T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely.

2 Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino.

3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna.

4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.

5 Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.

6 Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah.

7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany.

8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.

9 Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna.

10 Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.

11 Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.

12 Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.

13 Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna.

14 Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito,

15 ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.

16 Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.

17 Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.

18 Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.

 

Chapitre 8

8:1 All the people gathered themselves together as one man into the broad place that was before the water gate; and they spoke to Ezra the scribe to bring the book of the law of Moses, which Yahweh had commanded to Israel. 8:2 Ezra the priest brought the law before the assembly, both men and women, and all who could hear with understanding, on the first day of the seventh month. 8:3 He read therein before the broad place that was before the water gate from early morning until midday, in the presence of the men and the women, and of those who could understand; and the ears of all the people were attentive to the book of the law. 8:4 Ezra the scribe stood on a pulpit of wood, which they had made for the purpose; and beside him stood Mattithiah, and Shema, and Anaiah, and Uriah, and Hilkiah, and Maaseiah, on his right hand; and on his left hand, Pedaiah, and Mishael, and Malchijah, and Hashum, and Hashbaddanah, Zechariah, and Meshullam. 8:5 Ezra opened the book in the sight of all the people; (for he was above all the people;) and when he opened it, all the people stood up: 8:6 and Ezra blessed Yahweh, the great God. All the people answered, “Amen, Amen,” with the lifting up of their hands. They bowed their heads, and worshiped Yahweh with their faces to the ground. 8:7 Also Jeshua, and Bani, and Sherebiah, Jamin, Akkub, Shabbethai, Hodiah, Maaseiah, Kelita, Azariah, Jozabad, Hanan, Pelaiah, and the Levites, caused the people to understand the law: and the people stayed in their place. 8:8 They read in the book, in the law of God, distinctly; and they gave the sense, so that they understood the reading. 8:9 Nehemiah, who was the governor, and Ezra the priest the scribe, and the Levites who taught the people, said to all the people, “This day is holy to Yahweh your God. Don’t mourn, nor weep.” For all the people wept, when they heard the words of the law. 8:10 Then he said to them, “Go your way. Eat the fat, drink the sweet, and send portions to him for whom nothing is prepared; for this day is holy to our Lord. Don’t be grieved; for the joy of Yahweh is your strength.”

8:11 So the Levites stilled all the people, saying, “Hold your peace, for the day is holy; neither be grieved.”

8:12 All the people went their way to eat, and to drink, and to send portions, and to make great mirth, because they had understood the words that were declared to them. 8:13 On the second day were gathered together the heads of fathers’ households of all the people, the priests, and the Levites, to Ezra the scribe, even to give attention to the words of the law. 8:14 They found written in the law, how that Yahweh had commanded by Moses, that the children of Israel should dwell in booths in the feast of the seventh month; 8:15 and that they should publish and proclaim in all their cities, and in Jerusalem, saying, “Go out to the mountain, and get olive branches, and branches of wild olive, and myrtle branches, and palm branches, and branches of thick trees, to make booths, as it is written.”

8:16 So the people went out, and brought them, and made themselves booths, everyone on the roof of his house, and in their courts, and in the courts of God’s house, and in the broad place of the water gate, and in the broad place of the gate of Ephraim. 8:17 All the assembly of those who had come again out of the captivity made booths, and lived in the booths; for since the days of Jeshua the son of Nun to that day the children of Israel had not done so. There was very great gladness. 8:18 Also day by day, from the first day to the last day, he read in the book of the law of God. They kept the feast seven days; and on the eighth day was a solemn assembly, according to the ordinance.

