T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 24

1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.

2 Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.

3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony

4 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:

5 Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!

6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.

7 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.

8 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany.

9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!

10 Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.

11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.

12 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:

13 Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?

14 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.

15 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;

16 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:

17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.

18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.

19 Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.

20 Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.

21 Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin'ny vatolampy ny akaninao.
22 Kanefa ho ringana Kaina, alohan'ny hamaboan'i Asyra anao.

23 Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
24 Ary hisy sambo avy any amin'ny tany Kitima, dia hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.

25 Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.

 

Chapitre 24

24:1 When Balaam saw that it pleased Yahweh to bless Israel, he didn’t go, as at the other times, to meet with enchantments, but he set his face toward the wilderness. 24:2 Balaam lifted up his eyes, and he saw Israel dwelling according to their tribes; and the Spirit of God came on him. 24:3 He took up his parable, and said,

“Balaam the son of Beor says,
the man whose eye was closed says;
24:4 he says, who hears the words of God,
who sees the vision of the Almighty,
falling down, and having his eyes open:
24:5 How goodly are your tents, Jacob,
and your tents, Israel!
24:6 As valleys they are spread forth,
as gardens by the riverside,
as aloes which Yahweh has planted,
as cedar trees beside the waters.
24:7 Water shall flow from his buckets.
His seed shall be in many waters.
His king shall be higher than Agag.
His kingdom shall be exalted.
24:8 God brings him out of Egypt.
He has as it were the strength of the wild ox.
He shall eat up the nations his adversaries,
shall break their bones in pieces,
and pierce them with his arrows.
24:9 He couched, he lay down as a lion,
as a lioness; who shall rouse him up?
Everyone who blesses you is blessed.
Everyone who curses you is cursed.”
24:10 Balak’s anger was kindled against Balaam, and he struck his hands together; and Balak said to Balaam, “I called you to curse my enemies, and, behold, you have altogether blessed them these three times. 24:11 Therefore now flee you to your place! I thought to promote you to great honor; but, behold, Yahweh has kept you back from honor.”

24:12 Balaam said to Balak, “Didn’t I also tell your messengers who you sent to me, saying, 24:13 ‘If Balak would give me his house full of silver and gold, I can’t go beyond the word of Yahweh, to do either good or bad of my own mind. I will say what Yahweh says’? 24:14 Now, behold, I go to my people: come, I will inform you what this people shall do to your people in the latter days.”

24:15 He took up his parable, and said,

“Balaam the son of Beor says,
the man whose eye was closed says;
24:16 he says, who hears the words of God,
knows the knowledge of the Most High,
and who sees the vision of the Almighty,
Falling down, and having his eyes open:
24:17 I see him, but not now.
I see him, but not near.
A star will come out of Jacob.
A scepter will rise out of Israel,
and shall strike through the corners of Moab,
and break down all the sons of Sheth.
24:18 Edom shall be a possession.
Seir, his enemies, also shall be a possession,
while Israel does valiantly.
24:19 Out of Jacob shall one have dominion,
and shall destroy the remnant from the city.”
24:20 He looked at Amalek, and took up his parable, and said,

“Amalek was the first of the nations,
But his latter end shall come to destruction.”
24:21 He looked at the Kenite, and took up his parable, and said,

“Your dwelling place is strong.
Your nest is set in the rock.
24:22 Nevertheless Kain shall be wasted,
until Asshur carries you away captive.”
24:23 He took up his parable, and said,

“Alas, who shall live when God does this?
24:24 But ships shall come from the coast of Kittim.
They shall afflict Asshur, and shall afflict Eber.
He also shall come to destruction.”
24:25 Balaam rose up, and went and returned to his place; and Balak also went his way.

 

Chapitre 24

1 Balaam vit que l'Éternel trouvait bon de bénir Israël, et il n'alla point comme les autres fois, à la rencontre des enchantements; mais il tourna son visage du côté du désert. 2 Balaam leva les yeux, et vit Israël campé selon ses tribus. Alors l'esprit de Dieu fut sur lui. 3 Balaam prononça son oracle, et dit: Parole de Balaam, fils de Beor, Parole de l'homme qui a l'oeil ouvert, 4 Parole de celui qui entend les paroles de Dieu, De celui qui voit la vision du Tout-Puissant, De celui qui se prosterne et dont les yeux s'ouvrent. 5 Qu'elles sont belles, tes tentes, ô Jacob! Tes demeures, ô Israël! 6 Elles s'étendent comme des vallées, Comme des jardins près d'un fleuve, Comme des aloès que l'Éternel a plantés, Comme des cèdres le long des eaux. 7 L'eau coule de ses seaux, Et sa semence est fécondée par d'abondantes eaux. Son roi s'élève au-dessus d'Agag, Et son royaume devient puissant. 8 Dieu l'a fait sortir d'Égypte, Il est pour lui comme la vigueur du buffle. Il dévore les nations qui s'élèvent contre lui, Il brise leurs os, et les abat de ses flèches. 9 Il ploie les genoux, il se couche comme un lion, comme une lionne: Qui le fera lever? Béni soit quiconque te bénira, Et maudit soit quiconque te maudira! 10 La colère de Balak s'enflamma contre Balaam; il frappa des mains, et dit à Balaam: C'est pour maudire mes ennemis que je t'ai appelé, et voici, tu les as bénis déjà trois fois. 11 Fuis maintenant, va-t'en chez toi! J'avais dit que je te rendrais des honneurs, mais l'Éternel t'empêche de les recevoir. 12 Balaam répondit à Balak: Eh! n'ai-je pas dit aux messagers que tu m'as envoyés: 13 Quand Balak me donnerait sa maison pleine d'argent et d'or, je ne pourrais faire de moi-même ni bien ni mal contre l'ordre de l'Éternel; je répéterai ce que dira l'Éternel? 14 Et maintenant voici, je m'en vais vers mon peuple. Viens, je t'annoncerai ce que ce peuple fera à ton peuple dans la suite des temps. 15 Balaam prononça son oracle, et dit: Parole de Balaam, fils de Beor, Parole de l'homme qui a l'oeil ouvert, 16 Parole de celui qui entend les paroles de Dieu, De celui qui connaît les desseins du Très-Haut, De celui qui voit la vision du Tout-Puissant, De celui qui se prosterne et dont les yeux s'ouvrent. 17 Je le vois, mais non maintenant, Je le contemple, mais non de près. Un astre sort de Jacob, Un sceptre s'élève d'Israël. Il perce les flancs de Moab, Et il abat tous les enfants de Seth. 18 Il se rend maître d'Édom, Il se rend maître de Séir, ses ennemis. Israël manifeste sa force. 19 Celui qui sort de Jacob règne en souverain, Il fait périr ceux qui s'échappent des villes. 20 Balaam vit Amalek. Il prononça son oracle, et dit: Amalek est la première des nations, Mais un jour il sera détruit. 21 Balaam vit les Kéniens. Il prononça son oracle, et dit: Ta demeure est solide, Et ton nid posé sur le roc. 22 Mais le Kénien sera chassé, Quand l'Assyrien t'emmènera captif. 23 Balaam prononça son oracle, et dit: Hélas! qui vivra après que Dieu l'aura établi? 24 Mais des navires viendront de Kittim, Ils humilieront l'Assyrien, ils humilieront l'Hébreu; Et lui aussi sera détruit. 25 Balaam se leva, partit, et retourna chez lui. Balak s'en alla aussi de son côté.