Scriptures we might have hope. 15:5 Now the God of patience and of encouragement grant you to be of the same mind one with another according to Christ Jesus, 15:6 that with one accord you may with one mouth glorify the God and Father of our Lord Jesus Christ.

15:7 Therefore accept one another, even as Christ also accepted you, to the glory of God. 15:8 Now I say that Christ has been made a servant of the circumcision for the truth of God, that he might confirm the promises given to the fathers, 15:9 and that the Gentiles might glorify God for his mercy. As it is written,

“Therefore will I give praise to you among the Gentiles,
and sing to your name.”*
15:10 Again he says,

“Rejoice, you Gentiles, with his people.”*
15:11 Again,

“Praise the Lord, all you Gentiles!
Let all the peoples praise him.”*
15:12 Again, Isaiah says,

“There will be the root of Jesse,
he who arises to rule over the Gentiles;
in him the Gentiles will hope.”*
15:13 Now may the God of hope fill you with all joy and peace in believing, that you may abound in hope, in the power of the Holy Spirit. 15:14 I myself am also persuaded about you, my brothers, that you yourselves are full of goodness, filled with all knowledge, able also to admonish others. 15:15 But I write the more boldly to you in part, as reminding you, because of the grace that was given to me by God, 15:16 that I should be a servant of Christ Jesus to the Gentiles, serving as a priest the Good News of God, that the offering up of the Gentiles might be made acceptable, sanctified by the Holy Spirit. 15:17 I have therefore my boasting in Christ Jesus in things pertaining to God. 15:18 For I will not dare to speak of any things except those which Christ worked through me, for the obedience of the Gentiles, by word and deed, 15:19 in the power of signs and wonders, in the power of God’s Spirit; so that from Jerusalem, and around as far as to Illyricum, I have fully preached the Good News of Christ; 15:20 yes, making it my aim to preach the Good News, not where Christ was already named, that I might not build on another’s foundation. 15:21 But, as it is written,

“They will see, to whom no news of him came.
They who haven’t heard will understand.”*
15:22 Therefore also I was hindered these many times from coming to you, 15:23 but now, no longer having any place in these regions, and having these many years a longing to come to you, 15:24 whenever I journey to Spain, I will come to you. For I hope to see you on my journey, and to be helped on my way there by you, if first I may enjoy your company for a while. 15:25 But now, I say, I am going to Jerusalem, serving the saints. 15:26 For it has been the good pleasure of Macedonia and Achaia to make a certain contribution for the poor among the saints who are at Jerusalem. 15:27 Yes, it has been their good pleasure, and they are their debtors. For if the Gentiles have been made partakers of their spiritual things, they owe it to them also to serve them in fleshly things. 15:28 When therefore I have accomplished this, and have sealed to them this fruit, I will go on by way of you to Spain. 15:29 I know that, when I come to you, I will come in the fullness of the blessing of the Good News of Christ.

15:30 Now I beg you, brothers, by our Lord Jesus Christ, and by the love of the Spirit, that you strive together with me in your prayers to God for me, 15:31 that I may be delivered from those who are disobedient in Judea, and that my service which I have for Jerusalem may be acceptable to the saints; 15:32 that I may come to you in joy through the will of God, and together with you, find rest. 15:33 Now the God of peace be with you all. Amen.

