T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  8

1 [Ny fiantsoan'ny fahendrena, sy ny fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?

2 Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.

3 Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:

4 Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.

5 Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.

6 Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.

7 Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.

8 Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.

9 Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.

10 Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.

11 Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy*; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]

12 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.

13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.

14 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana*; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena fahendrena]

15 Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;

16 Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.

17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.

18 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.

19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.

20 Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,

21 Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.

22 Jehovah nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.[Na: nahazo]

23 Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.

24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,

25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,

26 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.

27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,

28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,

29 Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,

30 Dia mpità-marika* teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina]

31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.

32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;

33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.

34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.

35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;

36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.

 

Chapitre  8
8:1 Doesn’t wisdom cry out?
Doesn’t understanding raise her voice?
8:2 On the top of high places by the way,
where the paths meet, she stands.
8:3 Beside the gates, at the entry of the city,
at the entry doors, she cries aloud:
8:4 “To you men, I call!
I send my voice to the sons of mankind.
8:5 You simple, understand prudence.
You fools, be of an understanding heart.
8:6 Hear, for I will speak excellent things.
The opening of my lips is for right things.
8:7 For my mouth speaks truth.
Wickedness is an abomination to my lips.
8:8 All the words of my mouth are in righteousness. There is nothing crooked or perverse in them.
8:9 They are all plain to him who understands,
right to those who find knowledge.
8:10 Receive my instruction rather than silver;
knowledge rather than choice gold.
8:11 For wisdom is better than rubies.
All the things that may be desired can’t be compared to it.
8:12 “I, wisdom, have made prudence my dwelling.
Find out knowledge and discretion.
8:13 The fear of Yahweh is to hate evil.
I hate pride, arrogance, the evil way, and the perverse mouth.
8:14 Counsel and sound knowledge are mine.
I have understanding and power.
8:15 By me kings reign,
and princes decree justice.
8:16 By me princes rule;
nobles, and all the righteous rulers of the earth.
8:17 I love those who love me.
Those who seek me diligently will find me.
8:18 With me are riches, honor,
enduring wealth, and prosperity.
8:19 My fruit is better than gold, yes, than fine gold;
my yield than choice silver.
8:20 I walk in the way of righteousness,
in the midst of the paths of justice;
8:21 That I may give wealth to those who love me.
I fill their treasuries.
8:22 “Yahweh possessed me in the beginning of his work,
before his deeds of old.
8:23 I was set up from everlasting, from the beginning,
before the earth existed.
8:24 When there were no depths, I was brought forth,
when there were no springs abounding with water.
8:25 Before the mountains were settled in place,
before the hills, I was brought forth;
8:26 while as yet he had not made the earth, nor the fields,
nor the beginning of the dust of the world.
8:27 When he established the heavens, I was there;
when he set a circle on the surface of the deep,
8:28 when he established the clouds above,
when the springs of the deep became strong,
8:29 when he gave to the sea its boundary,
that the waters should not violate his commandment,
when he marked out the foundations of the earth;
8:30 then I was the craftsman by his side.
I was a delight day by day,
always rejoicing before him,
8:31 Rejoicing in his whole world.
My delight was with the sons of men.
8:32 “Now therefore, my sons, listen to me,
for blessed are those who keep my ways.
8:33 Hear instruction, and be wise.
Don’t refuse it.
8:34 Blessed is the man who hears me, watching daily at my gates, waiting at my door posts.
8:35 For whoever finds me, finds life,
and will obtain favor from Yahweh.
8:36 But he who sins against me wrongs his own soul.
All those who hate me love death.”

 

Chapitre  8
1 La sagesse ne crie-t-elle pas? L'intelligence n'élève-t-elle pas sa voix? 2 C'est au sommet des hauteurs près de la route, C'est à la croisée des chemins qu'elle se place; 3 A côté des portes, à l'entrée de la ville, A l'intérieur des portes, elle fait entendre ses cris: 4 Hommes, c'est à vous que je crie, Et ma voix s'adresse aux fils de l'homme. 5 Stupides, apprenez le discernement; Insensés, apprenez l'intelligence. 6 Écoutez, car j'ai de grandes choses à dire, Et mes lèvres s'ouvrent pour enseigner ce qui est droit. 7 Car ma bouche proclame la vérité, Et mes lèvres ont en horreur le mensonge; 8 Toutes les paroles de ma bouche sont justes, Elles n'ont rien de faux ni de détourné; 9 Toutes sont claires pour celui qui est intelligent, Et droites pour ceux qui ont trouvé la science. 10 Préférez mes instructions à l'argent, Et la science à l'or le plus précieux; 11 Car la sagesse vaut mieux que les perles, Elle a plus de valeur que tous les objets de prix. 12 Moi, la sagesse, j'ai pour demeure le discernement, Et je possède la science de la réflexion. 13 La crainte de l'Éternel, c'est la haine du mal; L'arrogance et l'orgueil, la voie du mal, Et la bouche perverse, voilà ce que je hais. 14 Le conseil et le succès m'appartiennent; Je suis l'intelligence, la force est à moi. 15 Par moi les rois règnent, Et les princes ordonnent ce qui est juste; 16 Par moi gouvernent les chefs, Les grands, tous les juges de la terre. 17 J'aime ceux qui m'aiment, Et ceux qui me cherchent me trouvent. 18 Avec moi sont la richesse et la gloire, Les biens durables et la justice. 19 Mon fruit est meilleur que l'or, que l'or pur, Et mon produit est préférable à l'argent. 20 Je marche dans le chemin de la justice, Au milieu des sentiers de la droiture, 21 Pour donner des biens à ceux qui m'aiment, Et pour remplir leurs trésors. 22 L'Éternel m'a créée la première de ses oeuvres, Avant ses oeuvres les plus anciennes. 23 J'ai été établie depuis l'éternité, Dès le commencement, avant l'origine de la terre. 24 Je fus enfantée quand il n'y avait point d'abîmes, Point de sources chargées d'eaux; 25 Avant que les montagnes soient affermies, Avant que les collines existent, je fus enfantée; 26 Il n'avait encore fait ni la terre, ni les campagnes, Ni le premier atome de la poussière du monde. 27 Lorsqu'il disposa les cieux, j'étais là; Lorsqu'il traça un cercle à la surface de l'abîme, 28 Lorsqu'il fixa les nuages en haut, Et que les sources de l'abîme jaillirent avec force, 29 Lorsqu'il donna une limite à la mer, Pour que les eaux n'en franchissent pas les bords, Lorsqu'il posa les fondements de la terre, 30 J'étais à l'oeuvre auprès de lui, Et je faisais tous les jours ses délices, Jouant sans cesse en sa présence, 31 Jouant sur le globe de sa terre, Et trouvant mon bonheur parmi les fils de l'homme. 32 Et maintenant, mes fils, écoutez-moi, Et heureux ceux qui observent mes voies! 33 Écoutez l'instruction, pour devenir sages, Ne la rejetez pas. 34 Heureux l'homme qui m'écoute, Qui veille chaque jour à mes portes, Et qui en garde les poteaux! 35 Car celui qui me trouve a trouvé la vie, Et il obtient la faveur de l'Éternel. 36 Mais celui qui pèche contre moi nuit à son âme; Tous ceux qui me haïssent aiment la mort.