T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 23

1 Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.

2 Dia narahin'i Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

3 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.

4 Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.

5 Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.

6 Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.

7 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.

8 Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?

9 Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.

10 Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy! 11 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.

12 Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?

13 Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.

14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

15 Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin'i Jehovah.

16 Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.

17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?

18 Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak'i Zipora;

19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

20 Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.

21 Tsy mijery faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re eo aminy.

22 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,

23 Fa tsy misy fisikidianana eo amin'i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i Jehovah.

24 Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.

25 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory

26 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?

27 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.

28 Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.

29 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.

30 Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

 

Chapitre 23

23:1 Balaam said to Balak, “Build me here seven altars, and prepare me here seven bulls and seven rams.”

23:2 Balak did as Balaam had spoken; and Balak and Balaam offered on every altar a bull and a ram. 23:3 Balaam said to Balak, “Stand by your burnt offering, and I will go: perhaps Yahweh will come to meet me; and whatever he shows me I will tell you.”

He went to a bare height. 23:4 God met Balaam: and he said to him, “I have prepared the seven altars, and I have offered up a bull and a ram on every altar.”

23:5 Yahweh put a word in Balaam’s mouth, and said, “Return to Balak, and thus you shall speak.”

23:6 He returned to him, and behold, he was standing by his burnt offering, he, and all the princes of Moab. 23:7 He took up his parable, and said,

“From Aram has Balak brought me,
the king of Moab from the mountains of the East.
Come, curse Jacob for me.
Come, defy Israel.
23:8 How shall I curse whom God has not cursed?
How shall I defy whom Yahweh has not defied?
23:9 For from the top of the rocks I see him.
From the hills I see him.
Behold, it is a people that dwells alone,
and shall not be reckoned among the nations.
23:10 Who can count the dust of Jacob,
or number the fourth part of Israel?
Let me die the death of the righteous!
Let my last end be like his!”
23:11 Balak said to Balaam, “What have you done to me? I took you to curse my enemies, and behold, you have blessed them altogether.”

23:12 He answered and said, “Must I not take heed to speak that which Yahweh puts in my mouth?”

23:13 Balak said to him, “Please come with me to another place, where you may see them; you shall see but the utmost part of them, and shall not see them all: and curse me them from there.”

23:14 He took him into the field of Zophim, to the top of Pisgah, and built seven altars, and offered up a bull and a ram on every altar. 23:15 He said to Balak, “Stand here by your burnt offering, while I meet over there.”

23:16 Yahweh met Balaam, and put a word in his mouth, and said, “Return to Balak, and say this.”

23:17 He came to him, and behold, he was standing by his burnt offering, and the princes of Moab with him. Balak said to him, “What has Yahweh spoken?”

23:18 He took up his parable, and said,

“Rise up, Balak, and hear!
Listen to me, you son of Zippor.
23:19 God is not a man, that he should lie,
nor the son of man, that he should repent.
Has he said, and will he not do it?
Or has he spoken, and will he not make it good?
23:20 Behold, I have received a command to bless.
He has blessed, and I can’t reverse it.
23:21 He has not seen iniquity in Jacob.
Neither has he seen perverseness in Israel.
Yahweh his God is with him.
The shout of a king is among them.
23:22 God brings them out of Egypt.
He has as it were the strength of the wild ox.
23:23 Surely there is no enchantment with Jacob;
Neither is there any divination with Israel.
Now it shall be said of Jacob and of Israel,
What has God done!
23:24 Behold, the people rises up as a lioness,
As a lion he lifts himself up.
He shall not lie down until he eat of the prey,
and drinks the blood of the slain.”
23:25 Balak said to Balaam, “Neither curse them at all, nor bless them at all.”

23:26 But Balaam answered Balak, “Didn’t I tell you, saying, ‘All that Yahweh speaks, that I must do?’”

23:27 Balak said to Balaam, “Come now, I will take you to another place; perhaps it will please God that you may curse me them from there.”

23:28 Balak took Balaam to the top of Peor, that looks down on the desert. 23:29 Balaam said to Balak, “Build me here seven altars, and prepare me here seven bulls and seven rams.”

23:30 Balak did as Balaam had said, and offered up a bull and a ram on every altar.

