T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 29

1 Ary amin'ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.

2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

3 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,

4 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)

5 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,

6 ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

 

7 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.

8 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)

9 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,

10 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)

11 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

12 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.

13 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.

14 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa

15 ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)

16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

 

17 Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

18 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

19 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

 

20 Ary amin'ny andro fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

21 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

 

23 Ary amin'ny andro fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

24 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

25 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

 

26 Ary amin'ny andro fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

27 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

28 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

 

29 Ary amin'ny andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

30 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

31 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

 

32 Ary amin'ny andro fahafito koa dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

33 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

34 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

 

35 Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.

36 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

37 ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,

38 ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

39 Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.

 

Chapitre 29

29:1 “‘In the seventh month, on the first day of the month, you shall have a holy convocation; you shall do no servile work: it is a day of blowing of trumpets to you. 29:2 You shall offer a burnt offering for a pleasant aroma to Yahweh: one young bull, one ram, seven male lambs a year old without blemish; 29:3 and their meal offering, fine flour mixed with oil, three tenth parts for the bull, two tenth parts for the ram, 29:4 and one tenth part for every lamb of the seven lambs; 29:5 and one male goat for a sin offering, to make atonement for you; 29:6 besides the burnt offering of the new moon, and the meal offering of it, and the continual burnt offering and the meal offering of it, and their drink offerings, according to their ordinance, for a pleasant aroma, an offering made by fire to Yahweh.

29:7 “‘On the tenth day of this seventh month you shall have a holy convocation; and you shall afflict your souls: you shall do no kind of work; 29:8 but you shall offer a burnt offering to Yahweh for a pleasant aroma: one young bull, one ram, seven male lambs a year old; they shall be to you without blemish; 29:9 and their meal offering, fine flour mixed with oil, three tenth parts for the bull, two tenth parts for the one ram, 29:10 a tenth part for every lamb of the seven lambs: 29:11 one male goat for a sin offering; besides the sin offering of atonement, and the continual burnt offering, and the meal offering of it, and their drink offerings.

29:12 “‘On the fifteenth day of the seventh month you shall have a holy convocation; you shall do no servile work, and you shall keep a feast to Yahweh seven days: 29:13 and you shall offer a burnt offering, an offering made by fire, of a pleasant aroma to Yahweh; thirteen young bulls, two rams, fourteen male lambs a year old; they shall be without blemish; 29:14 and their meal offering, fine flour mixed with oil, three tenth parts for every bull of the thirteen bulls, two tenth parts for each ram of the two rams, 29:15 and a tenth part for every lamb of the fourteen lambs; 29:16 and one male goat for a sin offering, besides the continual burnt offering, the meal offering of it, and the drink offering of it.

29:17 “‘On the second day you shall offer twelve young bulls, two rams, fourteen male lambs a year old without blemish; 29:18 and their meal offering and their drink offerings for the bulls, for the rams, and for the lambs, according to their number, after the ordinance; 29:19 and one male goat for a sin offering; besides the continual burnt offering, and the meal offering of it, and their drink offerings.

29:20 “‘On the third day eleven bulls, two rams, fourteen male lambs a year old without blemish; 29:21 and their meal offering and their drink offerings for the bulls, for the rams, and for the lambs, according to their number, after the ordinance; 29:22 and one male goat for a sin offering; besides the continual burnt offering, and the meal offering of it, and the drink offering of it.

29:23 “‘On the fourth day ten bulls, two rams, fourteen male lambs a year old without blemish; 29:24 their meal offering and their drink offerings for the bulls, for the rams, and for the lambs, according to their number, after the ordinance; 29:25 and one male goat for a sin offering; besides the continual burnt offering, the meal offering of it, and the drink offering of it.

29:26 “‘On the fifth day nine bulls, two rams, fourteen male lambs a year old without blemish; 29:27 and their meal offering and their drink offerings for the bulls, for the rams, and for the lambs, according to their number, after the ordinance; 29:28 and one male goat for a sin offering, besides the continual burnt offering, and the meal offering of it, and the drink offering of it.

29:29 “‘On the sixth day eight bulls, two rams, fourteen male lambs a year old without blemish; 29:30 and their meal offering and their drink offerings for the bulls, for the rams, and for the lambs, according to their number, after the ordinance; 29:31 and one male goat for a sin offering; besides the continual burnt offering, the meal offering of it, and the drink offerings of it.

29:32 “‘On the seventh day seven bulls, two rams, fourteen male lambs a year old without blemish; 29:33 and their meal offering and their drink offerings for the bulls, for the rams, and for the lambs, according to their number, after the ordinance; 29:34 and one male goat for a sin offering; besides the continual burnt offering, the meal offering of it, and the drink offering of it.

29:35 “‘On the eighth day you shall have a solemn assembly: you shall do no servile work; 29:36 but you shall offer a burnt offering, an offering made by fire, of a pleasant aroma to Yahweh: one bull, one ram, seven male lambs a year old without blemish; 29:37 their meal offering and their drink offerings for the bull, for the ram, and for the lambs, shall be according to their number, after the ordinance: 29:38 and one male goat for a sin offering, besides the continual burnt offering, and the meal offering of it, and the drink offering of it.

