T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 20

1 [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona tamin'izy nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy] Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.

2 Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.

3 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!

4 Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

5 Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?

6 Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.

 

7 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

8 Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

9 Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.

10 Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?

11 Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

12 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.

13 Ity no ranon'i Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.

*

14 [Ny teny nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:

15 dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;

16 ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;

17 koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.

19 Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.

20 Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.

21 Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.

*

22 Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.

23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:

24 Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.

25 Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;

26 dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.

27 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.

28 Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.

29 Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.

 

Chapitre 20

20:1 The children of Israel, even the whole congregation, came into the wilderness of Zin in the first month: and the people stayed in Kadesh; and Miriam died there, and was buried there. 20:2 There was no water for the congregation: and they assembled themselves together against Moses and against Aaron. 20:3 The people strove with Moses, and spoke, saying, “We wish that we had died when our brothers died before Yahweh! 20:4 Why have you brought the assembly of Yahweh into this wilderness, that we should die there, we and our animals? 20:5 Why have you made us to come up out of Egypt, to bring us in to this evil place? It is no place of seed, or of figs, or of vines, or of pomegranates; neither is there any water to drink.”

20:6 Moses and Aaron went from the presence of the assembly to the door of the Tent of Meeting, and fell on their faces: and the glory of Yahweh appeared to them. 20:7 Yahweh spoke to Moses, saying, 20:8 “Take the rod, and assemble the congregation, you, and Aaron your brother, and speak to the rock before their eyes, that it give forth its water; and you shall bring forth to them water out of the rock; so you shall give the congregation and their livestock drink.”

20:9 Moses took the rod from before Yahweh, as he commanded him. 20:10 Moses and Aaron gathered the assembly together before the rock, and he said to them, “Hear now, you rebels; shall we bring you water out of this rock for you?” 20:11 Moses lifted up his hand, and struck the rock with his rod twice: and water came forth abundantly, and the congregation drank, and their livestock.

20:12 Yahweh said to Moses and Aaron, “Because you didn’t believe in me, to sanctify me in the eyes of the children of Israel, therefore you shall not bring this assembly into the land which I have given them.”

20:13 These are the waters of Meribah; because the children of Israel strove with Yahweh, and he was sanctified in them. 20:14 Moses sent messengers from Kadesh to the king of Edom, saying:

“Thus says your brother Israel: You know all the travail that has happened to us: 20:15 how our fathers went down into Egypt, and we lived in Egypt a long time; and the Egyptians dealt ill with us, and our fathers: 20:16 and when we cried to Yahweh, he heard our voice, and sent an angel, and brought us forth out of Egypt: and behold, we are in Kadesh, a city in the uttermost of your border.

20:17 “Please let us pass through your land: we will not pass through field or through vineyard, neither will we drink of the water of the wells: we will go along the king’s highway; we will not turn aside to the right hand nor to the left, until we have passed your border.”

20:18 Edom said to him, “You shall not pass through me, lest I come out with the sword against you.”

20:19 The children of Israel said to him, “We will go up by the highway; and if we drink of your water, I and my livestock, then will I give its price: let me only, without doing anything else, pass through on my feet.”

20:20 He said, “You shall not pass through.” Edom came out against him with many people, and with a strong hand. 20:21 Thus Edom refused to give Israel passage through his border, so Israel turned away from him.

20:22 They traveled from Kadesh: and the children of Israel, even the whole congregation, came to Mount Hor. 20:23 Yahweh spoke to Moses and Aaron in Mount Hor, by the border of the land of Edom, saying, 20:24 “Aaron shall be gathered to his people; for he shall not enter into the land which I have given to the children of Israel, because you rebelled against my word at the waters of Meribah. 20:25 Take Aaron and Eleazar his son, and bring them up to Mount Hor; 20:26 and strip Aaron of his garments, and put them on Eleazar his son: and Aaron shall be taken, and shall die there.”

20:27 Moses did as Yahweh commanded: and they went up into Mount Hor in the sight of all the congregation. 20:28 Moses stripped Aaron of his garments, and put them on Eleazar his son; and Aaron died there on the top of the mountain: and Moses and Eleazar came down from the mountain. 20:29 When all the congregation saw that Aaron was dead, they wept for Aaron thirty days, even all the house of Israel.

