T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 [Ny lalàna ny amin'ny vantotr'ombivavy mena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

2 Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondrany vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.

3 Ary omeo ho an'i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka hovonoina eo anatrehany.

4 Dia hanalan'i Eleazara mpisorona amin'ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana.

5 Dia hodorana eo imasony ilay vantotr'ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin'ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.

6 Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan'ny afo andoroana ny vantotr'ombivavy.

7 Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin'ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin'ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan'ny andro ny mpisorona.

8 Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

9 Dia hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.

10 Ary ilay nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.

 

11 Izay mikasika fatin'olona dia haloto hafitoana.

12 Hanadio ny tenany amin'izany rano izany izy amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.

13 Izay rehetra mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.

14 Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin'ny lay dia haloto hafitoana.

15 Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.

16 Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia haloto hafitoana.

17 Dia hangalana ho an'ny maloto ny lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.

18 Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.

19 Ary ny maloto dia hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano, dia hadio rehefa hariva.

20 Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.

21 Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

22 Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.

 

Chapitre 19

19:1 Yahweh spoke to Moses and to Aaron, saying, 19:2 “This is the statute of the law which Yahweh has commanded: Speak to the children of Israel, that they bring you a red heifer without spot, in which is no blemish, and which was never yoked. 19:3 You shall give her to Eleazar the priest, and he shall bring her forth outside of the camp, and one shall kill her before his face: 19:4 and Eleazar the priest shall take of her blood with his finger, and sprinkle her blood toward the front of the Tent of Meeting seven times. 19:5 One shall burn the heifer in his sight; her skin, and her flesh, and her blood, with her dung, shall he burn: 19:6 and the priest shall take cedar wood, and hyssop, and scarlet, and cast it into the midst of the burning of the heifer. 19:7 Then the priest shall wash his clothes, and he shall bathe his flesh in water, and afterward he shall come into the camp, and the priest shall be unclean until the evening. 19:8 He who burns her shall wash his clothes in water, and bathe his flesh in water, and shall be unclean until the evening.

19:9 “A man who is clean shall gather up the ashes of the heifer, and lay them up outside of the camp in a clean place; and it shall be kept for the congregation of the children of Israel for a water for impurity: it is a sin offering. 19:10 He who gathers the ashes of the heifer shall wash his clothes, and be unclean until the evening: and it shall be to the children of Israel, and to the stranger who lives as a foreigner among them, for a statute forever.

19:11 “He who touches the dead body of any man shall be unclean seven days: 19:12 the same shall purify himself with water on the third day, and on the seventh day he shall be clean: but if he doesn’t purify himself the third day, then the seventh day he shall not be clean. 19:13 Whoever touches a dead person, the body of a man who has died, and doesn’t purify himself, defiles the tabernacle of Yahweh; and that soul shall be cut off from Israel: because the water for impurity was not sprinkled on him, he shall be unclean; his uncleanness is yet on him.

19:14 “This is the law when a man dies in a tent: everyone who comes into the tent, and everyone who is in the tent, shall be unclean seven days. 19:15 Every open vessel, which has no covering bound on it, is unclean.

19:16 “Whoever in the open field touches one who is slain with a sword, or a dead body, or a bone of a man, or a grave, shall be unclean seven days.

19:17 “For the unclean they shall take of the ashes of the burning of the sin offering; and running water shall be put thereto in a vessel: 19:18 and a clean person shall take hyssop, and dip it in the water, and sprinkle it on the tent, and on all the vessels, and on the persons who were there, and on him who touched the bone, or the slain, or the dead, or the grave: 19:19 and the clean person shall sprinkle on the unclean on the third day, and on the seventh day: and on the seventh day he shall purify him; and he shall wash his clothes, and bathe himself in water, and shall be clean at evening. 19:20 But the man who shall be unclean, and shall not purify himself, that soul shall be cut off from the midst of the assembly, because he has defiled the sanctuary of Yahweh: the water for impurity has not been sprinkled on him; he is unclean. 19:21 It shall be a perpetual statute to them: and he who sprinkles the water for impurity shall wash his clothes, and he who touches the water for impurity shall be unclean until evening.