29:39 “‘You shall offer these to Yahweh in your set feasts, besides your vows, and your freewill offerings, for your burnt offerings, and for your meal offerings, and for your drink offerings, and for your peace offerings.’”

29:40 Moses told the children of Israel according to all that Yahweh commanded Moses.

 

Chapitre 29
1 Le septième mois, le premier jour du mois, vous aurez une sainte convocation: vous ne ferez aucune oeuvre servile. Ce jour sera publié parmi vous au son des trompettes. 2 Vous offrirez en holocauste, d'une agréable odeur à l'Éternel, un jeune taureau, un bélier, et sept agneaux d'un an sans défaut. 3 Vous y joindrez l'offrande de fleur de farine pétrie à l'huile, trois dixièmes pour le taureau, deux dixièmes pour le bélier, 4 et un dixième pour chacun des sept agneaux. 5 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, afin de faire pour vous l'expiation. 6 Vous offrirez ces sacrifices, outre l'holocauste et l'offrande de chaque mois, l'holocauste perpétuel et l'offrande, et les libations qui s'y joignent, d'après les règles établies. Ce sont des sacrifices consumés par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 7 Le dixième jour de ce septième mois, vous aurez une sainte convocation, et vous humilierez vos âmes: vous ne ferez aucun ouvrage. 8 Vous offrirez en holocauste, d'une agréable odeur à l'Éternel, un jeune taureau, un bélier, et sept agneaux d'un an sans défaut. 9 Vous y joindrez l'offrande de fleur de farine pétrie à l'huile, trois dixièmes pour le taureau, (29:10) deux dixièmes pour le bélier, 10 et un dixième pour chacun des sept agneaux. 11 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre le sacrifice des expiations, l'holocauste perpétuel et l'offrande, et les libations ordinaires. 12 Le quinzième jour du septième mois, vous aurez une sainte convocation: vous ne ferez aucune oeuvre servile. Vous célébrerez une fête en l'honneur de l'Éternel, pendant sept jours. 13 Vous offrirez en holocauste un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel: treize jeunes taureaux, deux béliers, et quatorze agneaux d'un an sans défaut. 14 Vous y joindrez l'offrande de fleur de farine pétrie à l'huile, trois dixièmes pour chacun des treize taureaux, deux dixièmes pour chacun des deux béliers, 15 et un dixième pour chacun des quatorze agneaux. 16 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. - 17 Le second jour, vous offrirez douze jeunes taureaux, deux béliers, et quatorze agneaux d'un an sans défaut, 18 avec l'offrande et les libations pour les taureaux, les béliers et les agneaux, selon leur nombre, d'après les règles établies. 19 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. - 20 Le troisième jour, vous offrirez onze taureaux, deux béliers, et quatorze agneaux d'un an sans défaut, 21 avec l'offrande et les libations pour les taureaux, les béliers et les agneaux, selon leur nombre, d'après les règles établies. 22 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. - 23 Le quatrième jour, vous offrirez dix taureaux, deux béliers, et quatorze agneaux d'un an sans défaut, 24 avec l'offrande et les libations pour les taureaux, les béliers et les agneaux, selon leur nombre, d'après les règles établies. 25 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. - 26 Le cinquième jour, vous offrirez neuf taureaux, deux béliers, et quatorze agneaux d'un an sans défaut, 27 avec l'offrande et les libations pour les taureaux, les béliers et les agneaux selon leur nombre, d'après les règles établies. 28 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. - 29 Le sixième jour, vous offrirez huit taureaux, deux béliers et quatorze agneaux d'un an sans défaut, 30 avec l'offrande et les libations pour les taureaux, les béliers et les agneaux, selon leur nombre, d'après les règles établies. 31 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. - 32 Le septième jour, vous offrirez sept taureaux, deux béliers, et quatorze agneaux d'un an sans défaut, 33 avec l'offrande et les libations pour les taureaux, les béliers et les agneaux, selon leur nombre, d'après les règles établies. 34 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. - 35 Le huitième jour, vous aurez une assemblée solennelle: vous ne ferez aucune oeuvre servile. 36 Vous offrirez en holocauste un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel: un taureau, un bélier, et sept agneaux d'un an sans défaut, 37 avec l'offrande et les libations pour le taureau, le bélier et les agneaux, selon leur nombre, d'après les règles établies. 38 Vous offrirez un bouc en sacrifice d'expiation, outre l'holocauste perpétuel, l'offrande et la libation. 39 Tels sont les sacrifices que vous offrirez à l'Éternel dans vos fêtes, outre vos holocaustes, vos offrandes et vos libations, et vos sacrifices de prospérité, en accomplissement d'un voeu ou en offrandes volontaires. 40 (30:1) Moïse dit aux enfants d'Israël tout ce que l'Éternel lui avait ordonné.