| Chapitre 3 1 [Ny nandaminana ny firenen'i Levy, sy ny nitobiany, ary ny zavatra hotandremany] Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay. 2 Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara. 3 Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana. 4 Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy. 5 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 6 Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy. 7 Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely. 8 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely. 9 Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo. 10 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. 11 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 12 Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita, 13 satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah. 14 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe: 15 Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao. 16 Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy. 17 Ary izao no zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary. 18 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey. 19 Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. 20 Ary ny zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka ny fianakaviany. 21 Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita. 22 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo. 23 Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany. 24 Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela. 25 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, 26 ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy. 27 Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita. 28 Ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo. 29 Ny fokon'ny zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely. 30 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela. 31 Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy. 32 Ary ny lehiben'ny lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay lehiben'ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina. 33 Avy tamin'i Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary. 34 Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo, 35 Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely. 36 Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao, 37 ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny. 38 Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. 39 Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina. 40 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany. 41 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely. 42 Dia nalamin'i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy. 43 Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina. 44 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 45 Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah. 46 Ary ny amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita, 47 dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray). 48 Dia homenao an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo. 49 Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita; 50 tamin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina; 51 dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. | | Chapitre 3 3:1 Now this is the history of the generations of Aaron and Moses in the day that Yahweh spoke with Moses in Mount Sinai. 3:2 These are the names of the sons of Aaron: Nadab the firstborn, and Abihu, Eleazar, and Ithamar. 3:3 These are the names of the sons of Aaron, the priests who were anointed, whom he consecrated to minister in the priest’s office. 3:4 Nadab and Abihu died before Yahweh, when they offered strange fire before Yahweh, in the wilderness of Sinai, and they had no children. Eleazar and Ithamar ministered in the priest’s office in the presence of Aaron their father. 3:5 Yahweh spoke to Moses, saying, 3:6 “Bring the tribe of Levi near, and set them before Aaron the priest, that they may minister to him. 3:7 They shall keep his requirements, and the requirements of the whole congregation before the Tent of Meeting, to do the service of the tabernacle. 3:8 They shall keep all the furnishings of the Tent of Meeting, and the obligations of the children of Israel, to do the service of the tabernacle. 3:9 You shall give the Levites to Aaron and to his sons. They are wholly given to him on the behalf of the children of Israel. 3:10 You shall appoint Aaron and his sons, and they shall keep their priesthood. The stranger who comes near shall be put to death.” 3:11 Yahweh spoke to Moses, saying, 3:12 “Behold, I have taken the Levites from among the children of Israel instead of all the firstborn who open the womb among the children of Israel; and the Levites shall be mine: 3:13 for all the firstborn are mine. On the day that I struck down all the firstborn in the land of Egypt I made holy to me all the firstborn in Israel, both man and animal. They shall be mine. I am Yahweh.” 3:14 Yahweh spoke to Moses in the wilderness of Sinai, saying, 3:15 “Count the children of Levi by their fathers’ houses, by their families. You shall count every male from a month old and upward.” 3:16 Moses numbered them according to the word of Yahweh, as he was commanded. 3:17 These were the sons of Levi by their names: Gershon, and Kohath, and Merari. 3:18 These are the names of the sons of Gershon by their families: Libni and Shimei. 3:19 The sons of Kohath by their families: Amram, and Izhar, Hebron, and Uzziel. 