T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10 

1 [Ny trompetra volafotsy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.

3 Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.

4 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.

5 Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.

6 Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.

7 Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.

8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.

9 Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo.

10 Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.

*

11 [Ny niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i Mosesy tamin i Hobaba. Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona.

12 Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.

13 Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

14 Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.

15 Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara.

16 Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.

17 Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely.

18 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony.

19 Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona.

20 Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada.

21 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.

22 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.

23 Ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Manase.

24 Ary Abidana, zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina.

25 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.

26 Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera.

27 Ary Ahira, zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.

28 Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.

29 Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely.

30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.

31 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.

32 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.

33 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona.

34 Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany.

35 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.

36 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.

 

Chapitre 10

10:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 10:2 “Make two trumpets of silver. You shall make them of beaten work. You shall use them for the calling of the congregation, and for the journeying of the camps. 10:3 When they blow them, all the congregation shall gather themselves to you at the door of the Tent of Meeting. 10:4 If they blow just one, then the princes, the heads of the thousands of Israel, shall gather themselves to you. 10:5 When you blow an alarm, the camps that lie on the east side shall go forward. 10:6 When you blow an alarm the second time, the camps that lie on the south side shall go forward. They shall blow an alarm for their journeys. 10:7 But when the assembly is to be gathered together, you shall blow, but you shall not sound an alarm.

10:8 “The sons of Aaron, the priests, shall blow the trumpets. This shall be to you for a statute forever throughout your generations. 10:9 When you go to war in your land against the adversary who oppresses you, then you shall sound an alarm with the trumpets. Then you will be remembered before Yahweh your God, and you will be saved from your enemies.

10:10 “Also in the day of your gladness, and in your set feasts, and in the beginnings of your months, you shall blow the trumpets over your burnt offerings, and over the sacrifices of your peace offerings; and they shall be to you for a memorial before your God. I am Yahweh your God.”

10:11 It happened in the second year, in the second month, on the twentieth day of the month, that the cloud was taken up from over the tabernacle of the testimony. 10:12 The children of Israel went forward according to their journeys out of the wilderness of Sinai; and the cloud stayed in the wilderness of Paran. 10:13 They first went forward according to the commandment of Yahweh by Moses.

10:14 First, the standard of the camp of the children of Judah went forward according to their armies. Nahshon the son of Amminadab was over his army. 10:15 Nethanel the son of Zuar was over the army of the tribe of the children of Issachar. 10:16 Eliab the son of Helon was over the army of the tribe of the children of Zebulun. 10:17 The tabernacle was taken down; and the sons of Gershon and the sons of Merari, who bore the tabernacle, went forward. 10:18 The standard of the camp of Reuben went forward according to their armies. Elizur the son of Shedeur was over his army. 10:19 Shelumiel the son of Zurishaddai was over the army of the tribe of the children of Simeon. 10:20 Eliasaph the son of Deuel was over the army of the tribe of the children of Gad.

10:21 The Kohathites set forward, bearing the sanctuary. The others set up the tabernacle before they arrived.

10:22 The standard of the camp of the children of Ephraim set forward according to their armies. Elishama the son of Ammihud was over his army. 10:23 Gamaliel the son of Pedahzur was over the army of the tribe of the children of Manasseh. 10:24 Abidan the son of Gideoni was over the army of the tribe of the children of Benjamin.

10:25 The standard of the camp of the children of Dan, which was the rear guard of all the camps, set forward according to their armies. Ahiezer the son of Ammishaddai was over his army. 10:26 Pagiel the son of Ochran was over the army of the tribe of the children of Asher. 10:27 Ahira the son of Enan was over the army of the tribe of the children of Naphtali. 10:28 Thus were the travels of the children of Israel according to their armies; and they went forward.

10:29 Moses said to Hobab, the son of Reuel the Midianite, Moses’ father-in-law, “We are journeying to the place of which Yahweh said, ‘I will give it to you.’ Come with us, and we will treat you well; for Yahweh has spoken good concerning Israel.”

10:30 He said to him, “I will not go; but I will depart to my own land, and to my relatives.”

10:31 He said, “Don’t leave us, please; because you know how we are to encamp in the wilderness, and you can be our eyes. 10:32 It shall be, if you go with us, yes, it shall be, that whatever good Yahweh does to us, we will do the same to you.”

10:33 They set forward from the Mount of Yahweh three days’ journey. The ark of the covenant of Yahweh went before them three days’ journey, to seek out a resting place for them. 10:34 The cloud of Yahweh was over them by day, when they set forward from the camp. 10:35 It happened, when the ark went forward, that Moses said, “Rise up, Yahweh, and let your enemies be scattered! Let those who hate you flee before you!” 10:36 When it rested, he said, “Return, Yahweh, to the ten thousands of the thousands of Israel.”

