T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  27

1 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.

2 Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.

3 Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.

4 Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?

5 Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.

6 Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.

7 Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.

8 Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.

9 Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.

10 Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.

11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.

12 Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

13 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.

14 Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.

15 Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.

16 Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina* diloilo ny tànany ankavanana.[Na: mihatra amin'ny]

17 Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.

18 Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.

19 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.

20 Ny fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.[Heb. Sheola]

21 Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.

22 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.

23 Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;

24 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?

25 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,

26 Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;

27 Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.

 

Chapitre  27
27:1 Don’t boast about tomorrow;
for you don’t know what a day may bring forth.
27:2 Let another man praise you,
and not your own mouth;
a stranger, and not your own lips.
27:3 A stone is heavy,
and sand is a burden;
but a fool’s provocation is heavier than both.
27:4 Wrath is cruel,
and anger is overwhelming;
but who is able to stand before jealousy?
27:5 Better is open rebuke
than hidden love.
27:6 Faithful are the wounds of a friend;
although the kisses of an enemy are profuse.
27:7 A full soul loathes a honeycomb;
but to a hungry soul, every bitter thing is sweet.
27:8 As a bird that wanders from her nest,
so is a man who wanders from his home.
27:9 Perfume and incense bring joy to the heart;
so does earnest counsel from a man’s friend.
27:10 Don’t forsake your friend and your father’s friend.
Don’t go to your brother’s house in the day of your disaster:
better is a neighbor who is near than a distant brother.
27:11 Be wise, my son,
and bring joy to my heart,
then I can answer my tormentor.
27:12 A prudent man sees danger and takes refuge;
but the simple pass on, and suffer for it.
27:13 Take his garment when he puts up collateral for a stranger.
Hold it for a wayward woman!
27:14 He who blesses his neighbor with a loud voice early in the morning,
it will be taken as a curse by him.
27:15 A continual dropping on a rainy day
and a contentious wife are alike:
27:16 restraining her is like restraining the wind,
or like grasping oil in his right hand.
27:17 Iron sharpens iron;
so a man sharpens his friend’s countenance.
27:18 Whoever tends the fig tree shall eat its fruit.
He who looks after his master shall be honored.
27:19 As water reflects a face,
so a man’s heart reflects the man.
27:20 Sheol and Abaddon are never satisfied;
and a man’s eyes are never satisfied.
27:21 The crucible is for silver,
and the furnace for gold;
but man is refined by his praise.
27:22 Though you grind a fool in a mortar with a pestle along with grain,
yet his foolishness will not be removed from him.
27:23 Know well the state of your flocks,
and pay attention to your herds:
27:24 for riches are not forever,
nor does even the crown endure to all generations.
27:25 The hay is removed, and the new growth appears,
the grasses of the hills are gathered in.
27:26 The lambs are for your clothing,
and the goats are the price of a field.
27:27 There will be plenty of goats’ milk for your food,
for your family’s food,
and for the nourishment of your servant girls.

 

Chapitre  27
1 Ne te vante pas du lendemain, Car tu ne sais pas ce qu'un jour peut enfanter. 2 Qu'un autre te loue, et non ta bouche, Un étranger, et non tes lèvres. 3 La pierre est pesante et le sable est lourd, Mais l'humeur de l'insensé pèse plus que l'un et l'autre. 4 La fureur est cruelle et la colère impétueuse, Mais qui résistera devant la jalousie? 5 Mieux vaut une réprimande ouverte Qu'une amitié cachée. 6 Les blessures d'un ami prouvent sa fidélité, Mais les baisers d'un ennemi sont trompeurs. 7 Celui qui est rassasié foule aux pieds le rayon de miel, Mais celui qui a faim trouve doux tout ce qui est amer. 8 Comme l'oiseau qui erre loin de son nid, Ainsi est l'homme qui erre loin de son lieu. 9 L'huile et les parfums réjouissent le coeur, Et les conseils affectueux d'un ami sont doux. 10 N'abandonne pas ton ami et l'ami de ton père, Et n'entre pas dans la maison de ton frère au jour de ta détresse; Mieux vaut un voisin proche qu'un frère éloigné. 11 Mon fils, sois sage, et réjouis mon coeur, Et je pourrai répondre à celui qui m'outrage. 12 L'homme prudent voit le mal et se cache; Les simples avancent et sont punis. 13 Prends son vêtement, car il a cautionné autrui; Exige de lui des gages, à cause des étrangers. 14 Si l'on bénit son prochain à haute voix et de grand matin, Cela est envisagé comme une malédiction. 15 Une gouttière continue dans un jour de pluie Et une femme querelleuse sont choses semblables. 16 Celui qui la retient retient le vent, Et sa main saisit de l'huile. 17 Comme le fer aiguise le fer, Ainsi un homme excite la colère d'un homme. 18 Celui qui soigne un figuier en mangera le fruit, Et celui qui garde son maître sera honoré. 19 Comme dans l'eau le visage répond au visage, Ainsi le coeur de l'homme répond au coeur de l'homme. 20 Le séjour des morts et l'abîme sont insatiables; De même les yeux de l'homme sont insatiables. 21 Le creuset est pour l'argent, et le fourneau pour l'or; Mais un homme est jugé d'après sa renommée. 22 Quand tu pilerais l'insensé dans un mortier, Au milieu des grains avec le pilon, Sa folie ne se séparerait pas de lui. 23 Connais bien chacune de tes brebis, Donne tes soins à tes troupeaux; 24 Car la richesse ne dure pas toujours, Ni une couronne éternellement. 25 Le foin s'enlève, la verdure paraît, Et les herbes des montagnes sont recueillies. 26 Les agneaux sont pour te vêtir, Et les boucs pour payer le champ; 27 Le lait des chèvres suffit à ta nourriture, à celle de ta maison, Et à l'entretien de tes servantes.