3:20 The sons of Merari by their families: Mahli and Mushi. These are the families of the Levites according to their fathers’ houses. 3:21 Of Gershon was the family of the Libnites, and the family of the Shimeites: these are the families of the Gershonites. 3:22 Those who were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, even those who were numbered of them were seven thousand five hundred. 3:23 The families of the Gershonites shall encamp behind the tabernacle westward. 3:24 The prince of the fathers’ house of the Gershonites shall be Eliasaph the son of Lael. 3:25 The duty of the sons of Gershon in the Tent of Meeting shall be the tabernacle, and the tent, its covering, and the screen for the door of the Tent of Meeting, 3:26 and the hangings of the court, and the screen for the door of the court, which is by the tabernacle, and around the altar, and its cords for all of its service. 3:27 Of Kohath was the family of the Amramites, and the family of the Izharites, and the family of the Hebronites, and the family of the Uzzielites: these are the families of the Kohathites. 3:28 According to the number of all the males, from a month old and upward, there were eight thousand six hundred, keeping the requirements of the sanctuary. 3:29 The families of the sons of Kohath shall encamp on the south side of the tabernacle. 3:30 The prince of the fathers’ house of the families of the Kohathites shall be Elizaphan the son of Uzziel. 3:31 Their duty shall be the ark, the table, the lamp stand, the altars, the vessels of the sanctuary with which they minister, and the screen, and all its service. 3:32 Eleazar the son of Aaron the priest shall be prince of the princes of the Levites, with the oversight of those who keep the requirements of the sanctuary. 3:33 Of Merari was the family of the Mahlites, and the family of the Mushites. These are the families of Merari. 3:34 Those who were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, were six thousand two hundred. 3:35 The prince of the fathers’ house of the families of Merari was Zuriel the son of Abihail. They shall encamp on the north side of the tabernacle. 3:36 The appointed duty of the sons of Merari shall be the tabernacle’s boards, its bars, its pillars, its sockets, all its instruments, all its service, 3:37 the pillars of the court around it, their sockets, their pins, and their cords. 3:38 Those who encamp before the tabernacle eastward, in front of the Tent of Meeting toward the sunrise, shall be Moses, and Aaron and his sons, keeping the requirements of the sanctuary for the duty of the children of Israel. The stranger who comes near shall be put to death. 3:39 All who were numbered of the Levites, whom Moses and Aaron numbered at the commandment of Yahweh, by their families, all the males from a month old and upward, were twenty-two thousand. 3:40 Yahweh said to Moses, “Number all the firstborn males of the children of Israel from a month old and upward, and take the number of their names. 3:41 You shall take the Levites for me (I am Yahweh) instead of all the firstborn among the children of Israel; and the livestock of the Levites instead of all the firstborn among the livestock of the children of Israel.” 3:42 Moses numbered, as Yahweh commanded him, all the firstborn among the children of Israel. 3:43 All the firstborn males according to the number of names, from a month old and upward, of those who were numbered of them, were twenty-two thousand two hundred seventy-three. 3:44 Yahweh spoke to Moses, saying, 3:45 “Take the Levites instead of all the firstborn among the children of Israel, and the livestock of the Levites instead of their livestock; and the Levites shall be mine. I am Yahweh. 3:46 For the redemption of the two hundred seventy-three of the firstborn of the children of Israel, who exceed the number of the Levites, 3:47 you shall take five shekels apiece for each one; after the shekel of the sanctuary you shall take them (the shekel is twenty gerahs): 3:48 and you shall give the money, with which their remainder is redeemed, to Aaron and to his sons.” 3:49 Moses took the redemption money from those who exceeded the number of those who were redeemed by the Levites; 3:50 from the firstborn of the children of Israel he took the money, one thousand three hundred sixty-five shekels, after the shekel of the sanctuary: 3:51 and Moses gave the redemption money to Aaron and to his sons, according to the word of Yahweh, as Yahweh commanded Moses. | | Chapitre 3 1 Voici la postérité d'Aaron et de Moïse, au temps où l'Éternel parla à Moïse, sur la montagne de Sinaï. 2 Voici les noms des fils d'Aaron: Nadab, le premier-né, Abihu, Éléazar et Ithamar. 3 Ce sont là les noms des fils d'Aaron, qui reçurent l'onction comme sacrificateurs, et qui furent consacrés pour l'exercice du sacerdoce. 4 Nadab et Abihu moururent devant l'Éternel, lorsqu'ils apportèrent devant l'Éternel du feu étranger, dans le désert de Sinaï; ils n'avaient point de fils. Éléazar et Ithamar exercèrent le sacerdoce, en présence d'Aaron, leur père. 5 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 6 Fais approcher la tribu de Lévi, et tu la placeras devant le sacrificateur Aaron, pour qu'elle soit à son service. 7 Ils auront le soin de ce qui est remis à sa garde et à la garde de toute l'assemblée, devant la tente d'assignation: ils feront le service du tabernacle. 8 Ils auront le soin de tous les ustensiles de la tente d'assignation, et de ce qui est remis à la garde des enfants d'Israël: ils feront le service du tabernacle. 9 Tu donneras les Lévites à Aaron et à ses fils; ils lui seront entièrement donnés, de la part des enfants d'Israël. 