T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 [Didy samy hafa ny amin'ny fanatitra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo

3 ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:

4 izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;

5 ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin'ny isan-janak'ondry iray.

6 Ary ho fanampin'ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;

7 ary divay ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

8 Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,

9 dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;

10 ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

11 Izany no hatao amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray, na ny isan-janak'osy iray.

12 Tahaka izany no hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.

13 Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.

14 Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.

15 Ary ny amin'ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan'i Jehovah na ianareo na ny vahiny.

16 Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.

 

17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

18 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo

19 ka hihinana mofo avy amin'ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an'i Jehovah.

20 Hanokana mofo iray izay hatao amin'ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin'ny famoloana no hanokananareo izany.

21 Ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

22 Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,

23 dia izay rehetra nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay nanaovan'i Jehovah izany didy izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,

24 koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.

26 Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,

 

27 Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.

28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.

29 Lalàna iray ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo.

30 Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

31 Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.

32 [Ny natao tamin'ilay lehilahy nanangona kitay tamin'ny andro Sabata] Ary raha tany an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro Sabata.

33 Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.

34 Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.

35 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra.

36 Dia namoaka azy ho eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ihany.

37 [Ny amin'ny hanaovana somotraviavy amin'ny sisin'ny fitafian'ny Zanak'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

38 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny.

39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,

40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo.

41 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

 

Chapitre 15

15:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 15:2 “Speak to the children of Israel, and tell them, ‘When you have come into the land of your habitations, which I give to you, 15:3 and will make an offering by fire to Yahweh, a burnt offering, or a sacrifice, to accomplish a vow, or as a freewill offering, or in your set feasts, to make a pleasant aroma to Yahweh, of the herd, or of the flock; 15:4 then he who offers his offering shall offer to Yahweh a meal offering of a tenth part of an ephah of fine flour mixed with the fourth part of a hin of oil: 15:5 and wine for the drink offering, the fourth part of a hin, you shall prepare with the burnt offering, or for the sacrifice, for each lamb.

15:6 “‘Or for a ram, you shall prepare for a meal offering two tenth parts of an ephah of fine flour mixed with the third part of a hin of oil: 15:7 and for the drink offering you shall offer the third part of a hin of wine, of a pleasant aroma to Yahweh. 15:8 When you prepare a bull for a burnt offering, or for a sacrifice, to accomplish a vow, or for peace offerings to Yahweh; 15:9 then shall he offer with the bull a meal offering of three tenth parts of an ephah of fine flour mixed with half a hin of oil: 15:10 and you shall offer for the drink offering half a hin of wine, for an offering made by fire, of a pleasant aroma to Yahweh. 15:11 Thus shall it be done for each bull, or for each ram, or for each of the male lambs, or of the young goats. 15:12 According to the number that you shall prepare, so you shall do to everyone according to their number.

15:13 “‘All who are native-born shall do these things in this way, in offering an offering made by fire, of a pleasant aroma to Yahweh. 15:14 If a stranger lives as a foreigner with you, or whoever may be among you throughout your generations, and will offer an offering made by fire, of a pleasant aroma to Yahweh; as you do, so he shall do. 15:15 For the assembly, there shall be one statute for you, and for the stranger who lives as a foreigner, a statute forever throughout your generations: as you are, so shall the foreigner be before Yahweh. 15:16 One law and one ordinance shall be for you, and for the stranger who lives as a foreigner with you.’”

15:17 Yahweh spoke to Moses, saying, 15:18 “Speak to the children of Israel, and tell them, ‘When you come into the land where I bring you, 15:19 then it shall be that when you eat of the bread of the land, you shall offer up a wave offering to Yahweh. 15:20 Of the first of your dough you shall offer up a cake for a wave offering: as the wave offering of the threshing floor, so you shall heave it. 15:21 Of the first of your dough you shall give to Yahweh a wave offering throughout your generations.

