T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 31

1 [Ny tafika namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao ianao.

3 Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.

4 Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.

5 Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.

6 Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.

7 Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy

8 ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra.

9 Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.

10 Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.

11 Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,

12 dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

13 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.

14 Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,

15 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?

16 Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.

17 Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.

18 Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.

19 Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.

20 Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.

21 Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy:

22 Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,

23 dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany.

24 Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo.

25 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

26 Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;

27 ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;

28 kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;

29 ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah.

30 Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.

31 Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

32 Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,

33 sy omby roa arivo amby fito alina,

34 sy boriky arivo amby enina alina,

35 ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.

36 Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;

37 ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.

38 Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo.

39 Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo.

40 Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo.

41 Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

42 Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika

43 (fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,

44 sy omby enina arivo amby telo alina,

45 sy boriky diman-jato amby telo alina,

46 ary olona enina arivo amby iray alina),

47 ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

48 Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy

49 ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;

50 koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.

51 Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.

52 Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina

53 (fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny tenany).

54 Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.

 

Chapitre 31

31:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 31:2 “Avenge the children of Israel for the Midianites. Afterward you shall be gathered to your people.”

31:3 Moses spoke to the people, saying, “Arm men from among you for the war, that they may go against Midian, to execute Yahweh’s vengeance on Midian. 31:4 Of every tribe one thousand, throughout all the tribes of Israel, you shall send to the war.” 31:5 So there were delivered, out of the thousands of Israel, a thousand of every tribe, twelve thousand armed for war. 31:6 Moses sent them, one thousand of every tribe, to the war, them and Phinehas the son of Eleazar the priest, to the war, with the vessels of the sanctuary and the trumpets for the alarm in his hand. 31:7 They warred against Midian, as Yahweh commanded Moses; and they killed every male. 31:8 They killed the kings of Midian with the rest of their slain: Evi, and Rekem, and Zur, and Hur, and Reba, the five kings of Midian: Balaam also the son of Beor they killed with the sword. 31:9 The children of Israel took captive the women of Midian and their little ones; and all their livestock, and all their flocks, and all their goods, they took for a prey. 31:10 All their cities in the places in which they lived, and all their encampments, they burnt with fire. 31:11 They took all the spoil, and all the prey, both of man and of animal. 31:12 They brought the captives, and the prey, and the spoil, to Moses, and to Eleazar the priest, and to the congregation of the children of Israel, to the camp at the plains of Moab, which are by the Jordan at Jericho. 31:13 Moses, and Eleazar the priest, and all the princes of the congregation, went forth to meet them outside of the camp. 31:14 Moses was angry with the officers of the army, the captains of thousands and the captains of hundreds, who came from the service of the war. 31:15 Moses said to them, “Have you saved all the women alive? 31:16 Behold, these caused the children of Israel, through the counsel of Balaam, to commit trespass against Yahweh in the matter of Peor, and so the plague was among the congregation of Yahweh. 31:17 Now therefore kill every male among the little ones, and kill every woman who has known man by lying with him. 31:18 But all the girls, who have not known man by lying with him, keep alive for yourselves.

31:19 “Encamp outside of the camp seven days: whoever has killed any person, and whoever has touched any slain, purify yourselves on the third day and on the seventh day, you and your captives. 31:20 As to every garment, and all that is made of skin, and all work of goats’ hair, and all things made of wood, you shall purify yourselves.”

31:21 Eleazar the priest said to the men of war who went to the battle, “This is the statute of the law which Yahweh has commanded Moses: 31:22 however the gold, and the silver, the brass, the iron, the tin, and the lead, 31:23 everything that may withstand the fire, you shall make to go through the fire, and it shall be clean; nevertheless it shall be purified with the water for impurity: and all that doesn’t withstand the fire you shall make to go through the water. 31:24 You shall wash your clothes on the seventh day, and you shall be clean; and afterward you shall come into the camp.”

31:25 Yahweh spoke to Moses, saying, 31:26 “Take the sum of the prey that was taken, both of man and of animal, you, and Eleazar the priest, and the heads of the fathers’ households of the congregation; 31:27 and divide the prey into two parts: between the men skilled in war, who went out to battle, and all the congregation. 31:28 Levy a tribute to Yahweh of the men of war who went out to battle: one soul of five hundred; of the persons, of the cattle, of the donkeys, and of the flocks. 31:29 Take it of their half, and give it to Eleazar the priest, for Yahweh’s wave offering. 31:30 Of the children of Israel’s half, you shall take one drawn out of every fifty, of the persons, of the cattle, of the donkeys, and of the flocks, of all the livestock, and give them to the Levites, who perform the duty of the tabernacle of Yahweh.”

31:31 Moses and Eleazar the priest did as Yahweh commanded Moses.

