T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,

2 Amaria, Maloka, Hatosy,

3 Sekania, Rehoma, Meremota,

4 Ido, Ginetoy, Abia,

5 Miamina, Madia, Bilga,

6 Semaia, Joiariba, Jedaia,

7 Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan'ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin'ny andron'i Jesoa.

8 Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian'ny fiderana.

9 Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin'ireo, dia nifanandrify tamin'ny anjara-raharahany.

10 Ary Jesoa niteraka an'i Joiakima; ary Joiakima niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i Joiada;

11 ary Joiada niteraka an'i Jonatana; ary Jonatana niteraka an'i Jadoa.

12 Ary tamin'ny andron'i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i Seraia dia Meraia; ny avy tamin'i Jeremia dia Hanania;

13 ny avy tamin'i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin'i Amaria dia Johanana;

14 ny avy tamin'i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin'i Sebania dia Josefa;

15 ny avy tamin'i Hadma dia Adna; ny avy tamin'i Meraiota dia Helkay;

16 ny avy tamin'Ido dia Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona dia Mesolama;

17 ny avy tamin'i Abia dia Zikry; ny avy tamin'i Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;

18 ny avy tamin'i Bilga dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia dia Jonatana;

19 ny avy tamin'i Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i Jedaia dia Ozy;

20 ny avy tamin'i Salay dia Kalay; ny avy tamin'i Amoka dia Ebera;

21 ny avy tamin'i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin'i Jedaia dia Netanela.

22 Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.

23 Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.

24 Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.

25 Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.

26 Ireo no tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.

27 Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.

28 Dia niangona ny mpihira avy tamin'ny tany lemaka manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny vohitry ny Netofatita

29 sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.

30 Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;

32 ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,

33 dia Azaria sy Ezra sy Mesolama

34 sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,

35 ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,

36 mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.

37 Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.

38 Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,

39 ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.

40 Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko

41 ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,

42 ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.

43 Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.

44 Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.

45 Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy Solomona zanany.

46 Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.

47 Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.

 