15:22 “‘When you shall err, and not observe all these commandments, which Yahweh has spoken to Moses, 15:23 even all that Yahweh has commanded you by Moses, from the day that Yahweh gave commandment, and onward throughout your generations; 15:24 then it shall be, if it be done unwittingly, without the knowledge of the congregation, that all the congregation shall offer one young bull for a burnt offering, for a pleasant aroma to Yahweh, with the meal offering of it, and the drink offering of it, according to the ordinance, and one male goat for a sin offering. 15:25 The priest shall make atonement for all the congregation of the children of Israel, and they shall be forgiven; for it was an error, and they have brought their offering, an offering made by fire to Yahweh, and their sin offering before Yahweh, for their error: 15:26 and all the congregation of the children of Israel shall be forgiven, and the stranger who lives as a foreigner among them; for in respect of all the people it was done unwittingly.

15:27 “‘If one person sins unwittingly, then he shall offer a female goat a year old for a sin offering. 15:28 The priest shall make atonement for the soul who errs, when he sins unwittingly, before Yahweh, to make atonement for him; and he shall be forgiven. 15:29 You shall have one law for him who does anything unwittingly, for him who is native-born among the children of Israel, and for the stranger who lives as a foreigner among them.

15:30 “‘But the soul who does anything with a high hand, whether he is native-born or a foreigner, the same blasphemes Yahweh; and that soul shall be cut off from among his people. 15:31 Because he has despised the word of Yahweh, and has broken his commandment, that soul shall utterly be cut off; his iniquity shall be on him.’”

15:32 While the children of Israel were in the wilderness, they found a man gathering sticks on the Sabbath day. 15:33 Those who found him gathering sticks brought him to Moses and Aaron, and to all the congregation. 15:34 They put him in custody, because it had not been declared what should be done to him.

15:35 Yahweh said to Moses, “The man shall surely be put to death: all the congregation shall stone him with stones outside of the camp.” 15:36 All the congregation brought him outside of the camp, and stoned him to death with stones; as Yahweh commanded Moses.

15:37 Yahweh spoke to Moses, saying, 15:38 “Speak to the children of Israel, and tell them that they should make themselves fringes in the borders of their garments throughout their generations, and that they put on the fringe of each border a cord of blue: 15:39 and it shall be to you for a fringe, that you may look on it, and remember all the commandments of Yahweh, and do them; and that you not follow after your own heart and your own eyes, after which you use to play the prostitute; 15:40 that you may remember and do all my commandments, and be holy to your God. 15:41 I am Yahweh your God, who brought you out of the land of Egypt, to be your God: I am Yahweh your God.”

 

