T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 9

1 [Ny nitandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:

2 Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.

3 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.

4 Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.

5 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.

6 Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany

7 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?

8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.

9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

10 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.

11 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.

12 Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

13 Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.

14 Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.

*

15 [Ny amin'ny rahona izay nitarihan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.

16 Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.

17 Ary rehefa niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.

18 Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany.

19 Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.

20 Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany.

21 Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.

22 Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.

23 Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

 

Chapitre 9

9:1 Yahweh spoke to Moses in the wilderness of Sinai, in the first month of the second year after they had come out of the land of Egypt, saying, 9:2 “Moreover let the children of Israel keep the Passover in its appointed season. 9:3 On the fourteenth day of this month, at evening, you shall keep it in its appointed season—according to all its statutes, and according to all its ordinances, you shall keep it.”

9:4 Moses spoke to the children of Israel, that they should keep the Passover. 9:5 They kept the Passover in the first month, on the fourteenth day of the month, at evening, in the wilderness of Sinai. According to all that Yahweh commanded Moses, so the children of Israel did. 9:6 There were certain men, who were unclean because of the dead body of a man, so that they could not keep the Passover on that day, and they came before Moses and before Aaron on that day. 9:7 Those men said to him, “We are unclean because of the dead body of a man. Why are we kept back, that we may not offer the offering of Yahweh in its appointed season among the children of Israel?”

9:8 Moses answered them, “Wait, that I may hear what Yahweh will command concerning you.”

9:9 Yahweh spoke to Moses, saying, 9:10 “Say to the children of Israel, ‘If any man of you or of your generations is unclean by reason of a dead body, or is on a journey far away, he shall still keep the Passover to Yahweh. 9:11 In the second month, on the fourteenth day at evening they shall keep it; they shall eat it with unleavened bread and bitter herbs. 9:12 They shall leave none of it until the morning, nor break a bone of it. According to all the statute of the Passover they shall keep it. 9:13 But the man who is clean, and is not on a journey, and fails to keep the Passover, that soul shall be cut off from his people. Because he didn’t offer the offering of Yahweh in its appointed season, that man shall bear his sin.

9:14 “‘If a foreigner lives among you, and desires to keep the Passover to Yahweh; according to the statute of the Passover, and according to its ordinance, so shall he do. You shall have one statute, both for the foreigner, and for him who is born in the land.’”

9:15 On the day that the tabernacle was raised up, the cloud covered the tabernacle, even the Tent of the Testimony: and at evening it was over the tabernacle as it were the appearance of fire, until morning. 9:16 So it was continually. The cloud covered it, and the appearance of fire by night. 9:17 Whenever the cloud was taken up from over the Tent, then after that the children of Israel traveled; and in the place where the cloud remained, there the children of Israel encamped. 9:18 At the commandment of Yahweh, the children of Israel traveled, and at the commandment of Yahweh they encamped. As long as the cloud remained on the tabernacle they remained encamped. 9:19 When the cloud stayed on the tabernacle many days, then the children of Israel kept Yahweh’s command, and didn’t travel. 9:20 Sometimes the cloud was a few days on the tabernacle; then according to the commandment of Yahweh they remained encamped, and according to the commandment of Yahweh they traveled. 9:21 Sometimes the cloud was from evening until morning; and when the cloud was taken up in the morning, they traveled: or by day and by night, when the cloud was taken up, they traveled. 9:22 Whether it was two days, or a month, or a year that the cloud stayed on the tabernacle, remaining on it, the children of Israel remained encamped, and didn’t travel; but when it was taken up, they traveled. 9:23 At the commandment of Yahweh they encamped, and at the commandment of Yahweh they traveled. They kept Yahweh’s command, at the commandment of Yahweh by Moses.

