| Chapitre 16 1 [Ny niodinan'i Kora sy ny namany, sy ny nanamarinan'i Jehovah ny fisoronan'i Arona] Ary Kora, zanak'i Jizara, zanak'i Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, sy Ona, zanak'i Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka, 2 ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza; 3 koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo? 4 Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy 5 ka niteny tamin'i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy. 6 Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran'afo ho anareo rahampitso. 7 dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy! 8 Dia hoy koa Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy: 9 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy? 10 Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo? 11 Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo? 12 Ary Mosesy naniraka nampaka an'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay. 13 Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao? 14 Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay. 15 Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza. 16 Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona. 17 Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy. 18 Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona. 19 Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah. 20 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: 21 Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. 22 Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao? 23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 24 Mitenena amin'ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama. 25 Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny Isiraely. 26 Dia niteny tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra. 27 Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika. 28 Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany: 29 Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy. 30 Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo. 31 Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny; 32 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra. 33 Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy. 34 Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany. 35 Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra. | | Chapitre 16 16:1 Now Korah, the son of Izhar, the son of Kohath, the son of Levi, with Dathan and Abiram, the sons of Eliab, and On, the son of Peleth, sons of Reuben, took men: 16:2 and they rose up before Moses, with certain of the children of Israel, two hundred fifty princes of the congregation, called to the assembly, men of renown; 16:3 and they assembled themselves together against Moses and against Aaron, and said to them, “You take too much on yourself, since all the congregation are holy, everyone of them, and Yahweh is among them: why then lift yourselves up above the assembly of Yahweh?” 16:4 When Moses heard it, he fell on his face: 16:5 and he spoke to Korah and to all his company, saying, “In the morning Yahweh will show who are his, and who is holy, and will cause him to come near to him: even him whom he shall choose he will cause to come near to him. 16:6 Do this: take censers, Korah, and all his company; 16:7 and put fire in them, and put incense on them before Yahweh tomorrow: and it shall be that the man whom Yahweh chooses, he shall be holy. You have gone too far, you sons of Levi!” 16:8 Moses said to Korah, “Hear now, you sons of Levi! 16:9 Is it a small thing to you, that the God of Israel has separated you from the congregation of Israel, to bring you near to himself, to do the service of the tabernacle of Yahweh, and to stand before the congregation to minister to them; 16:10 and that he has brought you near, and all your brothers the sons of Levi with you? and do you seek the priesthood also? 16:11 Therefore you and all your company are gathered together against Yahweh: and Aaron, what is he that you murmur against him?” 16:12 Moses sent to call Dathan and Abiram, the sons of Eliab; and they said, “We won’t come up: 16:13 is it a small thing that you have brought us up out of a land flowing with milk and honey, to kill us in the wilderness, but you must also make yourself a prince over us? 16:14 Moreover you haven’t brought us into a land flowing with milk and honey, nor given us inheritance of fields and vineyards: will you put out the eyes of these men? We won’t come up.” 16:15 Moses was very angry, and said to Yahweh, “Don’t respect their offering: I have not taken one donkey from them, neither have I hurt one of them.” 16:16 Moses said to Korah, “You and all your company go before Yahweh, you, and they, and Aaron, tomorrow: 16:17 and each man take his censer, and put incense on them, and each man bring before Yahweh his censer, two hundred fifty censers; you also, and Aaron, each his censer.” 16:18 They each took his censer, and put fire in them, and laid incense thereon, and stood at the door of the Tent of Meeting with Moses and Aaron. 16:19 Korah assembled all the congregation against them to the door of the Tent of Meeting: and the glory of Yahweh appeared to all the congregation. 16:20 Yahweh spoke to Moses and to Aaron, saying, 16:21 “Separate yourselves from among this congregation, that I may consume them in a moment!” 