T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 14

1 [Ny nandavan'ny Zanak'Isiraely tsy hiakatra ho eny amin'ny tany Kanana] Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.

2 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin'ity efitra ity!

3 Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?

4 Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.

5 Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.

 6 Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;

7 ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.

8 Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.

9 Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.

10 Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.

11 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?

12 Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.

13 Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,

14 ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.

15 Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:

16 Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.

17 Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:

18 Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.

19 Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.

20 Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.

21 Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,

22 ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,

23 dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.

24 Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.

25 Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.

26 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

27 Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.

28 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:

29 Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

30 dia tsy ho tonga mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.

31 Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.

32 Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;

33 ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.

34 Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.

35 Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.

 36 Ary ny lehilahy izay nirahin'1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,

37 dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.

38 Fa Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.

 39 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.

40 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.

41 Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.

42 Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,

43 fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.

44 Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.

45 Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.

 

Chapitre 14

14:1 All the congregation lifted up their voice, and cried; and the people wept that night. 14:2 All the children of Israel murmured against Moses and against Aaron: and the whole congregation said to them, “Would that we had died in the land of Egypt! or would that we had died in this wilderness! 14:3 Why does Yahweh bring us to this land, to fall by the sword? Our wives and our little ones will be a prey: wouldn’t it be better for us to return into Egypt?” 14:4 They said one to another, “Let us make a captain, and let us return into Egypt.” 14:5 Then Moses and Aaron fell on their faces before all the assembly of the congregation of the children of Israel. 14:6 Joshua the son of Nun and Caleb the son of Jephunneh, who were of those who spied out the land, tore their clothes: 14:7 and they spoke to all the congregation of the children of Israel, saying, “The land, which we passed through to spy it out, is an exceeding good land. 14:8 If Yahweh delights in us, then he will bring us into this land, and give it to us; a land which flows with milk and honey. 14:9 Only don’t rebel against Yahweh, neither fear the people of the land; for they are bread for us: their defense is removed from over them, and Yahweh is with us. Don’t fear them.” 14:10 But all the congregation threatened to stone them with stones. The glory of Yahweh appeared in the Tent of Meeting to all the children of Israel. 14:11 Yahweh said to Moses, “How long will this people despise me? and how long will they not believe in me, for all the signs which I have worked among them? 14:12 I will strike them with the pestilence, and disinherit them, and will make of you a nation greater and mightier than they.” 14:13 Moses said to Yahweh, “Then the Egyptians will hear it; for you brought up this people in your might from among them; 14:14 and they will tell it to the inhabitants of this land. They have heard that you Yahweh are in the midst of this people; for you Yahweh are seen face to face, and your cloud stands over them, and you go before them, in a pillar of cloud by day, and in a pillar of fire by night. 14:15 Now if you killed this people as one man, then the nations which have heard the fame of you will speak, saying, 14:16 ‘Because Yahweh was not able to bring this people into the land which he swore to them, therefore he has slain them in the wilderness.’ 14:17 Now please let the power of the Lord be great, according as you have spoken, saying, 14:18 ‘Yahweh is slow to anger, and abundant in loving kindness, forgiving iniquity and disobedience; and that will by no means clear the guilty, visiting the iniquity of the fathers on the children, on the third and on the fourth generation.’ 14:19 Please pardon the iniquity of this people according to the greatness of your loving kindness, and according as you have forgiven this people, from Egypt even until now.” 14:20 Yahweh said, “I have pardoned according to your word: 14:21 but in very deed, as I live, and as all the earth shall be filled with the glory of Yahweh; 14:22 because all those men who have seen my glory, and my signs, which I worked in Egypt and in the wilderness, yet have tempted me these ten times, and have not listened to my voice; 14:23 surely they shall not see the land which I swore to their fathers, neither shall any of those who despised me see it: 14:24 but my servant Caleb, because he had another spirit with him, and has followed me fully, him will I bring into the land into which he went; and his seed shall possess it. 14:25 Now the Amalekite and the Canaanite dwell in the valley: tomorrow turn, and go into the wilderness by the way to the Red Sea.” 14:26 Yahweh spoke to Moses and to Aaron, saying, 14:27 “How long shall I bear with this evil congregation, that murmur against me? I have heard the murmurings of the children of Israel, which they murmur against me. 14:28 Tell them, ‘As I live, says Yahweh, surely as you have spoken in my ears, so will I do to you: 14:29 your dead bodies shall fall in this wilderness; and all who were numbered of you, according to your whole number, from twenty years old and upward, who have murmured against me, 14:30 surely you shall not come into the land, concerning which I swore that I would make you dwell therein, except Caleb the son of Jephunneh, and Joshua the son of Nun. 14:31 But your little ones, that you said should be a prey, them will I bring in, and they shall know the land which you have rejected. 14:32 But as for you, your dead bodies shall fall in this wilderness. 14:33 Your children shall be wanderers in the wilderness forty years, and shall bear your prostitution, until your dead bodies be consumed in the wilderness. 14:34 After the number of the days in which you spied out the land, even forty days, for every day a year, you will bear your iniquities, even forty years, and you will know my alienation.’ 14:35 I, Yahweh, have spoken, surely this will I do to all this evil congregation, who are gathered together against me: in this wilderness they shall be consumed, and there they shall die.” 14:36 The men, whom Moses sent to spy out the land, who returned, and made all the congregation to murmur against him, by bringing up an evil report against the land, 14:37 even those men who brought up an evil report of the land, died by the plague before Yahweh. 14:38 But Joshua the son of Nun, and Caleb the son of Jephunneh, remained alive of those men who went to spy out the land. 14:39 Moses told these words to all the children of Israel: and the people mourned greatly. 14:40 They rose up early in the morning, and went up to the top of the mountain, saying, “Behold, we are here, and will go up to the place which Yahweh has promised: for we have sinned.” 14:41 Moses said, “Why now do you disobey the commandment of Yahweh, since it shall not prosper? 14:42 Don’t go up, for Yahweh isn’t among you; that you not be struck down before your enemies. 14:43 For there the Amalekite and the Canaanite are before you, and you shall fall by the sword: because you are turned back from following Yahweh, therefore Yahweh will not be with you.”