 

Chapitre 23
1 Balaam dit à Balak: Bâtis-moi ici sept autels, et prépare-moi ici sept taureaux et sept béliers. 2 Balak fit ce que Balaam avait dit; et Balak et Balaam offrirent un taureau et un bélier sur chaque autel. 3 Balaam dit à Balak: Tiens-toi près de ton holocauste, et je m'éloignerai; peut-être que l'Éternel viendra à ma rencontre, et je te dirai ce qu'il me révélera. Et il alla sur un lieu élevé. 4 Dieu vint au-devant de Balaam, et Balaam lui dit: J'ai dressé sept autels, et j'ai offert un taureau et un bélier sur chaque autel. 5 L'Éternel mit des paroles dans la bouche de Balaam, et dit: Retourne vers Balak, et tu parleras ainsi. 6 Il retourna vers lui; et voici, Balak se tenait près de son holocauste, lui et tous les chefs de Moab. 7 Balaam prononça son oracle, et dit: Balak m'a fait descendre d'Aram, Le roi de Moab m'a fait descendre des montagnes de l'Orient. -Viens, maudis-moi Jacob! Viens, sois irrité contre Israël! 8 Comment maudirais-je celui que Dieu n'a point maudit? Comment serais-je irrité quand l'Éternel n'est point irrité? 9 Je le vois du sommet des rochers, Je le contemple du haut des collines: C'est un peuple qui a sa demeure à part, Et qui ne fait point partie des nations. 10 Qui peut compter la poussière de Jacob, Et dire le nombre du quart d'Israël? Que je meure de la mort des justes, Et que ma fin soit semblable à la leur! 11 Balak dit à Balaam: Que m'as-tu fait? Je t'ai pris pour maudire mon ennemi, et voici, tu le bénis! 12 Il répondit, et dit: N'aurai-je pas soin de dire ce que l'Éternel met dans ma bouche? 13 Balak lui dit: Viens donc avec moi dans un autre lieu, d'où tu le verras; tu n'en verras qu'une partie, tu n'en verras pas la totalité. Et de là maudis-le-moi. 14 Il le mena au champ de Tsophim, sur le sommet du Pisga; il bâtit sept autels, et offrit un taureau et un bélier sur chaque autel. 15 Balaam dit à Balak: Tiens-toi ici, près de ton holocauste, et j'irai à la rencontre de Dieu. 16 L'Éternel vint au-devant de Balaam; il mit des paroles dans sa bouche, et dit: Retourne vers Balak, et tu parleras ainsi. 17 Il retourna vers lui; et voici, Balak se tenait près de son holocauste, avec les chefs de Moab. Balak lui dit: Qu'est-ce que l'Éternel a dit? 18 Balaam prononça son oracle, et dit: Lève-toi, Balak, écoute! Prête-moi l'oreille, fils de Tsippor! 19 Dieu n'est point un homme pour mentir, Ni fils d'un homme pour se repentir. Ce qu'il a dit, ne le fera-t-il pas? Ce qu'il a déclaré, ne l'exécutera-t il pas? 20 Voici, j'ai reçu l'ordre de bénir: Il a béni, je ne le révoquerai point. 21 Il n'aperçoit point d'iniquité en Jacob, Il ne voit point d'injustice en Israël; L'Éternel, son Dieu, est avec lui, Il est son roi, l'objet de son allégresse. 22 Dieu les a fait sortir d'Égypte, Il est pour eux comme la vigueur du buffle. 23 L'enchantement ne peut rien contre Jacob, Ni la divination contre Israël; Au temps marqué, il sera dit à Jacob et à Israël: Quelle est l'oeuvre de Dieu. 24 C'est un peuple qui se lève comme une lionne, Et qui se dresse comme un lion; Il ne se couche point jusqu'à ce qu'il ait dévoré la proie, Et qu'il ait bu le sang des blessés. 25 Balak dit à Balaam: Ne le maudis pas, mais du moins ne le bénis pas. 26 Balaam répondit, et dit à Balak: Ne t'ai-je pas parlé ainsi: Je ferai tout ce que l'Éternel dira? 27 Balak dit à Balaam: Viens donc, je te mènerai dans un autre lieu; peut être Dieu trouvera-t-il bon que de là tu me maudisses ce peuple. 28 Balak mena Balaam sur le sommet du Peor, en regard du désert. 29 Balaam dit à Balak: Bâtis-moi ici sept autels, et prépare-moi ici sept taureaux et sept béliers. 30 Balak fit ce que Balaam avait dit, et il offrit un taureau et un bélier sur chaque autel.