T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  7

1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.

2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.

3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.

4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;

5 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo*, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]

6 Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,

7 Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,

8 Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,

9 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.

10 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,

11 Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;

12 Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.

13 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:

14 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.

15 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.

16 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.

17 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra* ary havozo manitra.[Heb. ahalima]

18 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.

19 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;

20 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.

21 Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,

22 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo*, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana**, [*Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia][**Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]

23 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.

24 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.

25 Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.

26 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.

27 Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita*, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]

 

Chapitre  7
7:1 My son, keep my words.
Lay up my commandments within you.
7:2 Keep my commandments and live!
Guard my teaching as the apple of your eye.
7:3 Bind them on your fingers.
Write them on the tablet of your heart.
7:4 Tell wisdom, “You are my sister.”
Call understanding your relative,
7:5 that they may keep you from the strange woman,
from the foreigner who flatters with her words.
7:6 For at the window of my house,
I looked out through my lattice.
7:7 I saw among the simple ones.
I discerned among the youths a young man void of understanding,
7:8 passing through the street near her corner,
he went the way to her house,
7:9 in the twilight, in the evening of the day,
in the middle of the night and in the darkness.
7:10 Behold, there a woman met him with the attire of a prostitute,
and with crafty intent.
7:11 She is loud and defiant.
Her feet don’t stay in her house.
7:12 Now she is in the streets, now in the squares,
and lurking at every corner.
7:13 So she caught him, and kissed him.
With an impudent face she said to him:
7:14 “Sacrifices of peace offerings are with me.
This day I have paid my vows.
7:15 Therefore I came out to meet you,
to diligently seek your face,
and I have found you.
7:16 I have spread my couch with carpets of tapestry,
with striped cloths of the yarn of Egypt.
7:17 I have perfumed my bed with myrrh, aloes, and cinnamon.
7:18 Come, let’s take our fill of loving until the morning.
Let’s solace ourselves with loving.
7:19 For my husband isn’t at home.
He has gone on a long journey.
7:20 He has taken a bag of money with him.
He will come home at the full moon.”
7:21 With persuasive words, she led him astray.
With the flattering of her lips, she seduced him.
7:22 He followed her immediately,
as an ox goes to the slaughter,
as a fool stepping into a noose.
7:23 Until an arrow strikes through his liver,
as a bird hurries to the snare,
and doesn’t know that it will cost his life.
7:24 Now therefore, sons, listen to me.
Pay attention to the words of my mouth.
7:25 Don’t let your heart turn to her ways.
Don’t go astray in her paths,
7:26 for she has thrown down many wounded.
Yes, all her slain are a mighty army.
7:27 Her house is the way to Sheol,
going down to the rooms of death.

Chapitre  7
1 Mon fils, retiens mes paroles, Et garde avec toi mes préceptes. 2 Observe mes préceptes, et tu vivras; Garde mes enseignements comme la prunelle de tes yeux. 3 Lie-les sur tes doigts, Écris-les sur la table de ton coeur. 4 Dis à la sagesse: Tu es ma soeur! Et appelle l'intelligence ton amie, 5 Pour qu'elles te préservent de la femme étrangère, De l'étrangère qui emploie des paroles doucereuses. 6 J'étais à la fenêtre de ma maison, Et je regardais à travers mon treillis. 7 J'aperçus parmi les stupides, Je remarquai parmi les jeunes gens un garçon dépourvu de sens. 8 Il passait dans la rue, près de l'angle où se tenait une de ces étrangères, Et il se dirigeait lentement du côté de sa demeure: 9 C'était au crépuscule, pendant la soirée, Au milieu de la nuit et de l'obscurité. 10 Et voici, il fut abordé par une femme Ayant la mise d'une prostituée et la ruse dans le coeur. 11 Elle était bruyante et rétive; Ses pieds ne restaient point dans sa maison; 12 Tantôt dans la rue, tantôt sur les places, Et près de tous les angles, elle était aux aguets. 13 Elle le saisit et l'embrassa, Et d'un air effronté lui dit: 14 Je devais un sacrifice d'actions de grâces, Aujourd'hui j'ai accompli mes voeux. 15 C'est pourquoi je suis sortie au-devant de toi Pour te chercher, et je t'ai trouvé. 16 J'ai orné mon lit de couvertures, De tapis de fil d'Égypte; 17 J'ai parfumé ma couche De myrrhe, d'aloès et de cinnamome. 18 Viens, enivrons-nous d'amour jusqu'au matin, Livrons-nous joyeusement à la volupté. 19 Car mon mari n'est pas à la maison, Il est parti pour un voyage lointain; 20 Il a pris avec lui le sac de l'argent, Il ne reviendra à la maison qu'à la nouvelle lune. 21 Elle le séduisit à force de paroles, Elle l'entraîna par ses lèvres doucereuses. 22 Il se mit tout à coup à la suivre, Comme le boeuf qui va à la boucherie, Comme un fou qu'on lie pour le châtier, 23 Jusqu'à ce qu'une flèche lui perce le foie, Comme l'oiseau qui se précipite dans le filet, Sans savoir que c'est au prix de sa vie. 24 Et maintenant, mes fils, écoutez-moi, Et soyez attentifs aux paroles de ma bouche. 25 Que ton coeur ne se détourne pas vers les voies d'une telle femme, Ne t'égare pas dans ses sentiers. 26 Car elle a fait tomber beaucoup de victimes, Et ils sont nombreux, tous ceux qu'elle a tués. 27 Sa maison, c'est le chemin du séjour des morts; Il descend vers les demeures de la mort.