T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny amin'ny fampirehetana ny jiro, sy ny nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.

3 Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

4 Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.

5 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

6 Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.

7 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.

8 Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.

9 Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.

10 Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;

11 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.

12 Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.

13 Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.

14 Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.

15 Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;

16 fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.

17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.

18 Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.

19 Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.

20 Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.

21 Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.

22 Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.

23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

24 Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;

25 fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;

26 kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.

 

Chapitre 8

8:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 8:2 “Speak to Aaron, and tell him, ‘When you light the lamps, the seven lamps shall give light in front of the lampstand.’”

8:3 Aaron did so. He lit its lamps to light the area in front of the lampstand, as Yahweh commanded Moses. 8:4 This was the workmanship of the lampstand, beaten work of gold. From its base to its flowers, it was beaten work: according to the pattern which Yahweh had shown Moses, so he made the lampstand.

8:5 Yahweh spoke to Moses, saying, 8:6 “Take the Levites from among the children of Israel, and cleanse them. 8:7 You shall do this to them, to cleanse them: sprinkle the water of cleansing on them, let them shave their whole bodies with a razor, and let them wash their clothes, and cleanse themselves. 8:8 Then let them take a young bull, and its meal offering, fine flour mixed with oil; and another young bull you shall take for a sin offering. 8:9 You shall present the Levites before the Tent of Meeting. You shall assemble the whole congregation of the children of Israel. 8:10 You shall present the Levites before Yahweh. The children of Israel shall lay their hands on the Levites, 8:11 and Aaron shall offer the Levites before Yahweh for a wave offering, on the behalf of the children of Israel, that it may be theirs to do the service of Yahweh.

8:12 “The Levites shall lay their hands on the heads of the bulls, and you shall offer the one for a sin offering, and the other for a burnt offering to Yahweh, to make atonement for the Levites. 8:13 You shall set the Levites before Aaron, and before his sons, and offer them as a wave offering to Yahweh. 8:14 Thus you shall separate the Levites from among the children of Israel, and the Levites shall be mine.

8:15 “After that, the Levites shall go in to do the service of the Tent of Meeting: and you shall cleanse them, and offer them as a wave offering. 8:16 For they are wholly given to me from among the children of Israel; instead of all who open the womb, even the firstborn of all the children of Israel, I have taken them to me. 8:17 For all the firstborn among the children of Israel are mine, both man and animal. On the day that I struck all the firstborn in the land of Egypt, I sanctified them for myself. 8:18 I have taken the Levites instead of all the firstborn among the children of Israel. 8:19 I have given the Levites as a gift to Aaron and to his sons from among the children of Israel, to do the service of the children of Israel in the Tent of Meeting, and to make atonement for the children of Israel; that there be no plague among the children of Israel, when the children of Israel come near to the sanctuary.”

8:20 Moses, and Aaron, and all the congregation of the children of Israel did so to the Levites. According to all that Yahweh commanded Moses concerning the Levites, so the children of Israel did to them. 8:21 The Levites purified themselves from sin, and they washed their clothes; and Aaron offered them for a wave offering before Yahweh; and Aaron made atonement for them to cleanse them. 8:22 After that, the Levites went in to do their service in the Tent of Meeting before Aaron, and before his sons: as Yahweh had commanded Moses concerning the Levites, so they did to them.

8:23 Yahweh spoke to Moses, saying, 8:24 “This is that which belongs to the Levites: from twenty-five years old and upward they shall go in to wait on the service in the work of the Tent of Meeting; 8:25 and from the age of fifty years they shall cease waiting on the work, and shall serve no more, 8:26 but shall minister with their brothers in the Tent of Meeting, to perform the duty, and shall do no service. You shall do thus to the Levites concerning their duties.”

