T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  9

1 [Ny fiantsoan'ny fahendrena sy ny fahadalana] Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;

2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;

3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:

4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:

5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.

6 Ilaozy ny* kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.[Na: Mitsahara, ry]

7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.

8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.

10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.

12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.

13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.

14 Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,

15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:

16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:

17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,

18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita* ny olona nasainy.[Heb: Shoela]

 

Chapitre  9
9:1 Wisdom has built her house.
She has carved out her seven pillars.
9:2 She has prepared her meat.
She has mixed her wine.
She has also set her table.
9:3 She has sent out her maidens.
She cries from the highest places of the city:
9:4 “Whoever is simple, let him turn in here!”
As for him who is void of understanding, she says to him,
9:5 “Come, eat some of my bread,
Drink some of the wine which I have mixed!
9:6 Leave your simple ways, and live.
Walk in the way of understanding.”
9:7 He who corrects a mocker invites insult.
He who reproves a wicked man invites abuse.
9:8 Don’t reprove a scoffer, lest he hate you.
Reprove a wise man, and he will love you.
9:9 Instruct a wise man, and he will be still wiser.
Teach a righteous man, and he will increase in learning.
9:10 The fear of Yahweh is the beginning of wisdom.
The knowledge of the Holy One is understanding.
9:11 For by me your days will be multiplied.
The years of your life will be increased.
9:12 If you are wise, you are wise for yourself.
If you mock, you alone will bear it.
9:13 The foolish woman is loud,
Undisciplined, and knows nothing.
9:14 She sits at the door of her house,
on a seat in the high places of the city,
9:15 To call to those who pass by,
who go straight on their ways,
9:16 “Whoever is simple, let him turn in here.”
as for him who is void of understanding, she says to him,
9:17 “Stolen water is sweet.
Food eaten in secret is pleasant.”
9:18 But he doesn’t know that the dead are there,
that her guests are in the depths of Sheol.

 

Chapitre  9
1 La sagesse a bâti sa maison, Elle a taillé ses sept colonnes. 2 Elle a égorgé ses victimes, mêlé son vin, Et dressé sa table. 3 Elle a envoyé ses servantes, elle crie Sur le sommet des hauteurs de la ville: 4 Que celui qui est stupide entre ici! Elle dit à ceux qui sont dépourvus de sens: 5 Venez, mangez de mon pain, Et buvez du vin que j'ai mêlé; 6 Quittez la stupidité, et vous vivrez, Et marchez dans la voie de l'intelligence! 7 Celui qui reprend le moqueur s'attire le dédain, Et celui qui corrige le méchant reçoit un outrage. 8 Ne reprends pas le moqueur, de crainte qu'il ne te haïsse; Reprends le sage, et il t'aimera. 9 Donne au sage, et il deviendra plus sage; Instruis le juste, et il augmentera son savoir. 10 Le commencement de la sagesse, c'est la crainte de l'Éternel; Et la science des saints, c'est l'intelligence. 11 C'est par moi que tes jours se multiplieront, Et que les années de ta vie augmenteront. 12 Si tu es sage, tu es sage pour toi; Si tu es moqueur, tu en porteras seul la peine. 13 La folie est une femme bruyante, Stupide et ne sachant rien. 14 Elle s'assied à l'entrée de sa maison, Sur un siège, dans les hauteurs de la ville, 15 Pour crier aux passants, Qui vont droit leur chemin: 16 Que celui qui est stupide entre ici! Elle dit à celui qui est dépourvu de sens: 17 Les eaux dérobées sont douces, Et le pain du mystère est agréable! 18 Et il ne sait pas que là sont les morts, Et que ses invités sont dans les vallées du séjour des morts.