T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  25

1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no ohabolan'i Solomona, izay nangonin*'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:[Heb. nafindran']

2 Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.

3 Ny hahavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany Ary ny fon'ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.

4 Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an'ny mpanao an-idina.

5 Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana ny seza fiandrianany.

6 Aza manandra-tena eo anatrehan'ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;

7 Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny masonao.

8 Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny namanao henatra ianao.

9 Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,

10 Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.

11 Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra*.[Na: poma volamena misy ravaka volafotsy]

12 Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.

13 Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.

14 Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.

15 Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava* malefaka mahatapa-taolana.[(Heb. lela]

16 Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.

17 Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.

18 Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.

19 Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.

20 Toy ny miala lamba amin'ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin'ny malahelo am-po.

21 Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;

22 Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.

23 Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.

24 Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.

25 Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.

26 Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,

27 Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra*.[Na: Fa ny fandinihana izay sarotra dia voninahitra (na: mavesatra)]

28 Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.

 

Chapitre  25
25:1 These also are proverbs of Solomon, which the men of Hezekiah king of Judah copied out.

25:2 It is the glory of God to conceal a thing,
but the glory of kings is to search out a matter.
25:3 As the heavens for height, and the earth for depth,
so the hearts of kings are unsearchable.
25:4 Take away the dross from the silver,
and material comes out for the refiner;
25:5 Take away the wicked from the king’s presence,
and his throne will be established in righteousness.
25:6 Don’t exalt yourself in the presence of the king,
or claim a place among great men;
25:7 for it is better that it be said to you, “Come up here,”
than that you should be put lower in the presence of the prince,
whom your eyes have seen.
25:8 Don’t be hasty in bringing charges to court.
What will you do in the end when your neighbor shames you?
25:9 Debate your case with your neighbor,
and don’t betray the confidence of another;
25:10 lest one who hears it put you to shame,
and your bad reputation never depart.
25:11 A word fitly spoken
is like apples of gold in settings of silver.
25:12 As an earring of gold, and an ornament of fine gold,
so is a wise reprover to an obedient ear.
25:13 As the cold of snow in the time of harvest,
so is a faithful messenger to those who send him;
for he refreshes the soul of his masters.
25:14 As clouds and wind without rain,
so is he who boasts of gifts deceptively.
25:15 By patience a ruler is persuaded.
A soft tongue breaks the bone.
25:16 Have you found honey?
Eat as much as is sufficient for you,
lest you eat too much, and vomit it.
25:17 Let your foot be seldom in your neighbor’s house,
lest he be weary of you, and hate you.
25:18 A man who gives false testimony against his neighbor
is like a club, a sword, or a sharp arrow.
25:19 Confidence in someone unfaithful in time of trouble
is like a bad tooth, or a lame foot.
25:20 As one who takes away a garment in cold weather,
or vinegar on soda,
so is one who sings songs to a heavy heart.
25:21 If your enemy is hungry, give him food to eat.
If he is thirsty, give him water to drink:
25:22 for you will heap coals of fire on his head,
and Yahweh will reward you.
25:23 The north wind brings forth rain:
so a backbiting tongue brings an angry face.
25:24 It is better to dwell in the corner of the housetop,
than to share a house with a contentious woman.
25:25 Like cold water to a thirsty soul,
so is good news from a far country.
25:26 Like a muddied spring, and a polluted well,
so is a righteous man who gives way before the wicked.
25:27 It is not good to eat much honey;
nor is it honorable to seek one’s own honor.
25:28 Like a city that is broken down and without walls
is a man whose spirit is without restraint.

 

Chapitre  25
1 Voici encore des Proverbes de Salomon, recueillis par les gens d'Ézéchias, roi de Juda. 2 La gloire de Dieu, c'est de cacher les choses; La gloire des rois, c'est de sonder les choses. 3 Les cieux dans leur hauteur, la terre dans sa profondeur, Et le coeur des rois, sont impénétrables. 4 Ote de l'argent les scories, Et il en sortira un vase pour le fondeur. 5 Ote le méchant de devant le roi, Et son trône s'affermira par la justice. 6 Ne t'élève pas devant le roi, Et ne prends pas la place des grands; 7 Car il vaut mieux qu'on te dise: Monte-ici! Que si l'on t'abaisse devant le prince que tes yeux voient. 8 Ne te hâte pas d'entrer en contestation, De peur qu'à la fin tu ne saches que faire, Lorsque ton prochain t'aura outragé. 9 Défends ta cause contre ton prochain, Mais ne révèle pas le secret d'un autre, 10 De peur qu'en l'apprenant il ne te couvre de honte, Et que ta mauvaise renommée ne s'efface pas. 11 Comme des pommes d'or sur des ciselures d'argent, Ainsi est une parole dite à propos. 12 Comme un anneau d'or et une parure d'or fin, Ainsi pour une oreille docile est le sage qui réprimande. 13 Comme la fraîcheur de la neige au temps de la moisson, Ainsi est un messager fidèle pour celui qui l'envoie; Il restaure l'âme de son maître. 14 Comme des nuages et du vent sans pluie, Ainsi est un homme se glorifiant à tort de ses libéralités. 15 Par la lenteur à la colère on fléchit un prince, Et une langue douce peut briser des os. 16 Si tu trouves du miel, n'en mange que ce qui te suffit, De peur que tu n'en sois rassasié et que tu ne le vomisses. 17 Mets rarement le pied dans la maison de ton prochain, De peur qu'il ne soit rassasié de toi et qu'il ne te haïsse. 18 Comme une massue, une épée et une flèche aiguë, Ainsi est un homme qui porte un faux témoignage contre son prochain. 19 Comme une dent cassée et un pied qui chancelle, Ainsi est la confiance en un perfide au jour de la détresse. 20 Oter son vêtement dans un jour froid, Répandre du vinaigre sur du nitre, C'est dire des chansons à un coeur attristé. 21 Si ton ennemi a faim, donne-lui du pain à manger; S'il a soif, donne-lui de l'eau à boire. 22 Car ce sont des charbons ardents que tu amasses sur sa tête, Et l'Éternel te récompensera. 23 Le vent du nord enfante la pluie, Et la langue mystérieuse un visage irrité. 24 Mieux vaut habiter à l'angle d'un toit, Que de partager la demeure d'une femme querelleuse. 25 Comme de l'eau fraîche pour une personne fatiguée, Ainsi est une bonne nouvelle venant d'une terre lointaine. 26 Comme une fontaine troublée et une source corrompue, Ainsi est le juste qui chancelle devant le méchant. 27 Il n'est pas bon de manger beaucoup de miel, Mais rechercher la gloire des autres est un honneur. 28 Comme une ville forcée et sans murailles, Ainsi est l'homme qui n'est pas maître de lui-même.