31:32 Now the prey, over and above the booty which the men of war took, was six hundred seventy-five thousand sheep, 31:33 and seventy-two thousand head of cattle, 31:34 and sixty-one thousand donkeys, 31:35 and thirty-two thousand persons in all, of the women who had not known man by lying with him. 31:36 The half, which was the portion of those who went out to war, was in number three hundred thirty-seven thousand five hundred sheep: 31:37 and Yahweh’s tribute of the sheep was six hundred seventy-five. 31:38 The cattle were thirty-six thousand; of which Yahweh’s tribute was seventy-two. 31:39 The donkeys were thirty thousand five hundred; of which Yahweh’s tribute was sixty-one. 31:40 The persons were sixteen thousand; of whom Yahweh’s tribute was thirty-two persons. 31:41 Moses gave the tribute, which was Yahweh’s wave offering, to Eleazar the priest, as Yahweh commanded Moses. 31:42 Of the children of Israel’s half, which Moses divided off from the men who warred 31:43 (now the congregation’s half was three hundred thirty-seven thousand five hundred sheep, 31:44 and thirty-six thousand head of cattle, 31:45 and thirty thousand five hundred donkeys, 31:46 and sixteen thousand persons), 31:47 even of the children of Israel’s half, Moses took one drawn out of every fifty, both of man and of animal, and gave them to the Levites, who performed the duty of the tabernacle of Yahweh; as Yahweh commanded Moses.

31:48 The officers who were over the thousands of the army, the captains of thousands, and the captains of hundreds, came near to Moses; 31:49 and they said to Moses, “Your servants have taken the sum of the men of war who are under our command, and there lacks not one man of us. 31:50 We have brought Yahweh’s offering, what every man has gotten, of jewels of gold, armlets, and bracelets, signet rings, earrings, and necklaces, to make atonement for our souls before Yahweh.”

31:51 Moses and Eleazar the priest took their gold, even all worked jewels. 31:52 All the gold of the wave offering that they offered up to Yahweh, of the captains of thousands, and of the captains of hundreds, was sixteen thousand seven hundred fifty shekels. 31:53 (The men of war had taken booty, every man for himself.) 31:54 Moses and Eleazar the priest took the gold of the captains of thousands and of hundreds, and brought it into the Tent of Meeting, for a memorial for the children of Israel before Yahweh.

 