 

Chapitre 20
1 Toute l'assemblée des enfants d'Israël arriva dans le désert de Tsin le premier mois, et le peuple s'arrêta à Kadès. C'est là que mourut Marie, et qu'elle fut enterrée. 2 Il n'y avait point d'eau pour l'assemblée; et l'on se souleva contre Moïse et Aaron. 3 Le peuple chercha querelle à Moïse. Ils dirent: Que n'avons-nous expiré, quand nos frères expirèrent devant l'Éternel? 4 Pourquoi avez-vous fait venir l'assemblée de l'Éternel dans ce désert, pour que nous y mourions, nous et notre bétail? 5 Pourquoi nous avez-vous fait monter hors d'Égypte, pour nous amener dans ce méchant lieu? Ce n'est pas un lieu où l'on puisse semer, et il n'y a ni figuier, ni vigne, ni grenadier, ni d'eau à boire. 6 Moïse et Aaron s'éloignèrent de l'assemblée pour aller à l'entrée de la tente d'assignation. Ils tombèrent sur leur visage; et la gloire de l'Éternel leur apparut. 7 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 8 Prends la verge, et convoque l'assemblée, toi et ton frère Aaron. Vous parlerez en leur présence au rocher, et il donnera ses eaux; tu feras sortir pour eux de l'eau du rocher, et tu abreuveras l'assemblée et leur bétail. 9 Moïse prit la verge qui était devant l'Éternel, comme l'Éternel le lui avait ordonné. 10 Moïse et Aaron convoquèrent l'assemblée en face du rocher. Et Moïse leur dit: Écoutez donc, rebelles! Est-ce de ce rocher que nous vous ferons sortir de l'eau? 11 Puis Moïse leva la main et frappa deux fois le rocher avec sa verge. Il sortit de l'eau en abondance. L'assemblée but, et le bétail aussi. 12 Alors l'Éternel dit à Moïse et à Aaron: Parce que vous n'avez pas cru en moi, pour me sanctifier aux yeux des enfants d'Israël, vous ne ferez point entrer cette assemblée dans le pays que je lui donne. 13 Ce sont les eaux de Meriba, où les enfants d'Israël contestèrent avec l'Éternel, qui fut sanctifié en eux. 14 De Kadès, Moïse envoya des messagers au roi d'Édom, pour lui dire: Ainsi parle ton frère Israël: Tu sais toutes les souffrances que nous avons éprouvées. 15 Nos pères descendirent en Égypte, et nous y demeurâmes longtemps. Mais les Égyptiens nous ont maltraités, nous et nos pères. 16 Nous avons crié à l'Éternel, et il a entendu notre voix. Il a envoyé un ange, et nous a fait sortir de l'Égypte. Et voici, nous sommes à Kadès, ville à l'extrémité de ton territoire. 17 Laisse-nous passer par ton pays; nous ne traverserons ni les champs, ni les vignes, et nous ne boirons pas l'eau des puits; nous suivrons la route royale, sans nous détourner à droite ou à gauche, jusqu'à ce que nous ayons franchi ton territoire. 18 Édom lui dit: Tu ne passeras point chez moi, sinon je sortirai à ta rencontre avec l'épée. 19 Les enfants d'Israël lui dirent: Nous monterons par la grande route; et, si nous buvons de ton eau, moi et mes troupeaux, j'en paierai le prix; je ne ferai que passer avec mes pieds, pas autre chose. 20 Il répondit: Tu ne passeras pas! Et Édom sortit à sa rencontre avec un peuple nombreux et à main forte. 21 Ainsi Édom refusa de donner passage à Israël par son territoire. Et Israël se détourna de lui. 22 Toute l'assemblée des enfants d'Israël partit de Kadès, et arriva à la montagne de Hor. 23 L'Éternel dit à Moïse et à Aaron, vers la montagne de Hor, sur la frontière du pays d'Édom: 24 Aaron va être recueilli auprès de son peuple; car il n'entrera point dans le pays que je donne aux enfants d'Israël, parce que vous avez été rebelles à mon ordre, aux eaux de Meriba. 25 Prends Aaron et son fils Éléazar, et fais-les monter sur la montagne de Hor. 26 Dépouille Aaron de ses vêtements, et fais-les revêtir à Éléazar, son fils. C'est là qu'Aaron sera recueilli et qu'il mourra. 27 Moïse fit ce que l'Éternel avait ordonné. Ils montèrent sur la montagne de Hor, aux yeux de toute l'assemblée. 28 Moïse dépouilla Aaron de ses vêtements, et les fit revêtir à Éléazar, son fils. Aaron mourut là, au sommet de la montagne. Moïse et Éléazar descendirent de la montagne. 29 Toute l'assemblée vit qu'Aaron avait expiré, et toute la maison d'Israël pleura Aaron pendant trente jours.