 

Chapitre 8
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle à Aaron, et tu lui diras: Lorsque tu placeras les lampes sur le chandelier, les sept lampes devront éclairer en face. 3 Aaron fit ainsi; il plaça les lampes sur le devant du chandelier, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 4 Le chandelier était d'or battu; jusqu'à son pied, jusqu'à ses fleurs, il était d'or battu; Moïse avait fait le chandelier d'après le modèle que l'Éternel lui avait montré. 5 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 6 Prends les Lévites du milieu des enfants d'Israël, et purifie-les. 7 Voici comment tu les purifieras. Fais sur eux une aspersion d'eau expiatoire; qu'ils fassent passer le rasoir sur tout leur corps, qu'ils lavent leurs vêtements, et qu'ils se purifient. 8 Ils prendront ensuite un jeune taureau, avec l'offrande ordinaire de fleur de farine pétrie à l'huile; et tu prendras un autre jeune taureau pour le sacrifice d'expiation. 9 Tu feras approcher les Lévites devant la tente d'assignation, et tu convoqueras toute l'assemblée des enfants d'Israël. 10 Tu feras approcher les Lévites devant l'Éternel; et les enfants d'Israël poseront leurs mains sur les Lévites. 11 Aaron fera tourner de côté et d'autre les Lévites devant l'Éternel, comme une offrande de la part des enfants d'Israël; et ils seront consacrés au service de l'Éternel. 12 Les Lévites poseront leurs mains sur la tête des taureaux; et tu offriras l'un en sacrifice d'expiation, et l'autre en holocauste, afin de faire l'expiation pour les Lévites. 13 Tu feras tenir les Lévites debout devant Aaron et devant ses fils, et tu les feras tourner de côté et d'autre comme une offrande à l'Éternel. 14 Tu sépareras les Lévites du milieu des enfants d'Israël; et les Lévites m'appartiendront. 15 Après cela, les Lévites viendront faire le service dans la tente d'assignation. C'est ainsi que tu les purifieras, et que tu les feras tourner de côté et d'autre comme une offrande. 16 Car ils me sont entièrement donnés du milieu des enfants d'Israël: je les ai pris pour moi à la place des premiers-nés, de tous les premiers-nés des enfants d'Israël. 17 Car tout premier-né des enfants d'Israël m'appartient, tant des hommes que des animaux; le jour où j'ai frappé tous les premiers-nés dans le pays d'Égypte, je me les suis consacrés. 18 Et j'ai pris les Lévites à la place de tous les premiers-nés des enfants d'Israël. 19 J'ai donné les Lévites entièrement à Aaron et à ses fils, du milieu des enfants d'Israël, pour qu'ils fassent le service des enfants d'Israël dans la tente d'assignation, pour qu'ils fassent l'expiation pour les enfants d'Israël, et pour que les enfants d'Israël ne soient frappés d'aucune plaie, en s'approchant du sanctuaire. 20 Moïse, Aaron et toute l'assemblée des enfants d'Israël, firent à l'égard des Lévites tout ce que l'Éternel avait ordonné à Moïse touchant les Lévites; ainsi firent à leur égard les enfants d'Israël. 21 Les Lévites se purifièrent, et lavèrent leurs vêtements; Aaron les fit tourner de côté et d'autre comme une offrande devant l'Éternel, et il fit l'expiation pour eux, afin de les purifier. 22 Après cela, les Lévites vinrent faire leur service dans la tente d'assignation, en présence d'Aaron et de ses fils, selon ce que l'Éternel avait ordonné à Moïse touchant les Lévites; ainsi fut-il fait à leur égard. 23 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 24 Voici ce qui concerne les Lévites. Depuis l'âge de vingt-cinq ans et au-dessus, tout Lévite entrera au service de la tente d'assignation pour y exercer une fonction. 25 Depuis l'âge de cinquante ans, il sortira de fonction, et ne servira plus. 26 Il aidera ses frères dans la tente d'assignation, pour garder ce qui est remis à leurs soins; mais il ne fera plus de service. Tu agiras ainsi à l'égard des Lévites pour ce qui concerne leurs fonctions.