Chapitre 31
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Venge les enfants d'Israël sur les Madianites; tu seras ensuite recueilli auprès de ton peuple. 3 Moïse parla au peuple, et dit: Équipez d'entre vous des hommes pour l'armée, et qu'ils marchent contre Madian, afin d'exécuter la vengeance de l'Éternel sur Madian. 4 Vous enverrez à l'armée mille hommes par tribu, de toutes les tribus d'Israël. 5 On leva d'entre les milliers d'Israël mille hommes par tribu, soit douze mille hommes équipés pour l'armée. 6 Moïse envoya à l'armée ces mille hommes par tribu, et avec eux le fils du sacrificateur Éléazar, Phinées, qui portait les instruments sacrés et les trompettes retentissantes. 7 Ils s'avancèrent contre Madian, selon l'ordre que l'Éternel avait donné à Moïse; et ils tuèrent tous les mâles. 8 Ils tuèrent les rois de Madian avec tous les autres, Évi, Rékem, Tsur, Hur et Réba, cinq rois de Madian; ils tuèrent aussi par l'épée Balaam, fils de Beor. 9 Les enfants d'Israël firent prisonnières les femmes des Madianites avec leurs petits enfants, et ils pillèrent tout leur bétail, tous leurs troupeaux et toutes leurs richesses. 10 Ils incendièrent toutes les villes qu'ils habitaient et tous leurs enclos. 11 Ils prirent toutes les dépouilles et tout le butin, personnes et bestiaux; 12 et ils amenèrent les captifs, le butin et les dépouilles, à Moïse, au sacrificateur Éléazar, et à l'assemblée des enfants d'Israël, campés dans les plaines de Moab, près du Jourdain, vis-à-vis de Jéricho. 13 Moïse, le sacrificateur Éléazar, et tous les princes de l'assemblée, sortirent au-devant d'eux, hors du camp. 14 Et Moïse s'irrita contre les commandants de l'armée, les chefs de milliers et les chefs de centaines, qui revenaient de l'expédition. 15 Il leur dit: Avez-vous laissé la vie à toutes les femmes? 16 Voici, ce sont elles qui, sur la parole de Balaam, ont entraîné les enfants d'Israël à l'infidélité envers l'Éternel, dans l'affaire de Peor; et alors éclata la plaie dans l'assemblée de l'Éternel. 17 Maintenant, tuez tout mâle parmi les petits enfants, et tuez toute femme qui a connu un homme en couchant avec lui; 18 mais laissez en vie pour vous toutes les filles qui n'ont point connu la couche d'un homme. 19 Et vous, campez pendant sept jours hors du camp; tous ceux d'entre vous qui ont tué quelqu'un, et tous ceux qui ont touché un mort, se purifieront le troisième et le septième jour, eux et vos prisonniers. 20 Vous purifierez aussi tout vêtement, tout objet de peau, tout ouvrage de poil de chèvre et tout ustensile de bois. 21 Le sacrificateur Éléazar dit aux soldats qui étaient allés à la guerre: Voici ce qui est ordonné par la loi que l'Éternel a prescrite à Moïse. 22 L'or, l'argent, l'airain, le fer, l'étain et le plomb, 23 tout objet qui peut aller au feu, vous le ferez passer par le feu pour le rendre pur. Mais c'est par l'eau de purification que sera purifié tout ce qui ne peut aller au feu; vous le ferez passer dans l'eau. 24 Vous laverez vos vêtements le septième jour, et vous serez purs; ensuite, vous pourrez entrer dans le camp. 25 L'Éternel dit à Moïse: 26 Fais, avec le sacrificateur Éléazar et les chefs de maison de l'assemblée, le compte du butin, de ce qui a été pris, personnes et bestiaux. 27 Partage le butin entre les combattants qui sont allés à l'armée et toute l'assemblée. 28 Tu prélèveras sur la portion des soldats qui sont allés à l'armée un tribut pour l'Éternel, savoir: un sur cinq cents, tant des personnes que des boeufs, des ânes et des brebis. 29 Vous le prendrez sur leur moitié, et tu le donneras au sacrificateur Éléazar comme une offrande à l'Éternel. 30 Et sur la moitié qui revient aux enfants d'Israël tu prendras un sur cinquante, tant des personnes que des boeufs, des ânes et des brebis, de tout animal; et tu le donneras aux Lévites, qui ont la garde du tabernacle de l'Éternel. 31 Moïse et le sacrificateur Éléazar firent ce que l'Éternel avait ordonné à Moïse. 32 Le butin, reste du pillage de ceux qui avaient fait partie de l'armée, était de six cent soixante-quinze mille brebis, 33 soixante-douze mille boeufs, 34 soixante et un mille ânes, 35 et trente-deux mille personnes ou femmes qui n'avaient point connu la couche d'un homme. - 36 La moitié, formant la part de ceux qui étaient allés à l'armée, fut de trois cent trente-sept mille cinq cents brebis, 37 dont six cent soixante-quinze pour le tribut à l'Éternel; 38 trente-six mille boeufs, dont soixante-douze pour le tribut à l'Éternel; 39 trente mille cinq cents ânes, dont soixante et un pour le tribut à l'Éternel; 40 et seize mille personnes, dont trente-deux pour le tribut à l'Éternel. 41 Moïse donna au sacrificateur Éléazar le tribut réservé comme offrande à l'Éternel, selon ce que l'Éternel lui avait ordonné. - 42 La moitié qui revenait aux enfants d'Israël, séparée par Moïse de celle des hommes de l'armée, 43 et formant la part de l'assemblée, fut de trois cent trente-sept mille cinq cents brebis, 44 trente-six mille boeufs, 45 trente mille cinq cents ânes, 46 et seize mille personnes. 47 Sur cette moitié qui revenait aux enfants d'Israël, Moïse prit un sur cinquante, tant des personnes que des animaux; et il le donna aux Lévites, qui ont la garde du tabernacle de l'Éternel, selon ce que l'Éternel lui avait ordonné. 48 Les commandants des milliers de l'armée, les chefs de milliers et les chefs de centaines, s'approchèrent de Moïse, 49 et lui dirent: Tes serviteurs ont fait le compte des soldats qui étaient sous nos ordres, et il ne manque pas un homme d'entre nous. 50 Nous apportons, comme offrande à l'Éternel, chacun les objets d'or que nous avons trouvés, chaînettes, bracelets, anneaux, pendants d'oreilles, et colliers, afin de faire pour nos personnes l'expiation devant l'Éternel. 51 Moïse et le sacrificateur Éléazar reçurent d'eux tous ces objets travaillés en or. 52 Tout l'or, que les chefs de milliers et les chefs de centaines présentèrent à l'Éternel en offrande par élévation, pesait seize mille sept cent cinquante sicles. 53 Les hommes de l'armée gardèrent chacun le butin qu'ils avaient fait. 54 Moïse et le sacrificateur Éléazar prirent l'or des chefs de milliers et des chefs de centaines, et l'apportèrent à la tente d'assignation, comme souvenir pour les enfants d'Israël devant l'Éternel.