Chapitre  15
1 Nous qui sommes forts, nous devons supporter les faiblesses de ceux qui ne le sont pas, et ne pas nous complaire en nous-mêmes. 2 Que chacun de nous complaise au prochain pour ce qui est bien en vue de l'édification. 3 Car Christ ne s'est point complu en lui-même, mais, selon qu'il est écrit: Les outrages de ceux qui t'insultent sont tombés sur moi. 4 Or, tout ce qui a été écrit d'avance l'a été pour notre instruction, afin que, par la patience, et par la consolation que donnent les Écritures, nous possédions l'espérance. 5 Que le Dieu de la persévérance et de la consolation vous donne d'avoir les mêmes sentiments les uns envers les autres selon Jésus-Christ, 6 afin que tous ensemble, d'une seule bouche, vous glorifiiez le Dieu et Père de notre Seigneur Jésus-Christ. 7 Accueillez-vous donc les uns les autres, comme Christ vous a accueillis, pour la gloire de Dieu. 8 Je dis, en effet, que Christ a été serviteur des circoncis, pour prouver la véracité de Dieu en confirmant les promesses faites aux pères, 9 tandis que les païens glorifient Dieu à cause de sa miséricorde, selon qu'il est écrit: C'est pourquoi je te louerai parmi les nations, Et je chanterai à la gloire de ton nom. 10 (15:9) Il est dit encore: (15:10) Nations, réjouissez-vous avec son peuple! 11 Et encore: Louez le Seigneur, vous toutes les nations, Célébrez-le, vous tous les peuples! 12 Ésaïe dit aussi: Il sortira d'Isaï un rejeton, Qui se lèvera pour régner sur les nations; Les nations espéreront en lui. 13 Que le Dieu de l'espérance vous remplisse de toute joie et de toute paix dans la foi, pour que vous abondiez en espérance, par la puissance du Saint-Esprit! 14 Pour ce qui vous concerne, mes frères, je suis moi-même persuadé que vous êtes pleins de bonnes dispositions, remplis de toute connaissance, et capables de vous exhorter les uns les autres. 15 Cependant, à certains égards, je vous ai écrit avec une sorte de hardiesse, comme pour réveiller vos souvenirs, à cause de la grâce que Dieu m'a faite 16 d'être ministre de Jésus-Christ parmi les païens, m'acquittant du divin service de l'Évangile de Dieu, afin que les païens lui soient une offrande agréable, étant sanctifiée par l'Esprit-Saint. 17 J'ai donc sujet de me glorifier en Jésus-Christ, pour ce qui regarde les choses de Dieu. 18 Car je n'oserais mentionner aucune chose que Christ n'ait pas faite par moi pour amener les païens à l'obéissance, par la parole et par les actes, 19 par la puissance des miracles et des prodiges, par la puissance de l'Esprit de Dieu, en sorte que, depuis Jérusalem et les pays voisins jusqu'en Illyrie, j'ai abondamment répandu l'Évangile de Christ. 20 Et je me suis fait honneur d'annoncer l'Évangile là où Christ n'avait point été nommé, afin de ne pas bâtir sur le fondement d'autrui, 21 (15:20) selon qu'il est écrit: (15:21) Ceux à qui il n'avait point été annoncé verront, Et ceux qui n'en avaient point entendu parler comprendront. 22 C'est ce qui m'a souvent empêché d'aller vers vous. 23 Mais maintenant, n'ayant plus rien qui me retienne dans ces contrées, et ayant depuis plusieurs années le désir d'aller vers vous, 24 j'espère vous voir en passant, quand je me rendrai en Espagne, et y être accompagné par vous, après que j'aurai satisfait en partie mon désir de me trouver chez vous. 25 Présentement je vais à Jérusalem, pour le service des saints. 26 Car la Macédoine et l'Achaïe ont bien voulu s'imposer une contribution en faveur des pauvres parmi les saints de Jérusalem. 27 Elles l'ont bien voulu, et elles le leur devaient; car si les païens ont eu part à leurs avantages spirituels, ils doivent aussi les assister dans les choses temporelles. 28 Dès que j'aurai terminé cette affaire et que je leur aurai remis ces dons, je partirai pour l'Espagne et passerai chez vous. 29 Je sais qu'en allant vers vous, c'est avec une pleine bénédiction de Christ que j'irai. 30 Je vous exhorte, frères, par notre Seigneur Jésus-Christ et par l'amour de l'Esprit, à combattre avec moi, en adressant à Dieu des prières en ma faveur, 31 afin que je sois délivré des incrédules de la Judée, et que les dons que je porte à Jérusalem soient agréés des saints, 32 en sorte que j'arrive chez vous avec joie, si c'est la volonté de Dieu, et que je jouisse au milieu de vous de quelque repos. 33 Que le Dieu de paix soit avec vous tous! Amen!