T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  13

1 Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.

2 Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.

3 Izay mahambim-bava no miaro ny ainy*; Fa izay vavàna dia haringana.[Na: ny fanahiny]

4 Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.

5 Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.

6 Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.

7 Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.

8 Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.

9 Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra*; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]

10 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.

11 Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.

12 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.

13 Izay manamavo ny teny ho voasingony*; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena]

14 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.

15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.

16 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;

17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana]

18 Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.

19 Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka*; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. [Na: efa mitranga]

20 Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza*.[Na: ho ratsy]

21 Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.

22 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.

23 Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.

24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.

25 Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.

 

Chapitre  13
13:1 A wise son listens to his father’s instruction,
but a scoffer doesn’t listen to rebuke.
13:2 By the fruit of his lips, a man enjoys good things;
but the unfaithful crave violence.
13:3 He who guards his mouth guards his soul.
One who opens wide his lips comes to ruin.
13:4 The soul of the sluggard desires, and has nothing,
but the desire of the diligent shall be fully satisfied.
13:5 A righteous man hates lies,
but a wicked man brings shame and disgrace.
13:6 Righteousness guards the way of integrity,
but wickedness overthrows the sinner.
13:7 There are some who pretend to be rich, yet have nothing.
There are some who pretend to be poor, yet have great wealth.
13:8 The ransom of a man’s life is his riches,
but the poor hear no threats.
13:9 The light of the righteous shines brightly,
but the lamp of the wicked is snuffed out.
13:10 Pride only breeds quarrels,
but with ones who take advice is wisdom.
13:11 Wealth gained dishonestly dwindles away,
but he who gathers by hand makes it grow.
13:12 Hope deferred makes the heart sick,
but when longing is fulfilled, it is a tree of life.
13:13 Whoever despises instruction will pay for it,
but he who respects a command will be rewarded.
13:14 The teaching of the wise is a spring of life,
to turn from the snares of death.
13:15 Good understanding wins favor;
but the way of the unfaithful is hard.
13:16 Every prudent man acts from knowledge,
but a fool exposes folly.
13:17 A wicked messenger falls into trouble,
but a trustworthy envoy gains healing.
13:18 Poverty and shame come to him who refuses discipline,
but he who heeds correction shall be honored.
13:19 Longing fulfilled is sweet to the soul,
but fools detest turning from evil.
13:20 One who walks with wise men grows wise,
but a companion of fools suffers harm.
13:21 Misfortune pursues sinners,
but prosperity rewards the righteous.
13:22 A good man leaves an inheritance to his children’s children,
but the wealth of the sinner is stored for the righteous.
13:23 An abundance of food is in poor people’s fields,
but injustice sweeps it away.
13:24 One who spares the rod hates his son,
but one who loves him is careful to discipline him.
13:25 The righteous one eats to the satisfying of his soul,
but the belly of the wicked goes hungry.

 

Chapitre  13
1 Un fils sage écoute l'instruction de son père, Mais le moqueur n'écoute pas la réprimande. 2 Par le fruit de la bouche on jouit du bien; Mais ce que désirent les perfides, c'est la violence. 3 Celui qui veille sur sa bouche garde son âme; Celui qui ouvre de grandes lèvres court à sa perte. 4 L'âme du paresseux a des désirs qu'il ne peut satisfaire; Mais l'âme des hommes diligents sera rassasiée. 5 Le juste hait les paroles mensongères; Le méchant se rend odieux et se couvre de honte. 6 La justice garde celui dont la voie est intègre, Mais la méchanceté cause la ruine du pécheur. 7 Tel fait le riche et n'a rien du tout, Tel fait le pauvre et a de grands biens. 8 La richesse d'un homme sert de rançon pour sa vie, Mais le pauvre n'écoute pas la réprimande. 9 La lumière des justes est joyeuse, Mais la lampe des méchants s'éteint. 10 C'est seulement par orgueil qu'on excite des querelles, Mais la sagesse est avec ceux qui écoutent les conseils. 11 La richesse mal acquise diminue, Mais celui qui amasse peu à peu l'augmente. 12 Un espoir différé rend le coeur malade, Mais un désir accompli est un arbre de vie. 13 Celui qui méprise la parole se perd, Mais celui qui craint le précepte est récompensé. 14 L'enseignement du sage est une source de vie, Pour détourner des pièges de la mort. 15 Une raison saine a pour fruit la grâce, Mais la voie des perfides est rude. 16 Tout homme prudent agit avec connaissance, Mais l'insensé fait étalage de folie. 17 Un envoyé méchant tombe dans le malheur, Mais un messager fidèle apporte la guérison. 18 La pauvreté et la honte sont le partage de celui qui rejette la correction, Mais celui qui a égard à la réprimande est honoré. 19 Un désir accompli est doux à l'âme, Mais s'éloigner du mal fait horreur aux insensés. 20 Celui qui fréquente les sages devient sage, Mais celui qui se plaît avec les insensés s'en trouve mal. 21 Le malheur poursuit ceux qui pèchent, Mais le bonheur récompense les justes. 22 L'homme de bien a pour héritiers les enfants de ses enfants, Mais les richesses du pécheur sont réservées pour le juste. 23 Le champ que défriche le pauvre donne une nourriture abondante, Mais tel périt par défaut de justice. 24 Celui qui ménage sa verge hait son fils, Mais celui qui l'aime cherche à le corriger. 25 Le juste mange et satisfait son appétit, Mais le ventre des méchants éprouve la disette.