T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  30

1 [Ny tenin'i Agora] Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake*, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala:[Na: Ny tenin'i Agora, zanak'i Jake, avy any Masa]

2 Izaho dia biby*, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho. [Na: Nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, ka lany ny heriko fa tahaka ny biby aho]

3 Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.

4 Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!

5 Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.

6 Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.

7 Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:

8 Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;

9 Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.

10 Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.

11 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.

12 Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.

13 Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!

14 Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.

15 Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:

16 Ny fiainan-tsi-hita*; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.[Heb. Sheola]

17 Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.

18 Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:

19 Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.

20 Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.

21 Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;

22 Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,

23 Raha ny vehivavy lany zara* no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova** ny tompovaviny.[*Heb. ankahalaina][**Na: mandimby]

24 Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:

25 Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;

26 Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;

27 Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;

28 Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany*, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.[Na: azonao samborin-tanana]

29 Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;

30 Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,

31 Ny soavaly voaomana hiady* sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina**. [*Heb. voafehy kibo][**Na: otronin'ny vahoakany]

32 Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.

33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.

 

Chapitre  30
30:1 The words of Agur the son of Jakeh, the oracle:

the man says to Ithiel,
to Ithiel and Ucal:
30:2 “Surely I am the most ignorant man,
and don’t have a man’s understanding.
30:3 I have not learned wisdom,
neither do I have the knowledge of the Holy One.
30:4 Who has ascended up into heaven, and descended?
Who has gathered the wind in his fists?
Who has bound the waters in his garment?
Who has established all the ends of the earth?
What is his name, and what is his son’s name, if you know?
30:5 “Every word of God is flawless.
He is a shield to those who take refuge in him.
30:6 Don’t you add to his words,
lest he reprove you, and you be found a liar.
30:7 “Two things I have asked of you;
don’t deny me before I die:
30:8 Remove far from me falsehood and lies.
Give me neither poverty nor riches.
Feed me with the food that is needful for me;
30:9 lest I be full, deny you, and say, ‘Who is Yahweh?’ or lest I be poor, and steal,
and so dishonor the name of my God.
30:10 “Don’t slander a servant to his master,
lest he curse you, and you be held guilty.
30:11 There is a generation that curses their father,
and doesn’t bless their mother.
30:12 There is a generation that is pure in their own eyes,
yet are not washed from their filthiness.
30:13 There is a generation, oh how lofty are their eyes!
Their eyelids are lifted up.
30:14 There is a generation whose teeth are like swords,
and their jaws like knives,
to devour the poor from the earth, and the needy from among men.
30:15 “The leach has two daughters:
‘Give, give.’
“There are three things that are never satisfied;
four that don’t say, ‘Enough:’
30:16 Sheol,
the barren womb;
the earth that is not satisfied with water;
and the fire that doesn’t say, ‘Enough.’
30:17 “The eye that mocks at his father,
and scorns obedience to his mother:
the ravens of the valley shall pick it out,
the young eagles shall eat it.
30:18 “There are three things which are too amazing for me,
four which I don’t understand:
30:19 The way of an eagle in the air;
the way of a serpent on a rock;
the way of a ship in the midst of the sea;
and the way of a man with a maiden.
30:20 “So is the way of an adulterous woman:
she eats and wipes her mouth,
and says, ‘I have done nothing wrong.’
30:21 “For three things the earth tremble,
and under four, it can’t bear up:
30:22 For a servant when he is king;
a fool when he is filled with food;
30:23 for an unloved woman when she is married;
and a handmaid who is heir to her mistress.
30:24 “There are four things which are little on the earth,
but they are exceedingly wise:
30:25 the ants are not a strong people,
yet they provide their food in the summer.
30:26 The conies are but a feeble folk,
yet make they their houses in the rocks.
30:27 The locusts have no king,
yet they advance in ranks.
30:28 You can catch a lizard with your hands,
yet it is in kings’ palaces.
30:29 “There are three things which are stately in their march,
four which are stately in going:
30:30 The lion, which is mightiest among animals,
and doesn’t turn away for any;
30:31 the greyhound,
the male goat also;
and the king against whom there is no rising up.
30:32 “If you have done foolishly in lifting up yourself,
or if you have thought evil,
put your hand over your mouth.
30:33 For as the churning of milk brings forth butter,
and the wringing of the nose brings forth blood;
so the forcing of wrath brings forth strife.”

