| Chapitre 18 1 [Ny amin'ny raharahan'ny Levita sy ny mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo. 2 Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona. 3 Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa. 4 Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo. 5 Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony. 6 Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana. 7 Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin'ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin'ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty. 8 Ary Jehovah niteny tamin'i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay. 9 Izao no ho anao amin'ny zavatra masina indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany. 10 Toy ny fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany. 11 Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. 12 Izay rehetra tsara indrindra amin'ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao. 13 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy. 14 Ny zavatra rehetra voatokana amin'ny Isiraely dia ho anao. 15 Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa. 16 Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany). 17 Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny ràny dia hatopinao amin'ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. 18 Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana. 19 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa. 20 Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny Zanak'Isiraely. 21 Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. 22 Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao meloka izy ka maty. 23 Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. 24 Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. 25 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 26 Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany. 27 Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana. 28 Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona. 29 Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy. 30 Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana izany. 31 Dia mahazo mihinana izany eo amin'ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 32 Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo. | | Chapitre 18 18:1 Yahweh said to Aaron, “You and your sons and your fathers’ house with you shall bear the iniquity of the sanctuary; and you and your sons with you shall bear the iniquity of your priesthood. 18:2 Your brothers also, the tribe of Levi, the tribe of your father, bring near with you, that they may be joined to you, and minister to you: but you and your sons with you shall be before the tent of the testimony. 18:3 They shall keep your commands, and the duty of all the Tent: only they shall not come near to the vessels of the sanctuary and to the altar, that they not die, neither they, nor you. 18:4 They shall be joined to you, and keep the responsibility of the Tent of Meeting, for all the service of the Tent: and a stranger shall not come near to you. 18:5 “You shall perform the duty of the sanctuary, and the duty of the altar; that there be no more wrath on the children of Israel. 18:6 I, behold, I have taken your brothers the Levites from among the children of Israel: to you they are a gift, given to Yahweh, to do the service of the Tent of Meeting. 18:7 You and your sons with you shall keep your priesthood for everything of the altar, and for that within the veil; and you shall serve: I give you the priesthood as a service of gift: and the stranger who comes near shall be put to death.” 18:8 Yahweh spoke to Aaron, “I, behold, I have given you the command of my wave offerings, even all the holy things of the children of Israel; to you have I given them by reason of the anointing, and to your sons, as a portion forever. 18:9 This shall be yours of the most holy things from the fire: every offering of theirs, even every meal offering of theirs, and every sin offering of theirs, and every trespass offering of theirs, which they shall render to me, shall be most holy for you and for your sons. 18:10 You shall eat of it like the most holy things. Every male shall eat of it. It shall be holy to you. 18:11 “This is yours, too: the wave offering of their gift, even all the wave offerings of the children of Israel. I have given them to you, and to your sons and to your daughters with you, as a portion forever. Everyone who is clean in your house shall eat of it. 18:12 “All the best of the oil, and all the best of the vintage, and of the grain, the first fruits of them which they give to Yahweh, to you have I given them. 18:13 The first-ripe fruits of all that is in their land, which they bring to Yahweh, shall be yours; everyone who is clean in your house shall eat of it. 18:14 “Everything devoted in Israel shall be yours. 