1 Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly,
voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra
Masina*, [* teo amin'izay soratra masina]
3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida
araka ny nofo,
4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny
fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy
Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery]
5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay
hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa
rehetra;
6 ary ianareo koa,
izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -
7 ho an'izay rehetra
any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
8 Voalohany, misaotra
an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra,
satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
9 Fa Andriamanitra,
Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa
tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10 dia mangataka fandrao mba hisy
hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.
11 Fa maniry hahita anareo aho
hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
12 izany dia ny mba hiarahako
hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13 Ary tsy tiako
tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo
(saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ
aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
14 Ananan'ny Grika
sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15 koa raha izaho,
dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
16 Fa tsy menatra
ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino
izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
17 Fa amin'izany
no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho
amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho
velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]
18 [Ny amin'ny faharatsian'ny toetry
ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny
fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny
olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
19 satria izay fantatra ny
amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.
20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny
heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny
nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy
manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra]
21 fa na dia nahalala
an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra,
na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina
ny fony donto.
22 Nandoka tena ho hendry izy ka
tonga adala,
23 koa ny voninahitr'Andriamanitra
tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny
vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
24 Ary izany no
nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia
ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra
dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny
Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 Izany no nanoloran'Andriamanitra
azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny
fanaony ho amin'izay tsy fanaony;
27 ary tahaka izany koa ny lehilahy,
fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy
lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny
izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28 Ary araka ny nanaovany ny
fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany
kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao
izay zavatra tsy tokony hatao,
29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana
rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana,
vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
30 mpibitsibitsika,
mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka
tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala
an'Andriamanitra]
31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana
fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 dia olona mahalala tsara ny
fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho
faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.