 

Chapitre 8
1 Alors tout le peuple s'assembla comme un seul homme sur la place qui est devant la porte des eaux. Ils dirent à Esdras, le scribe, d'apporter le livre de la loi de Moïse, prescrite par l'Éternel à Israël. 2 Et le sacrificateur Esdras apporta la loi devant l'assemblée, composée d'hommes et de femmes et de tous ceux qui étaient capables de l'entendre. C'était le premier jour du septième mois. 3 Esdras lut dans le livre depuis le matin jusqu'au milieu du jour, sur la place qui est devant la porte des eaux, en présence des hommes et des femmes et de ceux qui étaient capables de l'entendre. Tout le peuple fut attentif à la lecture du livre de la loi. 4 Esdras, le scribe, était placé sur une estrade de bois, dressée à cette occasion. Auprès de lui, à sa droite, se tenaient Matthithia, Schéma, Anaja, Urie, Hilkija et Maaséja, et à sa gauche, Pedaja, Mischaël, Malkija, Haschum, Haschbaddana, Zacharie et Meschullam. 5 Esdras ouvrit le livre à la vue de tout le peuple, car il était élevé au-dessus de tout le peuple; et lorsqu'il l'eut ouvert, tout le peuple se tint en place. 6 Esdras bénit l'Éternel, le grand Dieu, et tout le peuple répondit, en levant les mains: Amen! amen! Et ils s'inclinèrent et se prosternèrent devant l'Éternel, le visage contre terre. 7 Josué, Bani, Schérébia, Jamin, Akkub, Schabbethaï, Hodija, Maaséja, Kelitha, Azaria, Jozabad, Hanan, Pelaja, et les Lévites, expliquaient la loi au peuple, et chacun restait à sa place. 8 Ils lisaient distinctement dans le livre de la loi de Dieu, et ils en donnaient le sens pour faire comprendre ce qu'ils avaient lu. 9 Néhémie, le gouverneur, Esdras, le sacrificateur et le scribe, et les Lévites qui enseignaient le peuple, dirent à tout le peuple: Ce jour est consacré à l'Éternel, votre Dieu; ne soyez pas dans la désolation et dans les larmes! Car tout le peuple pleurait en entendant les paroles de la loi. 10 Ils leur dirent: Allez, mangez des viandes grasses et buvez des liqueurs douces, et envoyez des portions à ceux qui n'ont rien de préparé, car ce jour est consacré à notre Seigneur; ne vous affligez pas, car la joie de l'Éternel sera votre force. 11 Les Lévites calmaient tout le peuple, en disant: Taisez-vous, car ce jour est saint; ne vous affligez pas! 12 Et tout le peuple s'en alla pour manger et boire, pour envoyer des portions, et pour se livrer à de grandes réjouissances. Car ils avaient compris les paroles qu'on leur avait expliquées. 13 Le second jour, les chefs de famille de tout le peuple, les sacrificateurs et les Lévites, s'assemblèrent auprès d'Esdras, le scribe, pour entendre l'explication des paroles de la loi. 14 Et ils trouvèrent écrit dans la loi que l'Éternel avait prescrite par Moïse, que les enfants d'Israël devaient habiter sous des tentes pendant la fête du septième mois, 15 et proclamer cette publication dans toutes leurs villes et à Jérusalem: Allez chercher à la montagne des rameaux d'olivier, des rameaux d'olivier sauvage, des rameaux de myrte, des rameaux de palmier, et des rameaux d'arbres touffus, pour faire des tentes, comme il est écrit. 16 Alors le peuple alla chercher des rameaux, et ils se firent des tentes sur le toit de leurs maisons, dans leurs cours, dans les parvis de la maison de Dieu, sur la place de la porte des eaux et sur la place de la porte d'Éphraïm. 17 Toute l'assemblée de ceux qui étaient revenus de la captivité fit des tentes, et ils habitèrent sous ces tentes. Depuis le temps de Josué, fils de Nun, jusqu'à ce jour, les enfants d'Israël n'avaient rien fait de pareil. Et il y eut de très grandes réjouissances. 18 On lut dans le livre de la loi de Dieu chaque jour, depuis le premier jour jusqu'au dernier. On célébra la fête pendant sept jours, et il y eut une assemblée solennelle le huitième jour, comme cela est ordonné.