 

Chapitre 10
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Fais-toi deux trompettes d'argent; tu les feras d'argent battu. Elles te serviront pour la convocation de l'assemblée et pour le départ des camps. 3 Quand on en sonnera, toute l'assemblée se réunira auprès de toi, à l'entrée de la tente d'assignation. 4 Si l'on ne sonne que d'une trompette, les princes, les chefs des milliers d'Israël, se réuniront auprès de toi. 5 Quand vous sonnerez avec éclat, ceux qui campent à l'orient partiront; 6 quand vous sonnerez avec éclat pour la seconde fois, ceux qui campent au midi partiront: on sonnera avec éclat pour leur départ. 7 Vous sonnerez aussi pour convoquer l'assemblée, mais vous ne sonnerez pas avec éclat. 8 Les fils d'Aaron, les sacrificateurs, sonneront des trompettes. Ce sera une loi perpétuelle pour vous et pour vos descendants. 9 Lorsque, dans votre pays, vous irez à la guerre contre l'ennemi qui vous combattra, vous sonnerez des trompettes avec éclat, et vous serez présents au souvenir de l'Éternel, votre Dieu, et vous serez délivrés de vos ennemis. 10 Dans vos jours de joie, dans vos fêtes, et à vos nouvelles lunes, vous sonnerez des trompettes, en offrant vos holocaustes et vos sacrifices d'actions de grâces, et elles vous mettront en souvenir devant votre Dieu. Je suis l'Éternel, votre Dieu. 11 Le vingtième jour du second mois de la seconde année, la nuée s'éleva de dessus le tabernacle du témoignage. 12 Et les enfants d'Israël partirent du désert de Sinaï, selon l'ordre fixé pour leur marche. La nuée s'arrêta dans le désert de Paran. 13 Ils firent ce premier départ sur l'ordre de l'Éternel par Moïse. 14 La bannière du camp des fils de Juda partit la première, avec ses corps d'armée. Le corps d'armée de Juda était commandé par Nachschon, fils d'Amminadab; 15 le corps d'armée de la tribu des fils d'Issacar, par Nethaneel, fils de Tsuar; 16 le corps d'armée de la tribu des fils de Zabulon, par Éliab, fils de Hélon. 17 Le tabernacle fut démonté; et les fils de Guerschon et les fils de Merari partirent, portant le tabernacle. 18 La bannière du camp de Ruben partit, avec ses corps d'armée. Le corps d'armée de Ruben était commandé par Élitsur, fils de Schedéur; 19 le corps d'armée de la tribu des fils de Siméon, par Schelumiel, fils de Tsurischaddaï; 20 le corps d'armée de la tribu des fils de Gad, par Éliasaph, fils de Déuel. 21 Les Kehathites partirent, portant le sanctuaire; et l'on dressait le tabernacle en attendant leur arrivée. 22 La bannière du camp des fils d'Éphraïm partit, avec ses corps d'armée. Le corps d'armée d'Éphraïm était commandé par Élischama, fils d'Ammihud; 23 le corps d'armée de la tribu des fils de Manassé, par Gamliel, fils de Pedahtsur; 24 le corps d'armée de la tribu des fils de Benjamin, par Abidan, fils de Guideoni. 25 La bannière du camp des fils de Dan partit, avec ses corps d'armée: elle formait l'arrière-garde de tous les camps. Le corps d'armée de Dan était commandé par Ahiézer, fils d'Ammischaddaï; 26 le corps d'armée de la tribu des fils d'Aser, par Paguiel, fils d'Ocran; 27 le corps d'armée de la tribu des fils de Nephthali, par Ahira, fils d'Énan. 28 Tel fut l'ordre d'après lequel les enfants d'Israël se mirent en marche selon leurs corps d'armée; et c'est ainsi qu'ils partirent. 29 Moïse dit à Hobab, fils de Réuel, le Madianite, beau-père de Moïse: Nous partons pour le lieu dont l'Éternel a dit: Je vous le donnerai. Viens avec nous, et nous te ferons du bien, car l'Éternel a promis de faire du bien à Israël. 30 Hobab lui répondit: Je n'irai point; mais j'irai dans mon pays et dans ma patrie. 31 Et Moïse dit: Ne nous quitte pas, je te prie; puisque tu connais les lieux où nous campons dans le désert, tu nous serviras de guide. 32 Et si tu viens avec nous, nous te ferons jouir du bien que l'Éternel nous fera. 33 Ils partirent de la montagne de l'Éternel, et marchèrent trois jours; l'arche de l'alliance de l'Éternel partit devant eux, et fit une marche de trois jours, pour leur chercher un lieu de repos. 34 La nuée de l'Éternel était au-dessus d'eux pendant le jour, lorsqu'ils partaient du camp. 35 Quand l'arche partait, Moïse disait: Lève-toi, Éternel! et que tes ennemis soient dispersés! que ceux qui te haïssent fuient devant ta face! 36 Et quand on la posait, il disait: Reviens, Éternel, aux myriades des milliers d'Israël!