Chapitre 12

12:1 Now these are the priests and the Levites who went up with Zerubbabel the son of Shealtiel, and Jeshua: Seraiah, Jeremiah, Ezra, 12:2 Amariah, Malluch, Hattush, 12:3 Shecaniah, Rehum, Meremoth, 12:4 Iddo, Ginnethoi, Abijah, 12:5 Mijamin, Maadiah, Bilgah, 12:6 Shemaiah, and Joiarib, Jedaiah. 12:7 Sallu, Amok, Hilkiah, Jedaiah. These were the chiefs of the priests and of their brothers in the days of Jeshua. 12:8 Moreover the Levites: Jeshua, Binnui, Kadmiel, Sherebiah, Judah, and Mattaniah, who was over the thanksgiving, he and his brothers. 12:9 Also Bakbukiah and Unno, their brothers, were over against them according to their offices. 12:10 Jeshua became the father of Joiakim, and Joiakim became the father of Eliashib, and Eliashib became the father of Joiada, 12:11 and Joiada became the father of Jonathan, and Jonathan became the father of Jaddua. 12:12 In the days of Joiakim were priests, heads of fathers’ households: of Seraiah, Meraiah; of Jeremiah, Hananiah; 12:13 of Ezra, Meshullam; of Amariah, Jehohanan; 12:14 of Malluchi, Jonathan; of Shebaniah, Joseph; 12:15 of Harim, Adna; of Meraioth, Helkai; 12:16 of Iddo, Zechariah; of Ginnethon, Meshullam; 12:17 of Abijah, Zichri; of Miniamin, of Moadiah, Piltai; 12:18 of Bilgah, Shammua; of Shemaiah, Jehonathan; 12:19 and of Joiarib, Mattenai; of Jedaiah, Uzzi; 12:20 of Sallai, Kallai; of Amok, Eber; 12:21 of Hilkiah, Hashabiah; of Jedaiah, Nethanel. 12:22 As for the Levites, in the days of Eliashib, Joiada, and Johanan, and Jaddua, there were recorded the heads of fathers’ households; also the priests, in the reign of Darius the Persian. 12:23 The sons of Levi, heads of fathers’ households, were written in the book of the chronicles, even until the days of Johanan the son of Eliashib. 12:24 The chiefs of the Levites: Hashabiah, Sherebiah, and Jeshua the son of Kadmiel, with their brothers over against them, to praise and give thanks, according to the commandment of David the man of God, watch next to watch. 12:25 Mattaniah, and Bakbukiah, Obadiah, Meshullam, Talmon, Akkub, were porters keeping the watch at the storehouses of the gates. 12:26 These were in the days of Joiakim the son of Jeshua, the son of Jozadak, and in the days of Nehemiah the governor, and of Ezra the priest the scribe. 12:27 At the dedication of the wall of Jerusalem they sought the Levites out of all their places, to bring them to Jerusalem, to keep the dedication with gladness, both with giving thanks, and with singing, with cymbals, stringed instruments, and with harps. 12:28 The sons of the singers gathered themselves together, both out of the plain around Jerusalem, and from the villages of the Netophathites; 12:29 also from Beth Gilgal, and out of the fields of Geba and Azmaveth: for the singers had built them villages around Jerusalem. 12:30 The priests and the Levites purified themselves; and they purified the people, and the gates, and the wall. 12:31 Then I brought up the princes of Judah on the wall, and appointed two great companies who gave thanks and went in procession. One went on the right hand on the wall toward the dung gate; 12:32 and after them went Hoshaiah, and half of the princes of Judah, 12:33 and Azariah, Ezra, and Meshullam, 12:34 Judah, and Benjamin, and Shemaiah, and Jeremiah, 12:35 and certain of the priests’ sons with trumpets: Zechariah the son of Jonathan, the son of Shemaiah, the son of Mattaniah, the son of Micaiah, the son of Zaccur, the son of Asaph; 12:36 and his brothers, Shemaiah, and Azarel, Milalai, Gilalai, Maai, Nethanel, and Judah, Hanani, with the musical instruments of David the man of God; and Ezra the scribe was before them. 12:37 By the spring gate, and straight before them, they went up by the stairs of the city of David, at the ascent of the wall, above the house of David, even to the water gate eastward. 12:38 The other company of those who gave thanks went to meet them, and I after them, with the half of the people, on the wall, above the tower of the furnaces, even to the broad wall, 12:39 and above the gate of Ephraim, and by the old gate, and by the fish gate, and the tower of Hananel, and the tower of Hammeah, even to the sheep gate: and they stood still in the gate of the guard. 12:40 So stood the two companies of those who gave thanks in God’s house, and I, and the half of the rulers with me; 12:41 and the priests, Eliakim, Maaseiah, Miniamin, Micaiah, Elioenai, Zechariah, and Hananiah, with trumpets; 12:42 and Maaseiah, and Shemaiah, and Eleazar, and Uzzi, and Jehohanan, and Malchijah, and Elam, and Ezer. The singers sang loud, with Jezrahiah their overseer. 12:43 They offered great sacrifices that day, and rejoiced; for God had made them rejoice with great joy; and the women also and the children rejoiced: so that the joy of Jerusalem was heard even afar off. 12:44 On that day were men appointed over the rooms for the treasures, for the wave offerings, for the first fruits, and for the tithes, to gather into them, according to the fields of the cities, the portions appointed by the law for the priests and Levites: for Judah rejoiced for the priests and for the Levites who waited. 12:45 They performed the duty of their God, and the duty of the purification, and so did the singers and the porters, according to the commandment of David, and of Solomon his son. 12:46 For in the days of David and Asaph of old there was a chief of the singers, and songs of praise and thanksgiving to God. 12:47 All Israel in the days of Zerubbabel, and in the days of Nehemiah, gave the portions of the singers and the porters, as every day required: and they set apart that which was for the Levites; and the Levites set apart that which was for the sons of Aaron.