Chapitre 15
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle aux enfants d'Israël, et dis-leur: Quand vous serez entrés dans le pays que je vous donne pour y établir vos demeures, 3 et que vous offrirez à l'Éternel un sacrifice consumé par le feu, soit un holocauste, soit un sacrifice en accomplissement d'un voeu ou en offrande volontaire, ou bien dans vos fêtes, pour produire avec votre gros ou votre menu bétail une agréable odeur à l'Éternel, - 4 celui qui fera son offrande à l'Éternel présentera en offrande un dixième de fleur de farine pétrie dans un quart de hin d'huile, 5 et tu feras une libation d'un quart de hin de vin, avec l'holocauste ou le sacrifice, pour chaque agneau. 6 Pour un bélier, tu présenteras en offrande deux dixièmes de fleur de farine pétrie dans un tiers de hin d'huile, 7 et tu feras une libation d'un tiers de hin de vin, comme offrande d'une agréable odeur à l'Éternel. 8 Si tu offres un veau, soit comme holocauste, soit comme sacrifice en accomplissement d'un voeu, ou comme sacrifice d'actions de grâces à l'Éternel, 9 on présentera en offrande, avec le veau, trois dixièmes de fleur de farine pétrie dans un demi-hin d'huile, 10 et tu feras une libation d'un demi-hin de vin: c'est un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 11 On fera ainsi pour chaque boeuf, pour chaque bélier, pour chaque petit des brebis ou des chèvres. 12 Suivant le nombre des victimes, vous ferez ainsi pour chacune, d'après leur nombre. 13 Tout indigène fera ces choses ainsi, lorsqu'il offrira un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 14 Si un étranger séjournant chez vous, ou se trouvant à l'avenir au milieu de vous, offre un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel, il l'offrira de la même manière que vous. 15 Il y aura une seule loi pour toute l'assemblée, pour vous et pour l'étranger en séjour au milieu de vous; ce sera une loi perpétuelle parmi vos descendants: il en sera de l'étranger comme de vous, devant l'Éternel. 16 Il y aura une seule loi et une seule ordonnance pour vous et pour l'étranger en séjour parmi vous. 17 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 18 Parle aux enfants d'Israël, et dis-leur: Quand vous serez arrivés dans le pays où je vous ferai entrer, 19 et que vous mangerez du pain de ce pays, vous prélèverez une offrande pour l'Éternel. 20 Vous présenterez par élévation un gâteau, les prémices de votre pâte; vous le présenterez comme l'offrande qu'on prélève de l'aire. 21 Vous prélèverez pour l'Éternel une offrande des prémices de votre pâte, dans les temps à venir. 22 Si vous péchez involontairement, en n'observant pas tous ces commandements que l'Éternel a fait connaître à Moïse, 23 tout ce que l'Éternel vous a ordonné par Moïse, depuis le jour où l'Éternel a donné des commandements et plus tard dans les temps à venir; 24 si l'on a péché involontairement, sans que l'assemblée s'en soit aperçue, toute l'assemblée offrira un jeune taureau en holocauste d'une agréable odeur à l'Éternel, avec l'offrande et la libation, d'après les règles établies; elle offrira encore un bouc en sacrifice d'expiation. 25 Le sacrificateur fera l'expiation pour toute l'assemblée des enfants d'Israël, et il leur sera pardonné; car ils ont péché involontairement, et ils ont apporté leur offrande, un sacrifice consumé par le feu en l'honneur de l'Éternel et une victime expiatoire devant l'Éternel, à cause du péché qu'ils ont involontairement commis. 26 Il sera pardonné à toute l'assemblée des enfants d'Israël et à l'étranger en séjour au milieu d'eux, car c'est involontairement que tout le peuple a péché. 27 Si c'est une seule personne qui a péché involontairement, elle offrira une chèvre d'un an en sacrifice pour le péché. 28 Le sacrificateur fera l'expiation pour la personne qui a péché involontairement devant l'Éternel: quand il aura fait l'expiation pour elle, il lui sera pardonné. 29 Pour l'indigène parmi les enfants d'Israël et pour l'étranger en séjour au milieu d'eux, il y aura pour vous une même loi, quand on péchera involontairement. 30 Mais si quelqu'un, indigène ou étranger, agit la main levée, il outrage l'Éternel; celui-là sera retranché du milieu de son peuple. 31 Il a méprisé la parole de l'Éternel, et il a violé son commandement: celui-là sera retranché, il portera la peine de son iniquité. 32 Comme les enfants d'Israël étaient dans le désert, on trouva un homme qui ramassait du bois le jour du sabbat. 33 Ceux qui l'avaient trouvé ramassant du bois l'amenèrent à Moïse, à Aaron, et à toute l'assemblée. 34 On le mit en prison, car ce qu'on devait lui faire n'avait pas été déclaré. 35 L'Éternel dit à Moïse: Cet homme sera puni de mort, toute l'assemblée le lapidera hors du camp. 36 Toute l'assemblée le fit sortir du camp et le lapida, et il mourut, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 37 L'Éternel dit à Moïse: 38 Parle aux enfants d'Israël, et dis-leur qu'ils se fassent, de génération en génération, une frange au bord de leurs vêtements, et qu'ils mettent un cordon bleu sur cette frange du bord de leurs vêtements. 39 Quand vous aurez cette frange, vous la regarderez, et vous vous souviendrez de tous les commandements de l'Éternel pour les mettre en pratique, et vous ne suivrez pas les désirs de vos coeurs et de vos yeux pour vous laisser entraîner à l'infidélité. 40 Vous vous souviendrez ainsi de mes commandements, vous les mettrez en pratique, et vous serez saints pour votre Dieu. 41 Je suis l'Éternel, votre Dieu, qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte, pour être votre Dieu. Je suis l'Éternel, votre Dieu.