T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  19

1 Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.

2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.

3 Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.

4 Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.

5 Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.

6 Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.

7 Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy* izy.[Heb. manenjika teny tsy misy]

8 Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.

9 Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.

10 Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.

11 Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.

 

12 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.

13 Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.

14 Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.

15 Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.

16 Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy*; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.[Na: ny fanahiny]

17 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.

18 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.

19 Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.

20 Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay hiafaranao*.[Na: any aoriana]

21 Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.

22 Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.

23 Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.

24 Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.

25 Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.

26 Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.

27 Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana*.[Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin'ny fahalalana ianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra]

28 Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.

29 Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.

 

Chapitre  19
19:1 Better is the poor who walks in his integrity
than he who is perverse in his lips and is a fool.
19:2 It isn’t good to have zeal without knowledge;
nor being hasty with one’s feet and missing the way.
19:3 The foolishness of man subverts his way;
his heart rages against Yahweh.
19:4 Wealth adds many friends,
but the poor is separated from his friend.
19:5 A false witness shall not be unpunished.
He who pours out lies shall not go free.
19:6 Many will entreat the favor of a ruler,
and everyone is a friend to a man who gives gifts.
19:7 All the relatives of the poor shun him:
how much more do his friends avoid him!
He pursues them with pleas, but they are gone.
19:8 He who gets wisdom loves his own soul.
He who keeps understanding shall find good.
19:9 A false witness shall not be unpunished.
He who utters lies shall perish.
19:10 Delicate living is not appropriate for a fool,
much less for a servant to have rule over princes.
19:11 The discretion of a man makes him slow to anger.
It is his glory to overlook an offense.
19:12 The king’s wrath is like the roaring of a lion,
but his favor is like dew on the grass.
19:13 A foolish son is the calamity of his father.
A wife’s quarrels are a continual dripping.
19:14 House and riches are an inheritance from fathers,
but a prudent wife is from Yahweh.
19:15 Slothfulness casts into a deep sleep.
The idle soul shall suffer hunger.
19:16 He who keeps the commandment keeps his soul,
but he who is contemptuous in his ways shall die.
19:17 He who has pity on the poor lends to Yahweh;
he will reward him.
19:18 Discipline your son, for there is hope;
don’t be a willing party to his death.
19:19 A hot-tempered man must pay the penalty,
for if you rescue him, you must do it again.
19:20 Listen to counsel and receive instruction,
that you may be wise in your latter end.
19:21 There are many plans in a man’s heart,
but Yahweh’s counsel will prevail.
19:22 That which makes a man to be desired is his kindness.
A poor man is better than a liar.
19:23 The fear of Yahweh leads to life, then contentment;
he rests and will not be touched by trouble.
19:24 The sluggard buries his hand in the dish;
he will not so much as bring it to his mouth again.
19:25 Flog a scoffer, and the simple will learn prudence;
rebuke one who has understanding, and he will gain knowledge.
19:26 He who robs his father and drives away his mother,
is a son who causes shame and brings reproach.
19:27 If you stop listening to instruction, my son,
you will stray from the words of knowledge.
19:28 A corrupt witness mocks justice,
and the mouth of the wicked gulps down iniquity.
19:29 Penalties are prepared for scoffers,
and beatings for the backs of fools.

 

Chapitre  19
1 Mieux vaut le pauvre qui marche dans son intégrité, Que l'homme qui a des lèvres perverses et qui est un insensé. 2 Le manque de science n'est bon pour personne, Et celui qui précipite ses pas tombe dans le péché. 3 La folie de l'homme pervertit sa voie, Et c'est contre l'Éternel que son coeur s'irrite. 4 La richesse procure un grand nombre d'amis, Mais le pauvre est séparé de son ami. 5 Le faux témoin ne restera pas impuni, Et celui qui dit des mensonges n'échappera pas. 6 Beaucoup de gens flattent l'homme généreux, Et tous sont les amis de celui qui fait des présents. 7 Tous les frères du pauvre le haïssent; Combien plus ses amis s'éloignent-ils de lui! Il leur adresse des paroles suppliantes, mais ils disparaissent. 8 Celui qui acquiert du sens aime son âme; Celui qui garde l'intelligence trouve le bonheur. 9 Le faux témoin ne restera pas impuni, Et celui qui dit des mensonges périra. 10 Il ne sied pas à un insensé de vivre dans les délices; Combien moins à un esclave de dominer sur des princes! 11 L'homme qui a de la sagesse est lent à la colère, Et il met sa gloire à oublier les offenses. 12 La colère du roi est comme le rugissement d'un lion, Et sa faveur est comme la rosée sur l'herbe. 13 Un fils insensé est une calamité pour son père, Et les querelles d'une femme sont une gouttière sans fin. 14 On peut hériter de ses pères une maison et des richesses, Mais une femme intelligente est un don de l'Éternel. 15 La paresse fait tomber dans l'assoupissement, Et l'âme nonchalante éprouve la faim. 16 Celui qui garde ce qui est commandé garde son âme; Celui qui ne veille pas sur sa voie mourra. 17 Celui qui a pitié du pauvre prête à l'Éternel, Qui lui rendra selon son oeuvre. 18 Châtie ton fils, car il y a encore de l'espérance; Mais ne désire point le faire mourir. 19 Celui que la colère emporte doit en subir la peine; Car si tu le libères, tu devras y revenir. 20 Écoute les conseils, et reçois l'instruction, Afin que tu sois sage dans la suite de ta vie. 21 Il y a dans le coeur de l'homme beaucoup de projets, Mais c'est le dessein de l'Éternel qui s'accomplit. 22 Ce qui fait le charme d'un homme, c'est sa bonté; Et mieux vaut un pauvre qu'un menteur. 23 La crainte de l'Éternel mène à la vie, Et l'on passe la nuit rassasié, sans être visité par le malheur. 24 Le paresseux plonge sa main dans le plat, Et il ne la ramène pas à sa bouche. 25 Frappe le moqueur, et le sot deviendra sage; Reprends l'homme intelligent, et il comprendra la science. 26 Celui qui ruine son père et qui met en fuite sa mère Est un fils qui fait honte et qui fait rougir. 27 Cesse, mon fils, d'écouter l'instruction, Si c'est pour t'éloigner des paroles de la science. 28 Un témoin pervers se moque de la justice, Et la bouche des méchants dévore l'iniquité. 29 Les châtiments sont prêts pour les moqueurs, Et les coups pour le dos des insensés.