T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Ny amin'ny mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:

2 Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.

3 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

4 Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;

5 avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;

6 avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;

7 avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;

8 avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;

9 avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;

10 avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;

11 avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;

12 avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;

13 avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;

14 avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;

15 avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.

16 Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.

17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;

18 dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;

19 ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;

20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.

21 Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.

 

22 Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)

23 Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.

24 Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.

25 Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.

26 Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.

27 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.

28 Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.

29 Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.

30 Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.

31 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.

32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;

33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.

 

Chapitre 13

13:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 13:2 “Send men, that they may spy out the land of Canaan, which I give to the children of Israel. Of every tribe of their fathers, you shall send a man, every one a prince among them.”

13:3 Moses sent them from the wilderness of Paran according to the commandment of Yahweh: all of them men who were heads of the children of Israel. 13:4 These were their names: Of the tribe of Reuben, Shammua the son of Zaccur. 13:5 Of the tribe of Simeon, Shaphat the son of Hori. 13:6 Of the tribe of Judah, Caleb the son of Jephunneh. 13:7 Of the tribe of Issachar, Igal the son of Joseph. 13:8 Of the tribe of Ephraim, Hoshea the son of Nun. 13:9 Of the tribe of Benjamin, Palti the son of Raphu. 13:10 Of the tribe of Zebulun, Gaddiel the son of Sodi. 13:11 Of the tribe of Joseph, of the tribe of Manasseh, Gaddi the son of Susi. 13:12 Of the tribe of Dan, Ammiel the son of Gemalli. 13:13 Of the tribe of Asher, Sethur the son of Michael. 13:14 Of the tribe of Naphtali, Nahbi the son of Vophsi. 13:15 Of the tribe of Gad, Geuel the son of Machi. 13:16 These are the names of the men who Moses sent to spy out the land. Moses called Hoshea the son of Nun Joshua. 13:17 Moses sent them to spy out the land of Canaan, and said to them, “Go up this way by the South, and go up into the hill country: 13:18 and see the land, what it is; and the people who dwell therein, whether they are strong or weak, whether they are few or many; 13:19 and what the land is that they dwell in, whether it is good or bad; and what cities they are that they dwell in, whether in camps, or in strongholds; 13:20 and what the land is, whether it is fat or lean, whether there is wood therein, or not. Be courageous, and bring of the fruit of the land. Now the time was the time of the first-ripe grapes.” 13:21 So they went up, and spied out the land from the wilderness of Zin to Rehob, to the entrance of Hamath. 13:22 They went up by the South, and came to Hebron; and Ahiman, Sheshai, and Talmai, the children of Anak, were there. (Now Hebron was built seven years before Zoan in Egypt.) 13:23 They came to the valley of Eshcol, and cut down from there a branch with one cluster of grapes, and they bore it on a staff between two. They also brought some of the pomegranates and figs. 13:24 That place was called the valley of Eshcol, because of the cluster which the children of Israel cut down from there. 13:25 They returned from spying out the land at the end of forty days. 13:26 They went and came to Moses, and to Aaron, and to all the congregation of the children of Israel, to the wilderness of Paran, to Kadesh; and brought back word to them, and to all the congregation, and showed them the fruit of the land. 13:27 They told him, and said, “We came to the land where you sent us; and surely it flows with milk and honey; and this is its fruit. 13:28 However the people who dwell in the land are strong, and the cities are fortified and very large. Moreover, we saw the children of Anak there. 13:29 Amalek dwells in the land of the South: and the Hittite, and the Jebusite, and the Amorite, dwell in the hill country; and the Canaanite dwells by the sea, and along by the side of the Jordan.” 13:30 Caleb stilled the people before Moses, and said, “Let us go up at once, and possess it; for we are well able to overcome it.” 13:31 But the men who went up with him said, “We aren’t able to go up against the people; for they are stronger than we.” 13:32 They brought up an evil report of the land which they had spied out to the children of Israel, saying, “The land, through which we have gone to spy it out, is a land that eats up its inhabitants; and all the people who we saw in it are men of great stature. 13:33 There we saw the Nephilim, the sons of Anak, who come of the Nephilim: and we were in our own sight as grasshoppers, and so we were in their sight.”