 

Chapitre 9
1 L'Éternel parla à Moïse, dans le désert de Sinaï, le premier mois de la seconde année après leur sortie du pays d'Égypte. (9:2) Il dit: 2 Que les enfants d'Israël célèbrent la Pâque au temps fixé. 3 Vous la célébrerez au temps fixé, le quatorzième jour de ce mois, entre les deux soirs; vous la célébrerez selon toutes les lois et toutes les ordonnances qui s'y rapportent. 4 Moïse parla aux enfants d'Israël, afin qu'ils célébrassent la Pâque. 5 Et ils célébrèrent la Pâque le quatorzième jour du premier mois, entre les deux soirs, dans le désert de Sinaï; les enfants d'Israël se conformèrent à tous les ordres que l'Éternel avait donnés à Moïse. 6 Il y eut des hommes qui, se trouvant impurs à cause d'un mort, ne pouvaient pas célébrer la Pâque ce jour-là. Ils se présentèrent le même jour devant Moïse et Aaron; 7 et ces hommes dirent à Moïse: Nous sommes impurs à cause d'un mort; pourquoi serions-nous privés de présenter au temps fixé l'offrande de l'Éternel au milieu des enfants d'Israël? 8 Moïse leur dit: Attendez que je sache ce que l'Éternel vous ordonne. 9 Et l'Éternel parla à Moïse, et dit: 10 Parle aux enfants d'Israël, et dis-leur: Si quelqu'un d'entre vous ou de vos descendants est impur à cause d'un mort, ou est en voyage dans le lointain, il célébrera la Pâque en l'honneur de l'Éternel. 11 C'est au second mois qu'ils la célébreront, le quatorzième jour, entre les deux soirs; ils la mangeront avec des pains sans levain et des herbes amères. 12 Ils n'en laisseront rien jusqu'au matin, et ils n'en briseront aucun os. Ils la célébreront selon toutes les ordonnances de la Pâque. 13 Si celui qui est pur et qui n'est pas en voyage s'abstient de célébrer la Pâque, celui-là sera retranché de son peuple; parce qu'il n'a pas présenté l'offrande de l'Éternel au temps fixé, cet homme-là portera la peine de son péché. 14 Si un étranger en séjour chez vous célèbre la Pâque de l'Éternel, il se conformera aux lois et aux ordonnances de la Pâque. Il y aura une même loi parmi vous, pour l'étranger comme pour l'indigène. 15 Le jour où le tabernacle fut dressé, la nuée couvrit le tabernacle, la tente d'assignation; et, depuis le soir jusqu'au matin, elle eut sur le tabernacle l'apparence d'un feu. 16 Il en fut continuellement ainsi: la nuée couvrait le tabernacle, et elle avait de nuit l'apparence d'un feu. 17 Quand la nuée s'élevait de dessus la tente, les enfants d'Israël partaient; et les enfants d'Israël campaient dans le lieu où s'arrêtait la nuée. 18 Les enfants d'Israël partaient sur l'ordre de l'Éternel, et ils campaient sur l'ordre de l'Éternel; ils campaient aussi longtemps que la nuée restait sur le tabernacle. 19 Quand la nuée restait longtemps sur le tabernacle, les enfants d'Israël obéissaient au commandement de l'Éternel, et ne partaient point. 20 Quand la nuée restait peu de jours sur le tabernacle, ils campaient sur l'ordre de l'Éternel, et ils partaient sur l'ordre de l'Éternel. 21 Si la nuée s'arrêtait du soir au matin, et s'élevait le matin, ils partaient. Si la nuée s'élevait après un jour et une nuit, ils partaient. 22 Si la nuée s'arrêtait sur le tabernacle deux jours, ou un mois, ou une année, les enfants d'Israël restaient campés, et ne partaient point; et quand elle s'élevait, ils partaient. 23 Ils campaient sur l'ordre de l'Éternel, et ils partaient sur l'ordre de l'Éternel; ils obéissaient au commandement de l'Éternel, sur l'ordre de l'Éternel par Moïse.