18:15 Everything that opens the womb, of all flesh which they offer to Yahweh, both of man and animal shall be yours: nevertheless you shall surely redeem the firstborn of man, and you shall redeem the firstborn of unclean animals. 18:16 You shall redeem those who are to be redeemed of them from a month old, according to your estimation, for five shekels of money, after the shekel of the sanctuary (the same is twenty gerahs). 18:17 “But you shall not redeem the firstborn of a cow, or the firstborn of a sheep, or the firstborn of a goat. They are holy. You shall sprinkle their blood on the altar, and shall burn their fat for an offering made by fire, for a pleasant aroma to Yahweh. 18:18 Their flesh shall be yours, as the wave offering breast and as the right thigh, it shall be yours. 18:19 All the wave offerings of the holy things, which the children of Israel offer to Yahweh, have I given you, and your sons and your daughters with you, as a portion forever: it is a covenant of salt forever before Yahweh to you and to your seed with you.” 18:20 Yahweh said to Aaron, “You shall have no inheritance in their land, neither shall you have any portion among them. I am your portion and your inheritance among the children of Israel. 18:21 “To the children of Levi, behold, I have given all the tithe in Israel for an inheritance, in return for their service which they serve, even the service of the Tent of Meeting. 18:22 Henceforth the children of Israel shall not come near the Tent of Meeting, lest they bear sin, and die. 18:23 But the Levites shall do the service of the Tent of Meeting, and they shall bear their iniquity: it shall be a statute forever throughout your generations; and among the children of Israel they shall have no inheritance. 18:24 For the tithe of the children of Israel, which they offer as a wave offering to Yahweh, I have given to the Levites for an inheritance: therefore I have said to them, ‘Among the children of Israel they shall have no inheritance.’” 18:25 Yahweh spoke to Moses, saying, 18:26 “Moreover you shall speak to the Levites, and tell them, ‘When you take of the children of Israel the tithe which I have given you from them for your inheritance, then you shall offer up a wave offering of it for Yahweh, a tithe of the tithe. 18:27 Your wave offering shall be reckoned to you, as though it were the grain of the threshing floor, and as the fullness of the winepress. 18:28 Thus you also shall offer a wave offering to Yahweh of all your tithes, which you receive of the children of Israel; and of it you shall give Yahweh’s wave offering to Aaron the priest. 18:29 Out of all your gifts you shall offer every wave offering of Yahweh, of all its best, even the holy part of it out of it.’ 18:30 “Therefore you shall tell them, ‘When you heave its best from it, then it shall be reckoned to the Levites as the increase of the threshing floor, and as the increase of the winepress. 18:31 You shall eat it in every place, you and your households: for it is your reward in return for your service in the Tent of Meeting. 18:32 You shall bear no sin by reason of it, when you have heaved from it its best: and you shall not profane the holy things of the children of Israel, that you not die.’” | | Chapitre 18 1 L'Éternel dit à Aaron: Toi et tes fils, et la maison de ton père avec toi, vous porterez la peine des iniquités commises dans le sanctuaire; toi et tes fils avec toi, vous porterez la peine des iniquités commises dans l'exercice de votre sacerdoce. 2 Fais aussi approcher de toi tes frères, la tribu de Lévi, la tribu de ton père, afin qu'ils te soient attachés et qu'ils te servent, lorsque toi, et tes fils avec toi, vous serez devant la tente du témoignage. 3 Ils observeront ce que tu leur ordonneras et ce qui concerne toute la tente; mais ils ne s'approcheront ni des ustensiles du sanctuaire, ni de l'autel, de peur que vous ne mouriez, eux et vous. 4 Ils te seront attachés, et ils observeront ce qui concerne la tente d'assignation pour tout le service de la tente. Aucun étranger n'approchera de vous. 5 Vous observerez ce qui concerne le sanctuaire et l'autel, afin qu'il n'y ait plus de colère contre les enfants d'Israël. 6 Voici, j'ai pris vos frères les Lévites du milieu des enfants d'Israël: donnés à l'Éternel, ils vous sont remis en don pour faire le service de la tente d'assignation. 