 

Chapitre 13

1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Envoie des hommes pour explorer le pays de Canaan, que je donne aux enfants d'Israël. Tu enverras un homme de chacune des tribus de leurs pères; tous seront des principaux d'entre eux. 3 Moïse les envoya du désert de Paran, d'après l'ordre de l'Éternel; tous ces hommes étaient chefs des enfants d'Israël. 4 Voici leurs noms. Pour la tribu de Ruben: Schammua, fils de Zaccur; 5 pour la tribu de Siméon: Schaphath, fils de Hori; 6 pour la tribu de Juda: Caleb, fils de Jephunné; 7 pour la tribu d'Issacar: Jigual, fils de Joseph; 8 pour la tribu d'Éphraïm: Hosée, fils de Nun; 9 pour la tribu de Benjamin: Palthi, fils de Raphu; 10 pour la tribu de Zabulon: Gaddiel, fils de Sodi; 11 pour la tribu de Joseph, la tribu de Manassé: Gaddi, fils de Susi; 12 pour la tribu de Dan: Ammiel, fils de Guemalli; 13 pour la tribu d'Aser: Sethur, fils de Micaël; 14 pour la tribu de Nephthali: Nachbi, fils de Vophsi; 15 pour la tribu de Gad: Guéuel, fils de Maki. 16 Tels sont les noms des hommes que Moïse envoya pour explorer le pays. Moïse donna à Hosée, fils de Nun, le nom de Josué. 17 Moïse les envoya pour explorer le pays de Canaan. Il leur dit: Montez ici, par le midi; et vous monterez sur la montagne. 18 Vous verrez le pays, ce qu'il est, et le peuple qui l'habite, s'il est fort ou faible, s'il est en petit ou en grand nombre; 19 ce qu'est le pays où il habite, s'il est bon ou mauvais; ce que sont les villes où il habite, si elles sont ouvertes ou fortifiées; 20 ce qu'est le terrain, s'il est gras ou maigre, s'il y a des arbres ou s'il n'y en a point. Ayez bon courage, et prenez des fruits du pays. C'était le temps des premiers raisins. 21 Ils montèrent, et ils explorèrent le pays, depuis le désert de Tsin jusqu'à Rehob, sur le chemin de Hamath. 22 Ils montèrent, par le midi, et ils allèrent jusqu'à Hébron, où étaient Ahiman, Schéschaï et Talmaï, enfants d'Anak. Hébron avait été bâtie sept ans avant Tsoan en Égypte. 23 Ils arrivèrent jusqu'à la vallée d'Eschcol, où ils coupèrent une branche de vigne avec une grappe de raisin, qu'ils portèrent à deux au moyen d'une perche; ils prirent aussi des grenades et des figues. 24 On donna à ce lieu le nom de vallée d'Eschcol, à cause de la grappe que les enfants d'Israël y coupèrent. 25 Ils furent de retour de l'exploration du pays au bout de quarante jours. 26 A leur arrivée, ils se rendirent auprès de Moïse et d'Aaron, et de toute l'assemblée des enfants d'Israël, à Kadès dans le désert de Paran. Ils leur firent un rapport, ainsi qu'à toute l'assemblée, et ils leur montrèrent les fruits du pays. 27 Voici ce qu'ils racontèrent à Moïse: Nous sommes allés dans le pays où tu nous as envoyés. A la vérité, c'est un pays où coulent le lait et le miel, et en voici les fruits. 28 Mais le peuple qui habite ce pays est puissant, les villes sont fortifiées, très grandes; nous y avons vu des enfants d'Anak. 29 Les Amalécites habitent la contrée du midi; les Héthiens, les Jébusiens et les Amoréens habitent la montagne; et les Cananéens habitent près de la mer et le long du Jourdain. 30 Caleb fit taire le peuple, qui murmurait contre Moïse. Il dit: Montons, emparons-nous du pays, nous y serons vainqueurs! 31 Mais les hommes qui y étaient allés avec lui dirent: Nous ne pouvons pas monter contre ce peuple, car il est plus fort que nous. 32 Et ils décrièrent devant les enfants d'Israël le pays qu'ils avaient exploré. Ils dirent: Le pays que nous avons parcouru, pour l'explorer, est un pays qui dévore ses habitants; tous ceux que nous y avons vus sont des hommes d'une haute taille; 33 et nous y avons vu les géants, enfants d'Anak, de la race des géants: nous étions à nos yeux et aux leurs comme des sauterelles.