Chapitre 35
1 [Ny hanomezana
tanàna ho an'ny Levita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba,
amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
2 Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny
zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa
izy.
3 Koa ny tanàna dia
honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny
bibiny rehetra.
4 Ary ny tany
manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny
tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra
avy.
5 Dia handrefy roa
arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa
arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny
andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho
eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
6 Ary izao no tanàna
izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo
handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
7 Koa ny tanàna
rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany
manodidina azy.
8 Ary ny amin'ny
tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia
izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome
tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
9 [Ny hifidianana
tanàna handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any
amin'ny tany Kanana,
11 dia hifidy tanàna
ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona
tsy nahy.
12 Dia ho fandosirana
ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty
izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
13 Ary ireo tanàna
homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
14 Ny tanàna telo dia
homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao
amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
15 Ireo tanàna enina
ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra
ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16 Kanefa raha misy
mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay
nahafaty olona.
17 Ary raha misy
mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay
nahafaty olona.
18 Ary raha misy
mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay
nahafaty olona.
19 Ny mpamaly rà no
mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20 Ary raha misy
mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka
mahafaty,
21 na mamely amin'ny
tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely;
nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
22 Fa raha misy mamely
olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na
amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,
23 na sendra manjera
vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady
handratra azy,
24 dia hotsarain'ny fiangonana
ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
25 Ary hovonjen'ny
fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray
ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary
hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny
diloilo masina.
26 Fa raha mivoaka ho
eo ivelan'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay
nahafaty olona
27 ka hitan'ny mpamaly
rà eo ivelan'ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà
amin'izany,
28 satria tokony ho
nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa
rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay
nahafaty olona.
29 Ary izany zavatra
izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny
amin'izay rehetra onenanareo.
30 Ny amin'izay
rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny
vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka
hahafaty olona izany.
31 Ary ianareo tsy
handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa
hatao maty tokoa izy.
32 Ary ianareo tsy
handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany
indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33 Ary aza mametaveta
ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo
anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay
nandatsaka azy ihany.
34 Ary aza lotoinareo
ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny
Zanak'Isiraely.