16:22 They fell on their faces, and said, “God, the God of the spirits of all flesh, shall one man sin, and will you be angry with all the congregation?” 16:23 Yahweh spoke to Moses, saying, 16:24 “Speak to the congregation, saying, ‘Get away from around the tent of Korah, Dathan, and Abiram!’” 16:25 Moses rose up and went to Dathan and Abiram; and the elders of Israel followed him. 16:26 He spoke to the congregation, saying, “Depart, please, from the tents of these wicked men, and touch nothing of theirs, lest you be consumed in all their sins!” 16:27 So they went away from the tent of Korah, Dathan, and Abiram, on every side: and Dathan and Abiram came out, and stood at the door of their tents, and their wives, and their sons, and their little ones. 16:28 Moses said, “Hereby you shall know that Yahweh has sent me to do all these works; for they are not from my own mind. 16:29 If these men die the common death of all men, or if they be visited after the visitation of all men; then Yahweh hasn’t sent me. 16:30 But if Yahweh make a new thing, and the ground open its mouth, and swallow them up, with all that appertain to them, and they go down alive into Sheol; then you shall understand that these men have despised Yahweh.” 16:31 It happened, as he made an end of speaking all these words, that the ground split apart that was under them; 16:32 and the earth opened its mouth, and swallowed them up, and their households, and all the men who appertained to Korah, and all their goods. 16:33 So they, and all that appertained to them, went down alive into Sheol: and the earth closed on them, and they perished from among the assembly. 16:34 All Israel that were around them fled at their cry; for they said, “Lest the earth swallow us up!” 16:35 Fire came forth from Yahweh, and devoured the two hundred fifty men who offered the incense. 16:36 Yahweh spoke to Moses, saying, 16:37 “Speak to Eleazar the son of Aaron the priest, that he take up the censers out of the burning, and scatter the fire yonder; for they are holy, 16:38 even the censers of these sinners against their own lives; and let them be made beaten plates for a covering of the altar: for they offered them before Yahweh; therefore they are holy; and they shall be a sign to the children of Israel.” 16:39 Eleazar the priest took the bronze censers, which those who were burnt had offered; and they beat them out for a covering of the altar, 16:40 to be a memorial to the children of Israel, to the end that no stranger, who isn’t of the seed of Aaron, comes near to burn incense before Yahweh; that he not be as Korah, and as his company: as Yahweh spoke to him by Moses. 16:41 But on the next day all the congregation of the children of Israel murmured against Moses and against Aaron, saying, “You have killed Yahweh’s people!” 16:42 It happened, when the congregation was assembled against Moses and against Aaron, that they looked toward the Tent of Meeting: and behold, the cloud covered it, and the glory of Yahweh appeared. 16:43 Moses and Aaron came to the front of the Tent of Meeting. 16:44 Yahweh spoke to Moses, saying, 16:45 “Get away from among this congregation, that I may consume them in a moment!” They fell on their faces. 16:46 Moses said to Aaron, “Take your censer, and put fire from off the altar in it, and lay incense on it, and carry it quickly to the congregation, and make atonement for them; for wrath has gone out from Yahweh! The plague has begun.” 16:47 Aaron did as Moses said, and ran into the midst of the assembly; and behold, the plague has begun among the people: and he put on the incense, and made atonement for the people. 16:48 He stood between the dead and the living; and the plague was stayed. 16:49 Now those who died by the plague were fourteen thousand and seven hundred, besides those who died about the matter of Korah. 16:50 Aaron returned to Moses to the door of the Tent of Meeting: and the plague was stayed. | | Chapitre 16 1 Koré, fils de Jitsehar, fils de Kehath, fils de Lévi, se révolta avec Dathan et Abiram, fils d'Éliab, et On, fils de Péleth, tous trois fils de Ruben. 2 Ils se soulevèrent contre Moïse, avec deux cent cinquante hommes des enfants d'Israël, des principaux de l'assemblée, de ceux que l'on convoquait à l'assemblée, et qui étaient des gens de renom. 3 Ils s'assemblèrent contre Moïse et Aaron, et leur dirent: C'en est assez! car toute l'assemblée, tous sont saints, et l'Éternel est au milieu d'eux. Pourquoi vous élevez-vous au-dessus de l'assemblée de l'Éternel? 4 Quand Moïse eut entendu cela, il tomba sur son visage. 5 Il parla à Koré et à toute sa troupe, en disant: Demain, l'Éternel fera connaître qui est à lui et qui est saint, et il le fera approcher de lui; il fera approcher de lui celui qu'il choisira. 6 Faites ceci. Prenez des brasiers, Koré et toute sa troupe. 7 Demain, mettez-y du feu, et posez-y du parfum devant l'Éternel; celui que l'Éternel choisira, c'est celui-là qui sera saint. C'en est assez, enfants de Lévi! 8 Moïse dit à Koré: Écoutez donc, enfants de Lévi: 9 Est-ce trop peu pour vous que le Dieu d'Israël vous ait choisis dans l'assemblée d'Israël, en vous faisant approcher de lui, afin que vous soyez employés au service du tabernacle de l'Éternel, et que vous vous présentiez devant l'assemblée pour la servir? 10 Il vous a fait approcher de lui, toi, et tous tes frères, les enfants de Lévi, et vous voulez encore le sacerdoce! 