T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  5

1 [Fananarana tsy hijejojejo] Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,

2 Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.

3 Fa ny molotry ny vehivavy jejo* dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;[Heb. vehivavy tsy vadiny]

4 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.

5 Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]

6 Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.

7 Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.

8 Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;

9 Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;

10 Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny;

11 Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;

12 Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,

13 Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?

14 Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.

15 Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.

16 Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?

17 Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.

18 Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.

19 Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.

20 Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo* Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga? [Heb. vehivavy tsy vadiny]

21 Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.

22 Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy

23 Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.

 

Chapitre  5
5:1 My son, pay attention to my wisdom.
Turn your ear to my understanding:
5:2 that you may maintain discretion,
that your lips may preserve knowledge.
5:3 For the lips of an adulteress drip honey.
Her mouth is smoother than oil,
5:4 But in the end she is as bitter as wormwood,
and as sharp as a two-edged sword.
5:5 Her feet go down to death.
Her steps lead straight to Sheol.
5:6 She gives no thought to the way of life.
Her ways are crooked, and she doesn’t know it.
5:7 Now therefore, my sons, listen to me.
Don’t depart from the words of my mouth.
5:8 Remove your way far from her.
Don’t come near the door of her house,
5:9 lest you give your honor to others,
and your years to the cruel one;
5:10 lest strangers feast on your wealth,
and your labors enrich another man’s house.
5:11 You will groan at your latter end,
when your flesh and your body are consumed,
5:12 and say, “How I have hated instruction,
and my heart despised reproof;
5:13 neither have I obeyed the voice of my teachers,
nor turned my ear to those who instructed me!
5:14 I have come to the brink of utter ruin,
in the midst of the gathered assembly.”
5:15 Drink water out of your own cistern,
running water out of your own well.
5:16 Should your springs overflow in the streets,
streams of water in the public squares?
5:17 Let them be for yourself alone,
not for strangers with you.
5:18 Let your spring be blessed.
Rejoice in the wife of your youth.
5:19 A loving doe and a graceful deer—
let her breasts satisfy you at all times.
Be captivated always with her love.
5:20 For why should you, my son, be captivated with an adulteress?
Why embrace the bosom of another?
5:21 For the ways of man are before the eyes of Yahweh.
He examines all his paths.
5:22 The evil deeds of the wicked ensnare him.
The cords of his sin hold him firmly.
5:23 He will die for lack of instruction.
In the greatness of his folly, he will go astray.

 

Chapitre  5
1 Mon fils, sois attentif à ma sagesse, Prête l'oreille à mon intelligence, 2 Afin que tu conserves la réflexion, Et que tes lèvres gardent la connaissance. 3 Car les lèvres de l'étrangère distillent le miel, Et son palais est plus doux que l'huile; 4 Mais à la fin elle est amère comme l'absinthe, Aiguë comme un glaive à deux tranchants. 5 Ses pieds descendent vers la mort, Ses pas atteignent le séjour des morts. 6 Afin de ne pas considérer le chemin de la vie, Elle est errante dans ses voies, elle ne sait où elle va. 7 Et maintenant, mes fils, écoutez-moi, Et ne vous écartez pas des paroles de ma bouche. 8 Éloigne-toi du chemin qui conduit chez elle, Et ne t'approche pas de la porte de sa maison, 9 De peur que tu ne livres ta vigueur à d'autres, Et tes années à un homme cruel; 10 De peur que des étrangers ne se rassasient de ton bien, Et du produit de ton travail dans la maison d'autrui; 11 De peur que tu ne gémisses, près de ta fin, Quand ta chair et ton corps se consumeront, 12 Et que tu ne dises: Comment donc ai-je pu haïr la correction, Et comment mon coeur a-t-il dédaigné la réprimande? 13 Comment ai-je pu ne pas écouter la voix de mes maîtres, Ne pas prêter l'oreille à ceux qui m'instruisaient? 14 Peu s'en est fallu que je n'aie éprouvé tous les malheurs Au milieu du peuple et de l'assemblée. 15 Bois les eaux de ta citerne, Les eaux qui sortent de ton puits. 16 Tes sources doivent-elles se répandre au dehors? Tes ruisseaux doivent ils couler sur les places publiques? 17 Qu'ils soient pour toi seul, Et non pour des étrangers avec toi. 18 Que ta source soit bénie, Et fais ta joie de la femme de ta jeunesse, 19 Biche des amours, gazelle pleine de grâce: Sois en tout temps enivré de ses charmes, Sans cesse épris de son amour. 20 Et pourquoi, mon fils, serais-tu épris d'une étrangère, Et embrasserais-tu le sein d'une inconnue? 21 Car les voies de l'homme sont devant les yeux de l'Éternel, Qui observe tous ses sentiers. 22 Le méchant est pris dans ses propres iniquités, Il est saisi par les liens de son péché. 23 Il mourra faute d'instruction, Il chancellera par l'excès de sa folie.