T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  21

1 Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.

2 Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.

3 Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.

4 Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron*'ny ratsy fanahy dia ota.[Na: asan']

5 Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.

6 Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.

7 Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.

8 Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.

9 Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.

10 Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.

11 Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.

12 Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.

13 Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.

14 Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.

15 Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.

16 Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.

17 Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.

18 Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.

19 Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.

20 Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.

21 Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.

22 Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.

23 Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.

24 Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.

25 Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;

26 Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.

27 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.

28 Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.

29 Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.

30 Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.

31 Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.

 

Chapitre  21
21:1 The king’s heart is in Yahweh’s hand like the watercourses.
He turns it wherever he desires.
21:2 Every way of a man is right in his own eyes,
but Yahweh weighs the hearts.
21:3 To do righteousness and justice
is more acceptable to Yahweh than sacrifice.
21:4 A high look, and a proud heart,
the lamp of the wicked, is sin.
21:5 The plans of the diligent surely lead to profit;
and everyone who is hasty surely rushes to poverty.
21:6 Getting treasures by a lying tongue
is a fleeting vapor for those who seek death.
21:7 The violence of the wicked will drive them away,
because they refuse to do what is right.
21:8 The way of the guilty is devious,
but the conduct of the innocent is upright.
21:9 It is better to dwell in the corner of the housetop,
than to share a house with a contentious woman.
21:10 The soul of the wicked desires evil;
his neighbor finds no mercy in his eyes.
21:11 When the mocker is punished, the simple gains wisdom.
When the wise is instructed, he receives knowledge.
21:12 The Righteous One considers the house of the wicked,
and brings the wicked to ruin.
21:13 Whoever stops his ears at the cry of the poor,
he will also cry out, but shall not be heard.
21:14 A gift in secret pacifies anger;
and a bribe in the cloak, strong wrath.
21:15 It is joy to the righteous to do justice;
but it is a destruction to the workers of iniquity.
21:16 The man who wanders out of the way of understanding
shall rest in the assembly of the dead.
21:17 He who loves pleasure shall be a poor man.
He who loves wine and oil shall not be rich.
21:18 The wicked is a ransom for the righteous;
the treacherous for the upright.
21:19 It is better to dwell in a desert land,
than with a contentious and fretful woman.
21:20 There is precious treasure and oil in the dwelling of the wise;
but a foolish man swallows it up.
21:21 He who follows after righteousness and kindness
finds life, righteousness, and honor.
21:22 A wise man scales the city of the mighty,
and brings down the strength of its confidence.
21:23 Whoever guards his mouth and his tongue
keeps his soul from troubles.
21:24 The proud and haughty man, “scoffer” is his name;
he works in the arrogance of pride.
21:25 The desire of the sluggard kills him,
for his hands refuse to labor.
21:26 There are those who covet greedily all day long;
but the righteous give and don’t withhold.
21:27 The sacrifice of the wicked is an abomination:
how much more, when he brings it with a wicked mind!
21:28 A false witness will perish,
and a man who listens speaks to eternity.
21:29 A wicked man hardens his face;
but as for the upright, he establishes his ways.
21:30 There is no wisdom nor understanding
nor counsel against Yahweh.
21:31 The horse is prepared for the day of battle;
but victory is with Yahweh.

 

Chapitre  21
1 Le coeur du roi est un courant d'eau dans la main de l'Éternel; Il l'incline partout où il veut. 2 Toutes les voies de l'homme sont droites à ses yeux; Mais celui qui pèse les coeurs, c'est l'Éternel. 3 La pratique de la justice et de l'équité, Voilà ce que l'Éternel préfère aux sacrifices. 4 Des regards hautains et un coeur qui s'enfle, Cette lampe des méchants, ce n'est que péché. 5 Les projets de l'homme diligent ne mènent qu'à l'abondance, Mais celui qui agit avec précipitation n'arrive qu'à la disette. 6 Des trésors acquis par une langue mensongère Sont une vanité fugitive et l'avant-coureur de la mort. 7 La violence des méchants les emporte, Parce qu'ils refusent de faire ce qui est juste. 8 Le coupable suit des voies détournées, Mais l'innocent agit avec droiture. 9 Mieux vaut habiter à l'angle d'un toit, Que de partager la demeure d'une femme querelleuse. 10 L'âme du méchant désire le mal; Son ami ne trouve pas grâce à ses yeux. 11 Quand on châtie le moqueur, le sot devient sage; Et quand on instruit le sage, il accueille la science. 12 Le juste considère la maison du méchant; L'Éternel précipite les méchants dans le malheur. 13 Celui qui ferme son oreille au cri du pauvre Criera lui-même et n'aura point de réponse. 14 Un don fait en secret apaise la colère, Et un présent fait en cachette calme une fureur violente. 15 C'est une joie pour le juste de pratiquer la justice, Mais la ruine est pour ceux qui font le mal. 16 L'homme qui s'écarte du chemin de la sagesse Reposera dans l'assemblée des morts. 17 Celui qui aime la joie reste dans l'indigence; Celui qui aime le vin et l'huile ne s'enrichit pas. 18 Le méchant sert de rançon pour le juste, Et le perfide pour les hommes droits. 19 Mieux vaut habiter dans une terre déserte, Qu'avec une femme querelleuse et irritable. 20 De précieux trésors et de l'huile sont dans la demeure du sage; Mais l'homme insensé les engloutit. 21 Celui qui poursuit la justice et la bonté Trouve la vie, la justice et la gloire. 22 Le sage monte dans la ville des héros, Et il abat la force qui lui donnait de l'assurance. 23 Celui qui veille sur sa bouche et sur sa langue Préserve son âme des angoisses. 24 L'orgueilleux, le hautain, s'appelle un moqueur; Il agit avec la fureur de l'arrogance. 25 Les désirs du paresseux le tuent, Parce que ses mains refusent de travailler; 26 Tout le jour il éprouve des désirs; Mais le juste donne sans parcimonie. 27 Le sacrifice des méchants est quelque chose d'abominable; Combien plus quand ils l'offrent avec des pensées criminelles! 28 Le témoin menteur périra, Mais l'homme qui écoute parlera toujours. 29 Le méchant prend un air effronté, Mais l'homme droit affermit sa voie. 30 Il n'y a ni sagesse, ni intelligence, Ni conseil, en face de l'Éternel. 31 Le cheval est équipé pour le jour de la bataille, Mais la délivrance appartient à l'Éternel.