T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  3

1 [Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;

2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.

3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,

4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.

5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,

7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.

8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.

9 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;

10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.

11 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;

12 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.

13 [Ny fahasambaran'izay olona mahita fahendrena] Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.

14 Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.

15 Sarobidy noho ny voahangy* izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]

16 Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.

17 Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.

18 Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.

19 Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20 Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.

21 Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,

22 Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,

23 Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24 Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.

25 Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely* ny ratsy fanahy, raha avy izany; [Na: ny fandringanana avy amin'ny]

26 Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.

27 [Famporisihana hanao soa amin'olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;

28 Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.

29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.

30 Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,

32 Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.

33 Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.

34 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.

35 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.

 

Chapitre  3
3:1 My son, don’t forget my teaching;
but let your heart keep my commandments:
3:2 for length of days, and years of life,
and peace, will they add to you.
3:3 Don’t let kindness and truth forsake you.
Bind them around your neck.
Write them on the tablet of your heart.
3:4 So you will find favor, and good understanding in the sight of God and man.
3:5 Trust in Yahweh with all your heart,
and don’t lean on your own understanding.
3:6 In all your ways acknowledge him, and he will make your paths straight.
3:7 Don’t be wise in your own eyes.
Fear Yahweh, and depart from evil.
3:8 It will be health to your body,
and nourishment to your bones.
3:9 Honor Yahweh with your substance,
with the first fruits of all your increase:
3:10 so your barns will be filled with plenty,
and your vats will overflow with new wine.
3:11 My son, don’t despise Yahweh’s discipline,
neither be weary of his reproof:
3:12 for whom Yahweh loves, he reproves;
even as a father reproves the son in whom he delights.
3:13 Happy is the man who finds wisdom,
the man who gets understanding.
3:14 For her good profit is better than getting silver,
and her return is better than fine gold.
3:15 She is more precious than rubies.
None of the things you can desire are to be compared to her.
3:16 Length of days is in her right hand.
In her left hand are riches and honor.
3:17 Her ways are ways of pleasantness.
All her paths are peace.
3:18 She is a tree of life to those who lay hold of her.
Happy is everyone who retains her.
3:19 By wisdom Yahweh founded the earth.
By understanding, he established the heavens.
3:20 By his knowledge, the depths were broken up,
and the skies drop down the dew.
3:21 My son, let them not depart from your eyes.
Keep sound wisdom and discretion:
3:22 so they will be life to your soul,
and grace for your neck.
3:23 Then you shall walk in your way securely.
Your foot won’t stumble.
3:24 When you lie down, you will not be afraid.
Yes, you will lie down, and your sleep will be sweet.
3:25 Don’t be afraid of sudden fear,
neither of the desolation of the wicked, when it comes:
3:26 for Yahweh will be your confidence,
and will keep your foot from being taken.
3:27 Don’t withhold good from those to whom it is due,
when it is in the power of your hand to do it.
3:28 Don’t say to your neighbor, “Go, and come again;
tomorrow I will give it to you,”
when you have it by you.
3:29 Don’t devise evil against your neighbor,
since he dwells securely by you.
3:30 Don’t strive with a man without cause,
if he has done you no harm.
3:31 Don’t envy the man of violence.
Choose none of his ways.
3:32 For the perverse is an abomination to Yahweh,
but his friendship is with the upright.
3:33 Yahweh’s curse is in the house of the wicked,
but he blesses the habitation of the righteous.
3:34 Surely he mocks the mockers,
but he gives grace to the humble.
3:35 The wise will inherit glory,
but shame will be the promotion of fools.

 

Chapitre  3
1 Mon fils, n'oublie pas mes enseignements, Et que ton coeur garde mes préceptes; 2 Car ils prolongeront les jours et les années de ta vie, Et ils augmenteront ta paix. 3 Que la bonté et la fidélité ne t'abandonnent pas; Lie-les à ton cou, écris-les sur la table de ton coeur. 4 Tu acquerras ainsi de la grâce et une raison saine, Aux yeux de Dieu et des hommes. 5 Confie-toi en l'Éternel de tout ton coeur, Et ne t'appuie pas sur ta sagesse; 6 Reconnais-le dans toutes tes voies, Et il aplanira tes sentiers. 7 Ne sois point sage à tes propres yeux, Crains l'Éternel, et détourne-toi du mal: 8 Ce sera la santé pour tes muscles, Et un rafraîchissement pour tes os. 9 Honore l'Éternel avec tes biens, Et avec les prémices de tout ton revenu: 10 Alors tes greniers seront remplis d'abondance, Et tes cuves regorgeront de moût. 11 Mon fils, ne méprise pas la correction de l'Éternel, Et ne t'effraie point de ses châtiments; 12 Car l'Éternel châtie celui qu'il aime, Comme un père l'enfant qu'il chérit. 13 Heureux l'homme qui a trouvé la sagesse, Et l'homme qui possède l'intelligence! 14 Car le gain qu'elle procure est préférable à celui de l'argent, Et le profit qu'on en tire vaut mieux que l'or; 15 Elle est plus précieuse que les perles, Elle a plus de valeur que tous les objets de prix. 16 Dans sa droite est une longue vie; Dans sa gauche, la richesse et la gloire. 17 Ses voies sont des voies agréables, Et tous ses sentiers sont paisibles. 18 Elle est un arbre de vie pour ceux qui la saisissent, Et ceux qui la possèdent sont heureux. 19 C'est par la sagesse que l'Éternel a fondé la terre, C'est par l'intelligence qu'il a affermi les cieux; 20 C'est par sa science que les abîmes se sont ouverts, Et que les nuages distillent la rosée. 21 Mon fils, que ces enseignements ne s'éloignent pas de tes yeux, Garde la sagesse et la réflexion: 22 Elles seront la vie de ton âme, Et l'ornement de ton cou. 23 Alors tu marcheras avec assurance dans ton chemin, Et ton pied ne heurtera pas. 24 Si tu te couches, tu seras sans crainte; Et quand tu seras couché, ton sommeil sera doux. 25 Ne redoute ni une terreur soudaine, Ni une attaque de la part des méchants; 26 Car l'Éternel sera ton assurance, Et il préservera ton pied de toute embûche. 27 Ne refuse pas un bienfait à celui qui y a droit, Quand tu as le pouvoir de l'accorder. 28 Ne dis pas à ton prochain: Va et reviens, Demain je donnerai! quand tu as de quoi donner. 29 Ne médite pas le mal contre ton prochain, Lorsqu'il demeure tranquillement près de toi. 30 Ne conteste pas sans motif avec quelqu'un, Lorsqu'il ne t'a point fait de mal. 31 Ne porte pas envie à l'homme violent, Et ne choisis aucune de ses voies. 32 Car l'Éternel a en horreur les hommes pervers, Mais il est un ami pour les hommes droits; 33 La malédiction de l'Éternel est dans la maison du méchant, Mais il bénit la demeure des justes; 34 Il se moque des moqueurs, Mais il fait grâce aux humbles; 35 Les sages hériteront la gloire, Mais les insensés ont la honte en partage.