T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 21

1 [Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjakan'i Arada] Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.

2 Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.

3 Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Horma.

4 [Ny Menarana Varahina] Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.

5 Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.

6 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.

7 Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.

8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.

9 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.

10 [Ny nandehanan'ny Isiraely nanodidina ny tany Edoma sy Moaba, ary ny nandreseny an'i Sihona sy Oga] Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.

11 Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.

12 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda.

13 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.

14 Koa izany no ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,

15 Ary ny tany kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba.

16 Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.

17 Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;

 18 Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalàna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.

19 Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;

20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra.

21 Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:

22 Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny lalan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.

23 Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.

24 Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.

25 Dia nalain'ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.

26 Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.

27 Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan'i Sihona;

28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba sy ny tompon'ny havoan'i Arnona.

29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.

30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba.

31 Dia nitoetra tao amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely.

32 Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.

33 Ary niverina ny olona ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.

34 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.

35 Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.

 

Chapitre 21

21:1 The Canaanite, the king of Arad, who lived in the South, heard tell that Israel came by the way of Atharim; and he fought against Israel, and took some of them captive. 21:2 Israel vowed a vow to Yahweh, and said, “If you will indeed deliver this people into my hand, then I will utterly destroy their cities.” 21:3 Yahweh listened to the voice of Israel, and delivered up the Canaanites; and they utterly destroyed them and their cities: and the name of the place was called Hormah.

21:4 They traveled from Mount Hor by the way to the Red Sea, to compass the land of Edom: and the soul of the people was much discouraged because of the way. 21:5 The people spoke against God, and against Moses, “Why have you brought us up out of Egypt to die in the wilderness? For there is no bread, and there is no water; and our soul loathes this light bread.”

21:6 Yahweh sent fiery serpents among the people, and they bit the people; and many people of Israel died. 21:7 The people came to Moses, and said, “We have sinned, because we have spoken against Yahweh, and against you. Pray to Yahweh, that he take away the serpents from us.” Moses prayed for the people.

21:8 Yahweh said to Moses, “Make a fiery serpent, and set it on a standard: and it shall happen, that everyone who is bitten, when he sees it, shall live.” 21:9 Moses made a serpent of brass, and set it on the standard: and it happened, that if a serpent had bitten any man, when he looked to the serpent of brass, he lived. 21:10 The children of Israel traveled, and encamped in Oboth. 21:11 They traveled from Oboth, and encamped at Iyeabarim, in the wilderness which is before Moab, toward the sunrise. 21:12 From there they traveled, and encamped in the valley of Zered. 21:13 From there they traveled, and encamped on the other side of the Arnon, which is in the wilderness, that comes out of the border of the Amorites: for the Arnon is the border of Moab, between Moab and the Amorites. 21:14 Therefore it is said in the book of the Wars of Yahweh, “Vaheb in Suphah, the valleys of the Arnon, 21:15 the slope of the valleys that incline toward the dwelling of Ar, leans on the border of Moab.”

21:16 From there they traveled to Beer: that is the well of which Yahweh said to Moses, “Gather the people together, and I will give them water.”

21:17 Then sang Israel this song:

“Spring up, well; sing to it:
21:18 the well, which the princes dug,
which the nobles of the people dug,
with the scepter, and with their poles.”
From the wilderness they traveled to Mattanah; 21:19 and from Mattanah to Nahaliel; and from Nahaliel to Bamoth; 21:20 and from Bamoth to the valley that is in the field of Moab, to the top of Pisgah, which looks down on the desert. 21:21 Israel sent messengers to Sihon king of the Amorites, saying, 21:22 “Let me pass through your land: we will not turn aside into field, or into vineyard; we will not drink of the water of the wells: we will go by the king’s highway, until we have passed your border.”

21:23 Sihon would not allow Israel to pass through his border: but Sihon gathered all his people together, and went out against Israel into the wilderness, and came to Jahaz; and he fought against Israel. 21:24 Israel struck him with the edge of the sword, and possessed his land from the Arnon to the Jabbok, even to the children of Ammon; for the border of the children of Ammon was strong. 21:25 Israel took all these cities: and Israel lived in all the cities of the Amorites, in Heshbon, and in all its towns. 21:26 For Heshbon was the city of Sihon the king of the Amorites, who had fought against the former king of Moab, and taken all his land out of his hand, even to the Arnon. 21:27 Therefore those who speak in proverbs say,

“Come to Heshbon.
Let the city of Sihon be built and established;
21:28 for a fire has gone out of Heshbon,
a flame from the city of Sihon.
It has devoured Ar of Moab,
The lords of the high places of the Arnon.
21:29 Woe to you, Moab!
You are undone, people of Chemosh!
He has given his sons as fugitives,
and his daughters into captivity,
to Sihon king of the Amorites.
21:30 We have shot at them.
Heshbon has perished even to Dibon.
We have laid waste even to Nophah,
Which reaches to Medeba.”
21:31 Thus Israel lived in the land of the Amorites. 21:32 Moses sent to spy out Jazer; and they took its towns, and drove out the Amorites who were there. 21:33 They turned and went up by the way of Bashan: and Og the king of Bashan went out against them, he and all his people, to battle at Edrei.

21:34 Yahweh said to Moses, “Don’t fear him: for I have delivered him into your hand, and all his people, and his land; and you shall do to him as you did to Sihon king of the Amorites, who lived at Heshbon.”

21:35 So they struck him, and his sons and all his people, until there was none left him remaining: and they possessed his land.