10 Tu établiras Aaron et ses fils pour qu'ils observent les fonctions de leur sacerdoce; et l'étranger qui approchera sera puni de mort. 11 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 12 Voici, j'ai pris les Lévites du milieu des enfants d'Israël, à la place de tous les premiers-nés, des premiers-nés des enfants d'Israël; et les Lévites m'appartiendront. 13 Car tout premier-né m'appartient; le jour où j'ai frappé tous les premiers-nés dans le pays d'Égypte, je me suis consacré tous les premiers-nés en Israël, tant des hommes que des animaux: ils m'appartiendront. Je suis l'Éternel. 14 L'Éternel parla à Moïse, dans le désert de Sinaï, et dit: 15 Fais le dénombrement des enfants de Lévi, selon les maisons de leurs pères, selon leurs familles; tu feras le dénombrement de tous les mâles, depuis l'âge d'un mois et au-dessus. 16 Moïse en fit le dénombrement sur l'ordre de l'Éternel, en se conformant à l'ordre qui lui fut donné. 17 Ce sont ici les fils de Lévi, d'après leurs noms: Guerschon, Kehath et Merari. - 18 Voici les noms des fils de Guerschon, selon leurs familles: Libni et Schimeï. 19 Voici les fils de Kehath, selon leurs familles: Amram, Jitsehar, Hébron et Uziel; 20 et les fils de Merari, selon leurs familles: Machli et Muschi. Ce sont là les familles de Lévi, selon les maisons de leurs pères. 21 De Guerschon descendent la famille de Libni et la famille de Schimeï, formant les familles des Guerschonites. 22 Ceux dont on fit le dénombrement, en comptant tous les mâles depuis l'âge d'un mois et au-dessus, furent sept mille cinq cents. 23 Les familles des Guerschonites campaient derrière le tabernacle à l'occident. 24 Le chef de la maison paternelle des Guerschonites était Éliasaph, fils de Laël. 25 Pour ce qui concerne la tente d'assignation, on remit aux soins des fils de Guerschon le tabernacle et la tente, la couverture, le rideau qui est à l'entrée de la tente d'assignation; 26 les toiles du parvis et le rideau de l'entrée du parvis, tout autour du tabernacle et de l'autel, et tous les cordages pour le service du tabernacle. 27 De Kehath descendent la famille des Amramites, la famille des Jitseharites, la famille des Hébronites et la famille des Uziélites, formant les familles des Kehathites. 28 En comptant tous les mâles depuis l'âge d'un mois et au-dessus, il y en eut huit mille six cents, qui furent chargés des soins du sanctuaire. 29 Les familles des fils de Kehath campaient au côté méridional du tabernacle. 30 Le chef de la maison paternelle des familles des Kehathites était Élitsaphan, fils d'Uziel. 31 On remit à leurs soins l'arche, la table, le chandelier, les autels, les ustensiles du sanctuaire, avec lesquels on fait le service, le voile et tout ce qui en dépend. 32 Le chef des chefs des Lévites était Éléazar, fils du sacrificateur Aaron; il avait la surveillance de ceux qui étaient chargés des soins du sanctuaire. 33 De Merari descendent la famille de Machli et la famille de Muschi, formant les familles des Merarites. 34 Ceux dont on fit le dénombrement, en comptant tous les mâles depuis l'âge d'un mois et au-dessus, furent six mille deux cents. 35 Le chef de la maison paternelle des familles de Merari était Tsuriel, fils d'Abihaïl. Ils campaient du côté septentrional du tabernacle. 36 On remit à la garde et aux soins des fils de Merari les planches du tabernacle, ses barres, ses colonnes et leurs bases, tous ses ustensiles et tout ce qui en dépend; 37 les colonnes du parvis tout autour, leurs bases, leurs pieux et leurs cordages. 38 Moïse, Aaron et ses fils campaient devant le tabernacle, à l'orient, devant la tente d'assignation, au levant; ils avaient la garde et le soin du sanctuaire, remis à la garde des enfants d'Israël; et l'étranger qui s'approchera sera puni de mort. 39 Tous les Lévites dont Moïse et Aaron firent le dénombrement sur l'ordre de l'Éternel, selon leurs familles, tous les mâles depuis l'âge d'un mois et au-dessus, furent vingt-deux mille. 40 L'Éternel dit à Moïse: Fais le dénombrement de tous les premiers-nés mâles parmi les enfants d'Israël, depuis l'âge d'un mois et au-dessus, et compte les d'après leurs noms. 41 Tu prendras les Lévites pour moi, l'Éternel, à la place de tous les premiers-nés des enfants d'Israël, et le bétail des Lévites à la place de tous les premiers-nés du bétail des enfants d'Israël. 42 Moïse fit le dénombrement de tous les premiers-nés parmi les enfants d'Israël, selon l'ordre que l'Éternel lui avait donné. 43 Tous les premiers-nés mâles, dont on fit le dénombrement, en comptant les noms, depuis l'âge d'un mois et au-dessus, furent vingt-deux mille deux cent soixante-treize. 44 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 45 Prends les Lévites à la place de tous les premiers-nés des enfants d'Israël, et le bétail des Lévites à la place de leur bétail; et les Lévites m'appartiendront. Je suis l'Éternel. 46 Pour le rachat des deux cent soixante-treize qui dépassent le nombre des Lévites, parmi les premiers-nés des enfants d'Israël, 47 tu prendras cinq sicles par tête; tu les prendras selon le sicle du sanctuaire, qui est de vingt guéras. 48 Tu donneras l'argent à Aaron et à ses fils, pour le rachat de ceux qui dépassent le nombre des Lévites. 49 Moïse prit l'argent pour le rachat de ceux qui dépassaient le nombre des rachetés par les Lévites; 50 il prit l'argent des premiers-nés des enfants d'Israël: mille trois cent soixante-cinq sicles, selon le sicle du sanctuaire. 51 Et Moïse donna l'argent du rachat à Aaron et à ses fils, sur l'ordre de l'Éternel, en se conformant à l'ordre que l'Éternel avait donné à Moïse. | |