T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 36

1 [Lalàna ny amin'ny hanambadian'ny zazavavy mandova zara-tany] Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe:

2 Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy.

3 Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany.

4 Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.

5 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin'ny firenena taranak'i Josefa.

6 Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.

7 Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny zara-tanin'ny razany avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.

8 Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy.

9 Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny azy avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.

10 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada,

11 ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin'i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin'ny rainy avy.

12 Izay avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase, zanak'i Josefa, no novadin'ireo, ka dia nitoetra teo amin'ny firenen'ny mpianakavin'ny rainy ihany ny zara-taniny.

13 Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

 

Chapitre 36

36:1 The heads of the fathers’ households of the family of the children of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, of the families of the sons of Joseph, came near, and spoke before Moses, and before the princes, the heads of the fathers’ households of the children of Israel: 36:2 and they said, “Yahweh commanded my lord to give the land for inheritance by lot to the children of Israel: and my lord was commanded by Yahweh to give the inheritance of Zelophehad our brother to his daughters. 36:3 If they are married to any of the sons of the other tribes of the children of Israel, then will their inheritance be taken away from the inheritance of our fathers, and will be added to the inheritance of the tribe whereunto they shall belong: so will it be taken away from the lot of our inheritance. 36:4 When the jubilee of the children of Israel shall be, then will their inheritance be added to the inheritance of the tribe whereunto they shall belong: so will their inheritance be taken away from the inheritance of the tribe of our fathers.”

36:5 Moses commanded the children of Israel according to the word of Yahweh, saying, “The tribe of the sons of Joseph speaks right. 36:6 This is the thing which Yahweh does command concerning the daughters of Zelophehad, saying, Let them be married to whom they think best; only into the family of the tribe of their father shall they be married. 36:7 So shall no inheritance of the children of Israel remove from tribe to tribe; for the children of Israel shall all keep the inheritance of the tribe of his fathers. 36:8 Every daughter who possesses an inheritance in any tribe of the children of Israel shall be wife to one of the family of the tribe of her father, that the children of Israel may possess every man the inheritance of his fathers. 36:9 So shall no inheritance remove from one tribe to another tribe; for the tribes of the children of Israel shall each keep his own inheritance.”

36:10 The daughters of Zelophehad did as Yahweh commanded Moses: 36:11 for Mahlah, Tirzah, and Hoglah, and Milcah, and Noah, the daughters of Zelophehad, were married to their father’s brothers’ sons. 36:12 They were married into the families of the sons of Manasseh the son of Joseph; and their inheritance remained in the tribe of the family of their father. 36:13 These are the commandments and the ordinances which Yahweh commanded by Moses to the children of Israel in the plains of Moab by the Jordan at Jericho.

 

Chapitre 36
1 Les chefs de la famille de Galaad, fils de Makir, fils de Manassé, d'entre les familles des fils de Joseph, s'approchèrent et parlèrent devant Moïse et devant les princes, chefs de famille des enfants d'Israël. 2 Ils dirent: L'Éternel a ordonné à mon seigneur de donner le pays en héritage par le sort aux enfants d'Israël. Mon seigneur a aussi reçu de l'Éternel l'ordre de donner l'héritage de Tselophchad, notre frère, à ses filles. 3 Si elles se marient à l'un des fils d'une autre tribu des enfants d'Israël, leur héritage sera retranché de l'héritage de nos pères et ajouté à celui de la tribu à laquelle elles appartiendront; ainsi sera diminué l'héritage qui nous est échu par le sort. 4 Et quand viendra le jubilé pour les enfants d'Israël, leur héritage sera ajouté à celui de la tribu à laquelle elles appartiendront, et il sera retranché de celui de la tribu de nos pères. 5 Moïse transmit aux enfants d'Israël les ordres de l'Éternel. Il dit: La tribu des fils de Joseph a raison. 6 Voici ce que l'Éternel ordonne au sujet des filles de Tselophchad: elles se marieront à qui elles voudront, pourvu qu'elles se marient dans une famille de la tribu de leurs pères. 7 Aucun héritage parmi les enfants d'Israël ne passera d'une tribu à une autre tribu, mais les enfants d'Israël s'attacheront chacun à l'héritage de la tribu de ses pères. 8 Et toute fille, possédant un héritage dans les tribus des enfants d'Israël, se mariera à quelqu'un d'une famille de la tribu de son père, afin que les enfants d'Israël possèdent chacun l'héritage de leurs pères. 9 Aucun héritage ne passera d'une tribu à une autre tribu, mais les tribus des enfants d'Israël s'attacheront chacune à son héritage. 10 Les filles de Tselophchad se conformèrent à l'ordre que l'Éternel avait donné à Moïse. 11 Machla, Thirtsa, Hogla, Milca et Noa, filles de Tselophchad, se marièrent aux fils de leurs oncles; 12 elles se marièrent dans les familles des fils de Manassé, fils de Joseph, et leur héritage resta dans la tribu de la famille de leur père. 13 Tels sont les commandements et les lois que l'Éternel donna par Moïse aux enfants d'Israël, dans les plaines de Moab, près du Jourdain, vis-à-vis de Jéricho.