7 Toi, et tes fils avec toi, vous observerez les fonctions de votre sacerdoce pour tout ce qui concerne l'autel et pour ce qui est en dedans du voile: c'est le service que vous ferez. Je vous accorde en pur don l'exercice du sacerdoce. L'étranger qui approchera sera mis à mort. 8 L'Éternel dit à Aaron: Voici, de toutes les choses que consacrent les enfants d'Israël, je te donne celles qui me sont offertes par élévation; je te les donne, à toi et à tes fils, comme droit d'onction, par une loi perpétuelle. 9 Voici ce qui t'appartiendra parmi les choses très saintes qui ne sont pas consumées par le feu: toutes leurs offrandes, tous leurs dons, tous leurs sacrifices d'expiation, et tous les sacrifices de culpabilité qu'ils m'offriront; ces choses très saintes seront pour toi et pour tes fils. 10 Vous les mangerez dans un lieu très saint; tout mâle en mangera; vous les regarderez comme saintes. 11 Voici encore ce qui t'appartiendra: tous les dons que les enfants d'Israël présenteront par élévation et en les agitant de côté et d'autre, je te les donne à toi, à tes fils et à tes filles avec toi, par une loi perpétuelle. Quiconque sera pur dans ta maison en mangera. 12 Je te donne les prémices qu'ils offriront à l'Éternel: tout ce qu'il y aura de meilleur en huile, tout ce qu'il y aura de meilleur en moût et en blé. 13 Les premiers produits de leur terre, qu'ils apporteront à l'Éternel, seront pour toi. Quiconque sera pur dans ta maison en mangera. 14 Tout ce qui sera dévoué par interdit en Israël sera pour toi. 15 Tout premier-né de toute chair, qu'ils offriront à l'Éternel, tant des hommes que des animaux, sera pour toi. Seulement, tu feras racheter le premier-né de l'homme, et tu feras racheter le premier-né d'un animal impur. 16 Tu les feras racheter dès l'âge d'un mois, d'après ton estimation, au prix de cinq sicles d'argent, selon le sicle du sanctuaire, qui est de vingt guéras. 17 Mais tu ne feras point racheter le premier-né du boeuf, ni le premier-né de la brebis, ni le premier-né de la chèvre: ce sont des choses saintes. Tu répandras leur sang sur l'autel, et tu brûleras leur graisse: ce sera un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 18 Leur chair sera pour toi, comme la poitrine qu'on agite de côté et d'autre et comme l'épaule droite. 19 Je te donne, à toi, à tes fils et à tes filles avec toi, par une loi perpétuelle, toutes les offrandes saintes que les enfants d'Israël présenteront à l'Éternel par élévation. C'est une alliance inviolable et à perpétuité devant l'Éternel, pour toi et pour ta postérité avec toi. 20 L'Éternel dit à Aaron: Tu ne posséderas rien dans leur pays, et il n'y aura point de part pour toi au milieu d'eux; c'est moi qui suis ta part et ta possession, au milieu des enfants d'Israël. 21 Je donne comme possession aux fils de Lévi toute dîme en Israël, pour le service qu'ils font, le service de la tente d'assignation. 22 Les enfants d'Israël n'approcheront plus de la tente d'assignation, de peur qu'ils ne se chargent d'un péché et qu'ils ne meurent. 23 Les Lévites feront le service de la tente d'assignation, et ils resteront chargés de leurs iniquités. Ils n'auront point de possession au milieu des enfants d'Israël: ce sera une loi perpétuelle parmi vos descendants. 24 Je donne comme possession aux Lévites les dîmes que les enfants d'Israël présenteront à l'Éternel par élévation; c'est pourquoi je dis à leur égard: Ils n'auront point de possession au milieu des enfants d'Israël. 25 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 26 Tu parleras aux Lévites, et tu leur diras: Lorsque vous recevrez des enfants d'Israël la dîme que je vous donne de leur part comme votre possession, vous en prélèverez une offrande pour l'Éternel, une dîme de la dîme; 27 et votre offrande vous sera comptée comme le blé qu'on prélève de l'aire et comme le moût qu'on prélève de la cuve. 28 C'est ainsi que vous prélèverez une offrande pour l'Éternel sur toutes les dîmes que vous recevrez des enfants d'Israël, et vous donnerez au sacrificateur Aaron l'offrande que vous en aurez prélevée pour l'Éternel. 29 Sur tous les dons qui vous seront faits, vous prélèverez toutes les offrandes pour l'Éternel; sur tout ce qu'il y aura de meilleur, vous prélèverez la portion consacrée. 30 Tu leur diras: Quand vous en aurez prélevé le meilleur, la dîme sera comptée aux Lévites comme le revenu de l'aire et comme le revenu de la cuve. 31 Vous la mangerez en un lieu quelconque, vous et votre maison; car c'est votre salaire pour le service que vous faites dans la tente d'assignation. 32 Vous ne serez chargés pour cela d'aucun péché, quand vous en aurez prélevé le meilleur, vous ne profanerez point les offrandes saintes des enfants d'Israël, et vous ne mourrez point. | |