T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 27

1 [Ny fanontanian'ny zanakavavin'i Zelofada, sy ny lalàna izay natao ny amin'izany] Ary avy ny zanakavavin'i Zelofada, zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),

2 dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:

3 Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.

4 Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.

5 Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.

6 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

7 Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.

8 Ary lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.

9 Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.

10 Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.

11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

*

12 [Ny amin'ny hahafatesan'i Mosesy, sy ny nanendrena an'i Josoa ho mpandimby azy. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.

13 Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao;

14 fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)

15 Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe:

16 Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

17 ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.

18 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;

19 ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.

20 Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.

21 Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.

22 Ary nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra

23 ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

 

Chapitre 27

27:1 Then drew near the daughters of Zelophehad, the son of Hepher, the son of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, of the families of Manasseh the son of Joseph; and these are the names of his daughters: Mahlah, Noah, and Hoglah, and Milcah, and Tirzah. 27:2 They stood before Moses, and before Eleazar the priest, and before the princes and all the congregation, at the door of the Tent of Meeting, saying, 27:3 “Our father died in the wilderness, and he was not among the company of those who gathered themselves together against Yahweh in the company of Korah: but he died in his own sin; and he had no sons. 27:4 Why should the name of our father be taken away from among his family, because he had no son? Give to us a possession among the brothers of our father.”

27:5 Moses brought their cause before Yahweh. 27:6 Yahweh spoke to Moses, saying, 27:7 “The daughters of Zelophehad speak right: you shall surely give them a possession of an inheritance among their father’s brothers; and you shall cause the inheritance of their father to pass to them. 27:8 You shall speak to the children of Israel, saying, ‘If a man dies, and has no son, then you shall cause his inheritance to pass to his daughter. 27:9 If he has no daughter, then you shall give his inheritance to his brothers. 27:10 If he has no brothers, then you shall give his inheritance to his father’s brothers. 27:11 If his father has no brothers, then you shall give his inheritance to his kinsman who is next to him of his family, and he shall possess it: and it shall be to the children of Israel a statute and ordinance, as Yahweh commanded Moses.’”

27:12 Yahweh said to Moses, “Go up into this mountain of Abarim, and see the land which I have given to the children of Israel. 27:13 When you have seen it, you also shall be gathered to your people, as Aaron your brother was gathered; 27:14 because you rebelled against my word in the wilderness of Zin, in the strife of the congregation, to sanctify me at the waters before their eyes.” (These are the waters of Meribah of Kadesh in the wilderness of Zin.)

27:15 Moses spoke to Yahweh, saying, 27:16 “Let Yahweh, the God of the spirits of all flesh, appoint a man over the congregation, 27:17 who may go out before them, and who may come in before them, and who may lead them out, and who may bring them in; that the congregation of Yahweh not be as sheep which have no shepherd.”

27:18 Yahweh said to Moses, “Take Joshua the son of Nun, a man in whom is the Spirit, and lay your hand on him; 27:19 and set him before Eleazar the priest, and before all the congregation; and commission him in their sight. 27:20 You shall put of your honor on him, that all the congregation of the children of Israel may obey. 27:21 He shall stand before Eleazar the priest, who shall inquire for him by the judgment of the Urim before Yahweh: at his word shall they go out, and at his word they shall come in, both he, and all the children of Israel with him, even all the congregation.”

27:22 Moses did as Yahweh commanded him; and he took Joshua, and set him before Eleazar the priest, and before all the congregation: 27:23 and he laid his hands on him, and commissioned him, as Yahweh spoke by Moses.

 

Chapitre 27
1 Les filles de Tselophchad, fils de Hépher, fils de Galaad, fils de Makir, fils de Manassé, des familles de Manassé, fils de Joseph, et dont les noms étaient Machla, Noa, Hogla, Milca et Thirtsa, 2 s'approchèrent et se présentèrent devant Moïse, devant le sacrificateur Éléazar, et devant les princes et toute l'assemblée, à l'entrée de la tente d'assignation. Elles dirent: 3 Notre père est mort dans le désert; il n'était pas au milieu de l'assemblée de ceux qui se révoltèrent contre l'Éternel, de l'assemblée de Koré, mais il est mort pour son péché, et il n'avait point de fils. 4 Pourquoi le nom de notre père serait-il retranché du milieu de sa famille, parce qu'il n'avait point eu de fils? Donne-nous une possession parmi les frères de notre père. 5 Moïse porta la cause devant l'Éternel. 6 Et l'Éternel dit à Moïse: 7 Les filles de Tselophchad ont raison. Tu leur donneras en héritage une possession parmi les frères de leur père, et c'est à elles que tu feras passer l'héritage de leur père. 8 Tu parleras aux enfants d'Israël, et tu diras: Lorsqu'un homme mourra sans laisser de fils, vous ferez passer son héritage à sa fille. 9 S'il n'a point de fille, vous donnerez son héritage à ses frères. 10 S'il n'a point de frères, vous donnerez son héritage aux frères de son père. 11 S'il n'y a point de frères de son père, vous donnerez son héritage au plus proche parent dans sa famille, et c'est lui qui le possédera. Ce sera pour les enfants d'Israël une loi et un droit, comme l'Éternel l'a ordonné à Moïse. 12 L'Éternel dit à Moïse: Monte sur cette montagne d'Abarim, et regarde le pays que je donne aux enfants d'Israël. 13 Tu le regarderas; mais toi aussi, tu seras recueilli auprès de ton peuple, comme Aaron, ton frère, a été recueilli; 14 parce que vous avez été rebelles à mon ordre, dans le désert de Tsin, lors de la contestation de l'assemblée, et que vous ne m'avez point sanctifié à leurs yeux à l'occasion des eaux. Ce sont les eaux de contestation, à Kadès, dans le désert de Tsin. 15 Moïse parla à l'Éternel, et dit: 16 Que l'Éternel, le Dieu des esprits de toute chair, établisse sur l'assemblée un homme 17 qui sorte devant eux et qui entre devant eux, qui les fasse sortir et qui les fasse entrer, afin que l'assemblée de l'Éternel ne soit pas comme des brebis qui n'ont point de berger. 18 L'Éternel dit à Moïse: Prends Josué, fils de Nun, homme en qui réside l'esprit; et tu poseras ta main sur lui. 19 Tu le placeras devant le sacrificateur Éléazar et devant toute l'assemblée, et tu lui donneras des ordres sous leurs yeux. 20 Tu le rendras participant de ta dignité, afin que toute l'assemblée des enfants d'Israël l'écoute. 21 Il se présentera devant le sacrificateur Éléazar, qui consultera pour lui le jugement de l'urim devant l'Éternel; et Josué, tous les enfants d'Israël avec lui, et toute l'assemblée, sortiront sur l'ordre d'Éléazar et entreront sur son ordre. 22 Moïse fit ce que l'Éternel lui avait ordonné. Il prit Josué, et il le plaça devant le sacrificateur Éléazar et devant toute l'assemblée. 23 Il posa ses mains sur lui, et lui donna des ordres, comme l'Éternel l'avait dit par Moïse.