11 C'est à cause de cela que toi et toute ta troupe, vous vous assemblez contre l'Éternel! car qui est Aaron, pour que vous murmuriez contre lui? 12 Moïse envoya appeler Dathan et Abiram, fils d'Éliab. Mais ils dirent: Nous ne monterons pas. 13 N'est-ce pas assez que tu nous aies fait sortir d'un pays où coulent le lait et le miel pour nous faire mourir au désert, sans que tu continues à dominer sur nous? 14 Et ce n'est pas dans un pays où coulent le lait et le miel que tu nous as menés, ce ne sont pas des champs et des vignes que tu nous as donnés en possession. Penses-tu crever les yeux de ces gens? Nous ne monterons pas. 15 Moïse fut très irrité, et il dit à l'Éternel: N'aie point égard à leur offrande. Je ne leur ai pas même pris un âne, et je n'ai fait de mal à aucun d'eux. 16 Moïse dit à Koré: Toi et toute ta troupe, trouvez-vous demain devant l'Éternel, toi et eux, avec Aaron. 17 Prenez chacun votre brasier, mettez-y du parfum, et présentez devant l'Éternel chacun votre brasier: il y aura deux cent cinquante brasiers; toi et Aaron, vous prendrez aussi chacun votre brasier. 18 Ils prirent chacun leur brasier, y mirent du feu et y posèrent du parfum, et ils se tinrent à l'entrée de la tente d'assignation, avec Moïse et Aaron. 19 Et Koré convoqua toute l'assemblée contre Moïse et Aaron, à l'entrée de la tente d'assignation. Alors la gloire de l'Éternel apparut à toute l'assemblée. 20 Et l'Éternel parla à Moïse et à Aaron, et dit: 21 Séparez-vous du milieu de cette assemblée, et je les consumerai en un seul instant. 22 Ils tombèrent sur leur visage, et dirent: O Dieu, Dieu des esprits de toute chair! un seul homme a péché, et tu t'irriterais contre toute l'assemblée? 23 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 24 Parle à l'assemblée, et dis: Retirez-vous de toutes parts loin de la demeure de Koré, de Dathan et d'Abiram. 25 Moïse se leva, et alla vers Dathan et Abiram; et les anciens d'Israël le suivirent. 26 Il parla à l'assemblée, et dit: Éloignez-vous des tentes de ces méchants hommes, et ne touchez à rien de ce qui leur appartient, de peur que vous ne périssiez en même temps qu'ils seront punis pour tous leurs péchés. 27 Ils se retirèrent de toutes parts loin de la demeure de Koré, de Dathan et d'Abiram. Dathan et Abiram sortirent, et se tinrent à l'entrée de leurs tentes, avec leurs femmes, leurs fils et leurs petits-enfants. 28 Moïse dit: A ceci vous connaîtrez que l'Éternel m'a envoyé pour faire toutes ces choses, et que je n'agis pas de moi-même. 29 Si ces gens meurent comme tous les hommes meurent, s'ils subissent le sort commun à tous les hommes, ce n'est pas l'Éternel qui m'a envoyé; 30 mais si l'Éternel fait une chose inouïe, si la terre ouvre sa bouche pour les engloutir avec tout ce qui leur appartient, et qu'ils descendent vivants dans le séjour des morts, vous saurez alors que ces gens ont méprisé l'Éternel. 31 Comme il achevait de prononcer toutes ces paroles, la terre qui était sous eux se fendit. 32 La terre ouvrit sa bouche, et les engloutit, eux et leurs maisons, avec tous les gens de Koré et tous leurs biens. 33 Ils descendirent vivants dans le séjour des morts, eux et tout ce qui leur appartenait; la terre les recouvrit, et ils disparurent au milieu de l'assemblée. 34 Tout Israël, qui était autour d'eux, s'enfuit à leur cri; car ils disaient: Fuyons, de peur que la terre ne nous engloutisse! 35 Un feu sortit d'auprès de l'Éternel, et consuma les deux cent cinquante hommes qui offraient le parfum. 36 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 37 Dis à Éléazar, fils du sacrificateur Aaron, de retirer de l'incendie les brasiers et d'en répandre au loin le feu, car ils sont sanctifiés. 38 Avec les brasiers de ces gens qui ont péché au péril de leur vie, que l'on fasse des lames étendues dont on couvrira l'autel. Puisqu'ils ont été présentés devant l'Éternel et qu'ils sont sanctifiés, ils serviront de souvenir aux enfants d'Israël. 39 Le sacrificateur Éléazar prit les brasiers d'airain qu'avaient présentés les victimes de l'incendie, et il en fit des lames pour couvrir l'autel. 40 C'est un souvenir pour les enfants d'Israël, afin qu'aucun étranger à la race d'Aaron ne s'approche pour offrir du parfum devant l'Éternel et ne soit comme Koré et comme sa troupe, selon ce que l'Éternel avait déclaré par Moïse. 41 Dès le lendemain, toute l'assemblée des enfants d'Israël murmura contre Moïse et Aaron, en disant: Vous avez fait mourir le peuple de l'Éternel. 42 Comme l'assemblée se formait contre Moïse et Aaron, et comme ils tournaient les regards vers la tente d'assignation, voici, la nuée la couvrit, et la gloire de l'Éternel apparut. 43 Moïse et Aaron arrivèrent devant la tente d'assignation. 44 Et l'Éternel parla à Moïse, et dit: 45 Retirez-vous du milieu de cette assemblée, et je les consumerai en un instant. Ils tombèrent sur leur visage; 46 et Moïse dit à Aaron: Prends le brasier, mets-y du feu de dessus l'autel, poses-y du parfum, va promptement vers l'assemblée, et fais pour eux l'expiation; car la colère de l'Éternel a éclaté, la plaie a commencé. 47 Aaron prit le brasier, comme Moïse avait dit, et courut au milieu de l'assemblée; et voici, la plaie avait commencé parmi le peuple. Il offrit le parfum, et il fit l'expiation pour le peuple. 48 Il se plaça entre les morts et les vivants, et la plaie fut arrêtée. 49 Il y eut quatorze mille sept cents personnes qui moururent de cette plaie, outre ceux qui étaient morts à cause de Koré. 50 Aaron retourna auprès de Moïse, à l'entrée de la tente d'assignation. La plaie était arrêtée. | |