14:44 But they presumed to go up to the top of the mountain: nevertheless the ark of the covenant of Yahweh, and Moses, didn’t depart out of the camp. 14:45 Then the Amalekite came down, and the Canaanite who lived in that mountain, and struck them and beat them down, even to Hormah.

 

Chapitre 14
1 Toute l'assemblée éleva la voix et poussa des cris, et le peuple pleura pendant la nuit. 2 Tous les enfants d'Israël murmurèrent contre Moïse et Aaron, et toute l'assemblée leur dit: Que ne sommes-nous morts dans le pays d'Égypte, ou que ne sommes-nous morts dans ce désert! 3 Pourquoi l'Éternel nous fait-il aller dans ce pays, où nous tomberons par l'épée, où nos femmes et nos petits enfants deviendront une proie? Ne vaut-il pas mieux pour nous retourner en Égypte? 4 Et ils se dirent l'un à l'autre: Nommons un chef, et retournons en Égypte. 5 Moïse et Aaron tombèrent sur leur visage, en présence de toute l'assemblée réunie des enfants d'Israël. 6 Et, parmi ceux qui avaient exploré le pays, Josué, fils de Nun, et Caleb, fils de Jephunné, déchirèrent leurs vêtements, 7 et parlèrent ainsi à toute l'assemblée des enfants d'Israël: Le pays que nous avons parcouru, pour l'explorer, est un pays très bon, excellent. 8 Si l'Éternel nous est favorable, il nous mènera dans ce pays, et nous le donnera: c'est un pays où coulent le lait et le miel. 9 Seulement, ne soyez point rebelles contre l'Éternel, et ne craignez point les gens de ce pays, car ils nous serviront de pâture, ils n'ont plus d'ombrage pour les couvrir, l'Éternel est avec nous, ne les craignez point! 10 Toute l'assemblée parlait de les lapider, lorsque la gloire de l'Éternel apparut sur la tente d'assignation, devant tous les enfants d'Israël. 11 Et l'Éternel dit à Moïse: Jusqu'à quand ce peuple me méprisera-t-il? Jusqu'à quand ne croira-t-il pas en moi, malgré tous les prodiges que j'ai faits au milieu de lui? 12 Je le frapperai par la peste, et je le détruirai; mais je ferai de toi une nation plus grande et plus puissante que lui. 13 Moïse dit à l'Éternel: Les Égyptiens l'apprendront, eux du milieu desquels tu as fait monter ce peuple par ta puissance, 14 et ils le diront aux habitants de ce pays. Ils savaient que toi, l'Éternel, tu es au milieu de ce peuple; que tu apparais visiblement, toi, l'Éternel; que ta nuée se tient sur lui; que tu marches devant lui le jour dans une colonne de nuée, et la nuit dans une colonne de feu. 15 Si tu fais mourir ce peuple comme un seul homme, les nations qui ont entendu parler de toi diront: 16 L'Éternel n'avait pas le pouvoir de mener ce peuple dans le pays qu'il avait juré de lui donner: c'est pour cela qu'il l'a égorgé dans le désert. 17 Maintenant, que la puissance du Seigneur se montre dans sa grandeur, comme tu l'as déclaré en disant: 18 L'Éternel est lent à la colère et riche en bonté, il pardonne l'iniquité et la rébellion; mais il ne tient point le coupable pour innocent, et il punit l'iniquité des pères sur les enfants jusqu'à la troisième et la quatrième génération. 19 Pardonne l'iniquité de ce peuple, selon la grandeur de ta miséricorde, comme tu as pardonné à ce peuple depuis l'Égypte jusqu'ici. 20 Et l'Éternel dit: Je pardonne, comme tu l'as demandé. 21 Mais, je suis vivant! et la gloire de l'Éternel remplira toute la terre. 