T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 30

1 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy.

2 [Lalàna ny amin'ny hahatanterahana ny voady sy ny hanafoanana azy] Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:

3 Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.

4 Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,

5 ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.

6 Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.

7 Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,

8 ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.

9 Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.

10 Fa ny amin'ny voadin'ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.

11 Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,

12 ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.

13 Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.

14 Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.

15 Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany.

16 Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.

17 Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.

 

Chapitre 30

30:1 Moses spoke to the heads of the tribes of the children of Israel, saying, “This is the thing which Yahweh has commanded. 30:2 When a man vows a vow to Yahweh, or swears an oath to bind his soul with a bond, he shall not break his word; he shall do according to all that proceeds out of his mouth.

30:3 “Also when a woman vows a vow to Yahweh, and binds herself by a bond, being in her father’s house, in her youth, 30:4 and her father hears her vow, and her bond with which she has bound her soul, and her father holds his peace at her; then all her vows shall stand, and every bond with which she has bound her soul shall stand. 30:5 But if her father disallow her in the day that he hears, none of her vows, or of her bonds with which she has bound her soul, shall stand: and Yahweh will forgive her, because her father disallowed her.

30:6 “If she has a husband, while her vows are on her, or the rash utterance of her lips, with which she has bound her soul, 30:7 and her husband hears it, and hold his peace at her in the day that he hears it; then her vows shall stand, and her bonds with which she has bound her soul shall stand. 30:8 But if her husband forbids her in the day that he hears it, then he shall make void her vow which is on her, and the rash utterance of her lips, with which she has bound her soul: and Yahweh will forgive her.

30:9 “But the vow of a widow, or of her who is divorced, everything with which she has bound her soul, shall stand against her.

30:10 “If she vowed in her husband’s house, or bound her soul by a bond with an oath, 30:11 and her husband heard it, and held his peace at her, and didn’t disallow her; then all her vows shall stand, and every bond with which she bound her soul shall stand. 30:12 But if her husband made them null and void in the day that he heard them, then whatever proceeded out of her lips concerning her vows, or concerning the bond of her soul, shall not stand: her husband has made them void; and Yahweh will forgive her. 30:13 Every vow, and every binding oath to afflict the soul, her husband may establish it, or her husband may make it void. 30:14 But if her husband altogether hold his peace at her from day to day, then he establishes all her vows, or all her bonds, which are on her: he has established them, because he held his peace at her in the day that he heard them. 30:15 But if he shall make them null and void after that he has heard them, then he shall bear her iniquity.”

30:16 These are the statutes, which Yahweh commanded Moses, between a man and his wife, between a father and his daughter, being in her youth, in her father’s house.

 

Chapitre 30
1 (30:2) Moïse parla aux chefs des tribus des enfants d'Israël, et dit: Voici ce que l'Éternel ordonne. 2 (30:3) Lorsqu'un homme fera un voeu à l'Éternel, ou un serment pour se lier par un engagement, il ne violera point sa parole, il agira selon tout ce qui est sorti de sa bouche. 3 (30:4) Lorsqu'une femme, dans sa jeunesse et à la maison de son père, fera un voeu à l'Éternel et se liera par un engagement, 4 (30:5) et que son père aura connaissance du voeu qu'elle a fait et de l'engagement par lequel elle s'est liée, -si son père garde le silence envers elle, tout voeu qu'elle aura fait sera valable, et tout engagement par lequel elle se sera liée sera valable; 5 (30:6) mais si son père la désapprouve le jour où il en a connaissance, tous ses voeux et tous les engagements par lesquels elle se sera liée n'auront aucune valeur; et l'Éternel lui pardonnera, parce qu'elle a été désapprouvée de son père. 6 (30:7) Lorsqu'elle sera mariée, après avoir fait des voeux, ou s'être liée par une parole échappée de ses lèvres, 7 (30:8) et que son mari en aura connaissance, -s'il garde le silence envers elle le jour où il en a connaissance, ses voeux seront valables, et les engagements par lesquels elle se sera liée seront valables; 8 (30:9) mais si son mari la désapprouve le jour où il en a connaissance, il annulera le voeu qu'elle a fait et la parole échappée de ses lèvres, par laquelle elle s'est liée; et l'Éternel lui pardonnera. 9 (30:10) Le voeu d'une femme veuve ou répudiée, l'engagement quelconque par lequel elle se sera liée, sera valable pour elle. 10 (30:11) Lorsqu'une femme, dans la maison de son mari, fera des voeux ou se liera par un serment, 11 (30:12) et que son mari en aura connaissance, -s'il garde le silence envers elle et ne la désapprouve pas, tous ses voeux seront valables, et tous les engagements par lesquels elle se sera liée seront valables; 12 (30:13) mais si son mari les annule le jour où il en a connaissance, tout voeu et tout engagement sortis de ses lèvres n'auront aucune valeur, son mari les a annulés; et l'Éternel lui pardonnera. 13 (30:14) Son mari peut ratifier et son mari peut annuler tout voeu, tout serment par lequel elle s'engage à mortifier sa personne. 14 (30:15) S'il garde de jour en jour le silence envers elle, il ratifie ainsi tous les voeux ou tous les engagements par lesquels elle s'est liée; il les ratifie, parce qu'il a gardé le silence envers elle le jour où il en a eu connaissance. 15 (30:16) Mais s'il les annule après le jour où il en a eu connaissance, il sera coupable du péché de sa femme. 16 (30:17) Telles sont les lois que l'Éternel prescrivit à Moïse, entre un mari et sa femme, entre un père et sa fille, lorsqu'elle est dans sa jeunesse et à la maison de son père.