 

Chapitre  30
1 Paroles d'Agur, fils de Jaké. Sentences prononcées par cet homme pour Ithiel, pour Ithiel et pour Ucal. 2 Certes, je suis plus stupide que personne, Et je n'ai pas l'intelligence d'un homme; 3 Je n'ai pas appris la sagesse, Et je ne connais pas la science des saints. 4 Qui est monté aux cieux, et qui en est descendu? Qui a recueilli le vent dans ses mains? Qui a serré les eaux dans son vêtement? Qui a fait paraître les extrémités de la terre? Quel est son nom, et quel est le nom de son fils? Le sais-tu? 5 Toute parole de Dieu est éprouvée. Il est un bouclier pour ceux qui cherchent en lui un refuge. 6 N'ajoute rien à ses paroles, De peur qu'il ne te reprenne et que tu ne sois trouvé menteur. 7 Je te demande deux choses: Ne me les refuse pas, avant que je meure! 8 Éloigne de moi la fausseté et la parole mensongère; Ne me donne ni pauvreté, ni richesse, Accorde-moi le pain qui m'est nécessaire. 9 De peur que, dans l'abondance, je ne te renie Et ne dise: Qui est l'Éternel? Ou que, dans la pauvreté, je ne dérobe, Et ne m'attaque au nom de mon Dieu. 10 Ne calomnie pas un serviteur auprès de son maître, De peur qu'il ne te maudisse et que tu ne te rendes coupable. 11 Il est une race qui maudit son père, Et qui ne bénit point sa mère. 12 Il est une race qui se croit pure, Et qui n'est pas lavée de sa souillure. 13 Il est une race dont les yeux sont hautains, Et les paupières élevées. 14 Il est une race dont les dents sont des glaives Et les mâchoires des couteaux, Pour dévorer le malheureux sur la terre Et les indigents parmi les hommes. 15 La sangsue a deux filles: Donne! donne! Trois choses sont insatiables, Quatre ne disent jamais: Assez! 16 Le séjour des morts, la femme stérile, La terre, qui n'est pas rassasiée d'eau, Et le feu, qui ne dit jamais: Assez! 17 L'oeil qui se moque d'un père Et qui dédaigne l'obéissance envers une mère, Les corbeaux du torrent le perceront, Et les petits de l'aigle le mangeront. 18 Il y a trois choses qui sont au-dessus de ma portée, Même quatre que je ne puis comprendre: 19 La trace de l'aigle dans les cieux, La trace du serpent sur le rocher, La trace du navire au milieu de la mer, Et la trace de l'homme chez la jeune femme. 20 Telle est la voie de la femme adultère: Elle mange, et s'essuie la bouche, Puis elle dit: Je n'ai point fait de mal. 21 Trois choses font trembler la terre, Et il en est quatre qu'elle ne peut supporter: 22 Un esclave qui vient à régner, Un insensé qui est rassasié de pain, 23 Une femme dédaignée qui se marie, Et une servante qui hérite de sa maîtresse. 24 Il y a sur la terre quatre animaux petits, Et cependant des plus sages; 25 Les fourmis, peuple sans force, Préparent en été leur nourriture; 26 Les damans, peuple sans puissance, Placent leur demeure dans les rochers; 27 Les sauterelles n'ont point de roi, Et elles sortent toutes par divisions; 28 Le lézard saisit avec les mains, Et se trouve dans les palais des rois. 29 Il y en a trois qui ont une belle allure, Et quatre qui ont une belle démarche: 30 Le lion, le héros des animaux, Ne reculant devant qui que ce soit; 31 Le cheval tout équipé; ou le bouc; Et le roi à qui personne ne résiste. 32 Si l'orgueil te pousse à des actes de folie, Et si tu as de mauvaises pensées, mets la main sur la bouche: 33 Car la pression du lait produit de la crème, La pression du nez produit du sang, Et la pression de la colère produit des querelles.