22 Tous ceux qui ont vu ma gloire, et les prodiges que j'ai faits en Égypte et dans le désert, qui m'ont tenté déjà dix fois, et qui n'ont point écouté ma voix, 23 tous ceux-là ne verront point le pays que j'ai juré à leurs pères de leur donner, tous ceux qui m'ont méprisé ne le verront point. 24 Et parce que mon serviteur Caleb a été animé d'un autre esprit, et qu'il a pleinement suivi ma voie, je le ferai entrer dans le pays où il est allé, et ses descendants le posséderont. 25 Les Amalécites et les Cananéens habitent la vallée: demain, tournez-vous, et partez pour le désert, dans la direction de la mer Rouge. 26 L'Éternel parla à Moïse et à Aaron, et dit: 27 Jusqu'à quand laisserai-je cette méchante assemblée murmurer contre moi? J'ai entendu les murmures des enfants d'Israël qui murmuraient contre moi. 28 Dis-leur: Je suis vivant! dit l'Éternel, je vous ferai ainsi que vous avez parlé à mes oreilles. 29 Vos cadavres tomberont dans ce désert. Vous tous, dont on a fait le dénombrement, en vous comptant depuis l'âge de vingt ans et au-dessus, et qui avez murmuré contre moi, 30 vous n'entrerez point dans le pays que j'avais juré de vous faire habiter, excepté Caleb, fils de Jephunné, et Josué, fils de Nun. 31 Et vos petits enfants, dont vous avez dit: Ils deviendront une proie! je les y ferai entrer, et ils connaîtront le pays que vous avez dédaigné. 32 Vos cadavres, à vous, tomberont dans le désert; 33 et vos enfants paîtront quarante années dans le désert, et porteront la peine de vos infidélités, jusqu'à ce que vos cadavres soient tous tombés dans le désert. 34 De même que vous avez mis quarante jours à explorer le pays, vous porterez la peine de vos iniquités quarante années, une année pour chaque jour; et vous saurez ce que c'est que d'être privé de ma présence. 35 Moi, l'Éternel, j'ai parlé! et c'est ainsi que je traiterai cette méchante assemblée qui s'est réunie contre moi; ils seront consumés dans ce désert, ils y mourront. 36 Les hommes que Moïse avait envoyés pour explorer le pays, et qui, à leur retour, avaient fait murmurer contre lui toute l'assemblée, en décriant le pays; 37 ces hommes, qui avaient décrié le pays, moururent frappés d'une plaie devant l'Éternel. 38 Josué, fils de Nun, et Caleb, fils de Jephunné, restèrent seuls vivants parmi ces hommes qui étaient allés pour explorer le pays. 39 Moïse rapporta ces choses à tous les enfants d'Israël, et le peuple fut dans une grande désolation. 40 Ils se levèrent de bon matin, et montèrent au sommet de la montagne, en disant: Nous voici! nous monterons au lieu dont a parlé l'Éternel, car nous avons péché. 41 Moïse dit: Pourquoi transgressez-vous l'ordre de l'Éternel? Cela ne réussira point. 42 Ne montez pas! car l'Éternel n'est pas au milieu de vous. Ne vous faites pas battre par vos ennemis. 43 Car les Amalécites et les Cananéens sont là devant vous, et vous tomberiez par l'épée. Parce que vous vous êtes détournés de l'Éternel, l'Éternel ne sera point avec vous. 44 Ils s'obstinèrent à monter au sommet de la montagne; mais l'arche de l'alliance et Moïse ne sortirent point du milieu du camp. 45 Alors descendirent les Amalécites et les Cananéens qui habitaient cette montagne; ils les battirent, et les taillèrent en pièces jusqu'à Horma.