T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 17

1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny fitondran'afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;

3 ary ny fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.

4 Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara

5 ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

6 Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.

7 Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.

8 Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.

9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

10 Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.

11 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

12 Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona.

13 Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.

14 Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora.

15 Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.

16 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

17 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra.

18 Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany.

19 Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.

20 Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.

21 Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.

22 Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo tehina ireo.

23 Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.

24 Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.

25 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.

26 Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.

27 Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.

28 Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?

 

Chapitre 17

17:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 17:2 “Speak to the children of Israel, and take of them rods, one for each fathers’ house, of all their princes according to their fathers’ houses, twelve rods: write every man’s name on his rod. 17:3 You shall write Aaron’s name on the rod of Levi; for there shall be one rod for each head of their fathers’ houses. 17:4 You shall lay them up in the Tent of Meeting before the testimony, where I meet with you. 17:5 It shall happen, that the rod of the man whom I shall choose shall bud: and I will make to cease from me the murmurings of the children of Israel, which they murmur against you.”

17:6 Moses spoke to the children of Israel; and all their princes gave him rods, for each prince one, according to their fathers’ houses, even twelve rods: and the rod of Aaron was among their rods. 17:7 Moses laid up the rods before Yahweh in the tent of the testimony.

17:8 It happened on the next day, that Moses went into the tent of the testimony; and behold, the rod of Aaron for the house of Levi was budded, and put forth buds, and produced blossoms, and bore ripe almonds. 17:9 Moses brought out all the rods from before Yahweh to all the children of Israel: and they looked, and took every man his rod.

17:10 Yahweh said to Moses, “Put back the rod of Aaron before the testimony, to be kept for a token against the children of rebellion; that you may make an end of their murmurings against me, that they not die.” 17:11 Moses did so. As Yahweh commanded him, so he did.

17:12 The children of Israel spoke to Moses, saying, “Behold, we perish! We are undone! We are all undone! 17:13 Everyone who comes near, who comes near to the tabernacle of Yahweh, dies! Will we all perish?”

 

Chapitre 17
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle aux enfants d'Israël, et prends d'eux une verge selon les maisons de leurs pères, soit douze verges de la part de tous leurs princes selon les maisons de leurs pères. (17:3) Tu écriras le nom de chacun sur sa verge, 3 et tu écriras le nom d'Aaron sur la verge de Lévi; car il y aura une verge pour chaque chef des maisons de leurs pères. 4 Tu les déposeras dans la tente d'assignation, devant le témoignage, où je me rencontre avec vous. 5 L'homme que je choisirai sera celui dont la verge fleurira, et je ferai cesser de devant moi les murmures que profèrent contre vous les enfants d'Israël. 6 Moïse parla aux enfants d'Israël; et tous leurs princes lui donnèrent une verge, chaque prince une verge, selon les maisons de leurs pères, soit douze verges; la verge d'Aaron était au milieu des leurs. 7 Moïse déposa les verges devant l'Éternel, dans la tente du témoignage. 8 Le lendemain, lorsque Moïse entra dans la tente du témoignage, voici, la verge d'Aaron, pour la maison de Lévi, avait fleuri, elle avait poussé des boutons, produit des fleurs, et mûri des amandes. 9 Moïse ôta de devant l'Éternel toutes les verges, et les porta à tous les enfants d'Israël, afin qu'ils les vissent et qu'ils prissent chacun leur verge. 10 L'Éternel dit à Moïse: Reporte la verge d'Aaron devant le témoignage, pour être conservée comme un signe pour les enfants de rébellion, afin que tu fasses cesser de devant moi leurs murmures et qu'ils ne meurent point. 11 Moïse fit ainsi; il se conforma à l'ordre que l'Éternel lui avait donné. 12 Les enfants d'Israël dirent à Moïse: Voici, nous expirons, nous périssons, nous périssons tous! 13 Quiconque s'approche du tabernacle de l'Éternel, meurt. Nous faudra-t-il tous expirer?