19:22 “Whatever the unclean person touches shall be unclean; and the soul that touches it shall be unclean until evening.”

 

Chapitre 19
1 L'Éternel parla à Moïse et à Aaron, et dit: 2 Voici ce qui est ordonné par la loi que l'Éternel a prescrite, en disant: Parle aux enfants d'Israël, et qu'ils t'amènent une vache rousse, sans tache, sans défaut corporel, et qui n'ait point porté le joug. 3 Vous la remettrez au sacrificateur Éléazar, qui la fera sortir du camp, et on l'égorgera devant lui. 4 Le sacrificateur Éléazar prendra du sang de la vache avec le doigt, et il en fera sept fois l'aspersion sur le devant de la tente d'assignation. 5 On brûlera la vache sous ses yeux; on brûlera sa peau, sa chair et son sang, avec ses excréments. 6 Le sacrificateur prendra du bois de cèdre, de l'hysope et du cramoisi, et il les jettera au milieu des flammes qui consumeront la vache. 7 Le sacrificateur lavera ses vêtements, et lavera son corps dans l'eau; puis il rentrera dans le camp, et sera impur jusqu'au soir. 8 Celui qui aura brûlé la vache lavera ses vêtements dans l'eau, et lavera son corps dans l'eau; et il sera impur jusqu'au soir. 9 Un homme pur recueillera la cendre de la vache, et la déposera hors du camp, dans un lieu pur; on la conservera pour l'assemblée des enfants d'Israël, afin d'en faire l'eau de purification. C'est une eau expiatoire. 10 Celui qui aura recueilli la cendre de la vache lavera ses vêtements, et sera impur jusqu'au soir. Ce sera une loi perpétuelle pour les enfants d'Israël et pour l'étranger en séjour au milieu d'eux. 11 Celui qui touchera un mort, un corps humain quelconque, sera impur pendant sept jours. 12 Il se purifiera avec cette eau le troisième jour et le septième jour, et il sera pur; mais, s'il ne se purifie pas le troisième jour et le septième jour, il ne sera pas pur. 13 Celui qui touchera un mort, le corps d'un homme qui sera mort, et qui ne se purifiera pas, souille le tabernacle de l'Éternel; celui-là sera retranché d'Israël. Comme l'eau de purification n'a pas été répandue sur lui, il est impur, et son impureté est encore sur lui. 14 Voici la loi. Lorsqu'un homme mourra dans une tente, quiconque entrera dans la tente, et quiconque se trouvera dans la tente, sera impur pendant sept jours. 15 Tout vase découvert, sur lequel il n'y aura point de couvercle attaché, sera impur. 16 Quiconque touchera, dans les champs, un homme tué par l'épée, ou un mort, ou des ossements humains, ou un sépulcre, sera impur pendant sept jours. 17 On prendra, pour celui qui est impur, de la cendre de la victime expiatoire qui a été brûlée, et on mettra dessus de l'eau vive dans un vase. 18 Un homme pur prendra de l'hysope, et la trempera dans l'eau; puis il en fera l'aspersion sur la tente, sur tous les ustensiles, sur les personnes qui sont là, sur celui qui a touché des ossements, ou un homme tué, ou un mort, ou un sépulcre. 19 Celui qui est pur fera l'aspersion sur celui qui est impur, le troisième jour et le septième jour, et il le purifiera le septième jour. Il lavera ses vêtements, et se lavera dans l'eau; et le soir, il sera pur. 20 Un homme qui sera impur, et qui ne se purifiera pas, sera retranché du milieu de l'assemblée, car il a souillé le sanctuaire de l'Éternel; comme l'eau de purification n'a pas été répandue sur lui, il est impur. 21 Ce sera pour eux une loi perpétuelle. Celui qui fera l'aspersion de l'eau de purification lavera ses vêtements, et celui qui touchera l'eau de purification sera impur jusqu'au soir. 22 Tout ce que touchera celui qui est impur sera souillé, et la personne qui le touchera sera impure jusqu'au soir.