 

Chapitre 21
1 Le roi d'Arad, Cananéen, qui habitait le midi, apprit qu'Israël venait par le chemin d'Atharim. Il combattit Israël, et emmena des prisonniers. 2 Alors Israël fit un voeu à l'Éternel, et dit: Si tu livres ce peuple entre mes mains, je dévouerai ses villes par interdit. 3 L'Éternel entendit la voix d'Israël, et livra les Cananéens. On les dévoua par interdit, eux et leurs villes; et l'on nomma ce lieu Horma. 4 Ils partirent de la montagne de Hor par le chemin de la mer Rouge, pour contourner le pays d'Édom. Le peuple s'impatienta en route, 5 et parla contre Dieu et contre Moïse: Pourquoi nous avez-vous fait monter hors d'Égypte, pour que nous mourions dans le désert? car il n'y a point de pain, et il n'y a point d'eau, et notre âme est dégoûtée de cette misérable nourriture. 6 Alors l'Éternel envoya contre le peuple des serpents brûlants; ils mordirent le peuple, et il mourut beaucoup de gens en Israël. 7 Le peuple vint à Moïse, et dit: Nous avons péché, car nous avons parlé contre l'Éternel et contre toi. Prie l'Éternel, afin qu'il éloigne de nous ces serpents. Moïse pria pour le peuple. 8 L'Éternel dit à Moïse: Fais-toi un serpent brûlant, et place-le sur une perche; quiconque aura été mordu, et le regardera, conservera la vie. 9 Moïse fit un serpent d'airain, et le plaça sur une perche; et quiconque avait été mordu par un serpent, et regardait le serpent d'airain, conservait la vie. 10 Les enfants d'Israël partirent, et ils campèrent à Oboth. 11 Ils partirent d'Oboth et ils campèrent à Ijjé-Abarim, dans le désert qui est vis-à-vis de Moab, vers le soleil levant. 12 De là ils partirent, et ils campèrent dans la vallée de Zéred. 13 De là ils partirent, et ils campèrent de l'autre côté de l'Arnon, qui coule dans le désert en sortant du territoire des Amoréens; car l'Arnon est la frontière de Moab, entre Moab et les Amoréens. 14 C'est pourquoi il est dit dans le livre des Guerres de l'Éternel: ...Vaheb en Supha, et les torrents de l'Arnon, 15 et le cours des torrents, qui s'étend du côté d'Ar et touche à la frontière de Moab. 16 De là ils allèrent à Beer. C'est ce Beer, où l'Éternel dit à Moïse: Rassemble le peuple, et je leur donnerai de l'eau. 17 Alors Israël chanta ce cantique: Monte, puits! Chantez en son honneur! 18 Puits, que des princes ont creusé, Que les grands du peuple ont creusé, Avec le sceptre, avec leurs bâtons! (21:19) Du désert ils allèrent à Matthana; 19 de Matthana, à Nahaliel; de Nahaliel, à Bamoth; 20 de Bamoth, à la vallée qui est dans le territoire de Moab, au sommet du Pisga, en regard du désert. 21 Israël envoya des messagers à Sihon, roi des Amoréens, pour lui dire: 22 Laisse-moi passer par ton pays; nous n'entrerons ni dans les champs, ni dans les vignes, et nous ne boirons pas l'eau des puits; nous suivrons la route royale, jusqu'à ce que nous ayons franchi ton territoire. 23 Sihon n'accorda point à Israël le passage sur son territoire; il rassembla tout son peuple, et sortit à la rencontre d'Israël, dans le désert; il vint à Jahats, et combattit Israël. 24 Israël le frappa du tranchant de l'épée et s'empara de son pays depuis l'Arnon jusqu'au Jabbok, jusqu'à la frontière des enfants d'Ammon; car la frontière des enfants d'Ammon était fortifiée. 25 Israël prit toutes les villes, et s'établit dans toutes les villes des Amoréens, à Hesbon et dans toutes les villes de son ressort. 26 Car Hesbon était la ville de Sihon, roi des Amoréens; il avait fait la guerre au précédent roi de Moab, et lui avait enlevé tout son pays jusqu'à l'Arnon. 27 C'est pourquoi les poètes disent: Venez à Hesbon! Que la ville de Sihon soit rebâtie et fortifiée! 28 Car il est sorti un feu de Hesbon, Une flamme de la ville de Sihon; Elle a dévoré Ar-Moab, Les habitants des hauteurs de l'Arnon. 29 Malheur à toi, Moab! Tu es perdu, peuple de Kemosch! Il a fait de ses fils des fuyards, Et il a livré ses filles captives A Sihon, roi des Amoréens. 30 Nous avons lancé sur eux nos traits: De Hesbon à Dibon tout est détruit; Nous avons étendu nos ravages jusqu'à Nophach, Jusqu'à Médeba. 31 Israël s'établit dans le pays des Amoréens. 32 Moïse envoya reconnaître Jaezer; et ils prirent les villes de son ressort, et chassèrent les Amoréens qui y étaient. 33 Ils changèrent ensuite de direction, et montèrent par le chemin de Basan. Og, roi de Basan, sortit à leur rencontre, avec tout son peuple, pour les combattre à Édréi. 34 L'Éternel dit à Moïse: Ne le crains point; car je le livre entre tes mains, lui et tout son peuple, et son pays; tu le traiteras comme tu as traité Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon. 35 Et ils le battirent, lui et ses fils, et tout son peuple, sans en laisser échapper un seul, et ils s'emparèrent de son pays.