T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre  1

1 [Fitarihan-teny] Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely:

2 Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;

3 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;

4 Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.

5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;

6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.

7 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.

8 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;

9 Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.

10 Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.

11 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;

12 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita* Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola]

13 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;

14 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:

15 Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;

16 Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.

17 Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.

18 Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.

19 Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.

20 [Fiantsoana sy fananarana ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;

21 Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:

22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?

23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.

24 Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;

25 Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:

26 Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.

27 Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,

28 Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.

29 Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,

30 Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,

31 Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.

32 Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.

33 Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.

 

Chapitre  1
1:1 The proverbs of Solomon, the son of David, king of Israel:

1:2 to know wisdom and instruction; to discern the words of understanding;
1:3 to receive instruction in wise dealing, in righteousness, justice, and equity;
1:4 to give prudence to the simple, knowledge and discretion to the young man:
1:5 that the wise man may hear, and increase in learning;
that the man of understanding may attain to sound counsel:
1:6 to understand a proverb, and parables, the words and riddles of the wise.
1:7 The fear of Yahweh is the beginning of knowledge;
but the foolish despise wisdom and instruction.
1:8 My son, listen to your father’s instruction,
and don’t forsake your mother’s teaching:
1:9 for they will be a garland to grace your head,
and chains around your neck.
1:10 My son, if sinners entice you, don’t consent.
1:11 If they say, “Come with us, Let’s lay in wait for blood;
let’s lurk secretly for the innocent without cause;
1:12 let’s swallow them up alive like Sheol,
and whole, like those who go down into the pit.
1:13 We’ll find all valuable wealth. We’ll fill our houses with spoil.
1:14 You shall cast your lot among us. We’ll all have one purse.”
1:15 My son, don’t walk in the way with them.
Keep your foot from their path,
1:16 for their feet run to evil. They hurry to shed blood.
1:17 For in vain is the net spread in the sight of any bird:
1:18 but these lay wait for their own blood. They lurk secretly for their own lives.
1:19 So are the ways of everyone who is greedy for gain. It takes away the life of its owners.
1:20 Wisdom calls aloud in the street.
She utters her voice in the public squares.
1:21 She calls at the head of noisy places.
At the entrance of the city gates, she utters her words:
1:22 “How long, you simple ones, will you love simplicity? How long will mockers delight themselves in mockery, and fools hate knowledge?
1:23 Turn at my reproof. Behold, I will pour out my spirit on you.
I will make known my words to you.
1:24 Because I have called, and you have refused;
I have stretched out my hand, and no one has paid attention;
1:25 but you have ignored all my counsel, and wanted none of my reproof;
1:26 I also will laugh at your disaster. I will mock when calamity overtakes you;
1:27 when calamity overtakes you like a storm,
when your disaster comes on like a whirlwind;
when distress and anguish come on you.
1:28 Then will they call on me, but I will not answer.
They will seek me diligently, but they will not find me;
1:29 because they hated knowledge,
and didn’t choose the fear of Yahweh.
1:30 They wanted none of my counsel. They despised all my reproof.
1:31 Therefore they will eat of the fruit of their own way, and be filled with their own schemes.
1:32 For the backsliding of the simple will kill them.
The careless ease of fools will destroy them.
1:33 But whoever listens to me will dwell securely,
and will be at ease, without fear of harm.”

 

Chapitre  1
1 Proverbes de Salomon, fils de David, roi d'Israël, 2 Pour connaître la sagesse et l'instruction, Pour comprendre les paroles de l'intelligence; 3 Pour recevoir des leçons de bon sens, De justice, d'équité et de droiture; 4 Pour donner aux simples du discernement, Au jeune homme de la connaissance et de la réflexion. 5 Que le sage écoute, et il augmentera son savoir, Et celui qui est intelligent acquerra de l'habileté, 6 Pour saisir le sens d'un proverbe ou d'une énigme, Des paroles des sages et de leurs sentences. 7 La crainte de l'Éternel est le commencement de la science; Les insensés méprisent la sagesse et l'instruction. 8 Écoute, mon fils, l'instruction de ton père, Et ne rejette pas l'enseignement de ta mère; 9 Car c'est une couronne de grâce pour ta tête, Et une parure pour ton cou. 10 Mon fils, si des pécheurs veulent te séduire, Ne te laisse pas gagner. 11 S'ils disent: Viens avec nous! dressons des embûches, versons du sang, Tendons des pièges à celui qui se repose en vain sur son innocence, 12 Engloutissons-les tout vifs, comme le séjour des morts, Et tout entiers, comme ceux qui descendent dans la fosse; 13 Nous trouverons toute sorte de biens précieux, Nous remplirons de butin nos maisons; 14 Tu auras ta part avec nous, Il n'y aura qu'une bourse pour nous tous! 15 Mon fils, ne te mets pas en chemin avec eux, Détourne ton pied de leur sentier; 16 Car leurs pieds courent au mal, Et ils ont hâte de répandre le sang. 17 Mais en vain jette-t-on le filet Devant les yeux de tout ce qui a des ailes; 18 Et eux, c'est contre leur propre sang qu'ils dressent des embûches, C'est à leur âme qu'ils tendent des pièges. 19 Ainsi arrive-t-il à tout homme avide de gain; La cupidité cause la perte de ceux qui s'y livrent. 20 La sagesse crie dans les rues, Elle élève sa voix dans les places: 21 Elle crie à l'entrée des lieux bruyants; Aux portes, dans la ville, elle fait entendre ses paroles: 22 Jusqu'à quand, stupides, aimerez-vous la stupidité? Jusqu'à quand les moqueurs se plairont-ils à la moquerie, Et les insensés haïront-ils la science? 23 Tournez-vous pour écouter mes réprimandes! Voici, je répandrai sur vous mon esprit, Je vous ferai connaître mes paroles... 24 Puisque j'appelle et que vous résistez, Puisque j'étends ma main et que personne n'y prend garde, 25 Puisque vous rejetez tous mes conseils, Et que vous n'aimez pas mes réprimandes, 26 Moi aussi, je rirai quand vous serez dans le malheur, Je me moquerai quand la terreur vous saisira, 27 Quand la terreur vous saisira comme une tempête, Et que le malheur vous enveloppera comme un tourbillon, Quand la détresse et l'angoisse fondront sur vous. 28 Alors ils m'appelleront, et je ne répondrai pas; Ils me chercheront, et ils ne me trouveront pas. 29 Parce qu'ils ont haï la science, Et qu'ils n'ont pas choisi la crainte de l'Éternel, 30 Parce qu'ils n'ont point aimé mes conseils, Et qu'ils ont dédaigné toutes mes réprimandes, 31 Ils se nourriront du fruit de leur voie, Et ils se rassasieront de leurs propres conseils, 32 Car la résistance des stupides les tue, Et la sécurité des insensés les perd; 33 Mais celui qui m'écoute reposera avec assurance, Il vivra tranquille et sans craindre aucun mal.