 

Chapitre 12
1 Voici les sacrificateurs et les Lévites qui revinrent avec Zorobabel, fils de Schealthiel, et avec Josué: Seraja, Jérémie, Esdras, 2 Amaria, Malluc, Hattusch, 3 Schecania, Rehum, Merémoth, 4 Iddo, Guinnethoï, Abija, 5 Mijamin, Maadia, Bilga, 6 Schemaeja, Jojarib, Jedaeja, 7 Sallu, Amok, Hilkija, Jedaeja. Ce furent là les chefs des sacrificateurs et de leurs frères, au temps de Josué. - 8 Lévites: Josué, Binnuï, Kadmiel, Schérébia, Juda, Matthania, qui dirigeait avec ses frères le chant des louanges; 9 Bakbukia et Unni, qui remplissaient leurs fonctions auprès de leurs frères. 10 Josué engendra Jojakim, Jojakim engendra Éliaschib, Éliaschib engendra Jojada, 11 Jojada engendra Jonathan, et Jonathan engendra Jaddua. 12 Voici, au temps de Jojakim, quels étaient les sacrificateurs, chefs de famille: pour Seraja, Meraja; pour Jérémie, Hanania; 13 pour Esdras, Meschullam; pour Amaria, Jochanan; 14 pour Meluki, Jonathan; pour Schebania, Joseph; 15 pour Harim, Adna; pour Merajoth, Helkaï; 16 pour Iddo, Zacharie; pour Guinnethon, Meschullam; 17 pour Abija, Zicri; pour Minjamin et Moadia, Pilthaï; 18 pour Bilga, Schammua; pour Schemaeja, Jonathan; 19 pour Jojarib, Matthnaï; pour Jedaeja, Uzzi; 20 pour Sallaï, Kallaï; pour Amok, Éber; 21 pour Hilkija, Haschabia; pour Jedaeja, Nethaneel. 22 Au temps d'Éliaschib, de Jojada, de Jochanan et de Jaddua, les Lévites, chefs de familles, et les sacrificateurs, furent inscrits, sous le règne de Darius, le Perse. 23 Les fils de Lévi, chefs de familles, furent inscrits dans le livre des Chroniques jusqu'au temps de Jochanan, fils d'Éliaschib. 24 Les chefs des Lévites, Haschabia, Schérébia, et Josué, fils de Kadmiel, et leurs frères avec eux, les uns vis-à-vis des autres, étaient chargés de célébrer et de louer l'Éternel, selon l'ordre de David, homme de Dieu. 25 Matthania, Bakbukia, Abdias, Meschullam, Thalmon et Akkub, portiers, faisaient la garde aux seuils des portes. 26 Ils vivaient au temps de Jojakim, fils de Josué, fils de Jotsadak, et au temps de Néhémie, le gouverneur, et d'Esdras, le sacrificateur et le scribe. 27 Lors de la dédicace des murailles de Jérusalem, on appela les Lévites de tous les lieux qu'ils habitaient et on les fit venir à Jérusalem, afin de célébrer la dédicace et la fête par des louanges et par des chants, au son des cymbales, des luths et des harpes. 28 Les fils des chantres se rassemblèrent des environs de Jérusalem, des villages des Nethophatiens, 29 de Beth-Guilgal, et du territoire de Guéba et d'Azmaveth; car les chantres s'étaient bâti des villages aux alentours de Jérusalem. 30 Les sacrificateurs et les Lévites se purifièrent, et ils purifièrent le peuple, les portes et la muraille. 31 Je fis monter sur la muraille les chefs de Juda, et je formai deux grands choeurs. Le premier se mit en marche du côté droit sur la muraille, vers la porte du fumier. 32 Derrière ce choeur marchaient Hosée et la moitié des chefs de Juda, 33 Azaria, Esdras, Meschullam, 34 Juda, Benjamin, Schemaeja et Jérémie, 35 des fils de sacrificateurs avec des trompettes, Zacharie, fils de Jonathan, fils de Schemaeja, fils de Matthania, fils de Michée, fils de Zaccur, fils d'Asaph, 36 et ses frères, Schemaeja, Azareel, Milalaï, Guilalaï, Maaï, Nethaneel, Juda et Hanani, avec les instruments de musique de David, homme de Dieu. Esdras, le scribe, était à leur tête. 37 A la porte de la source, ils montèrent vis-à-vis d'eux les degrés de la cité de David par la montée de la muraille, au-dessus de la maison de David, jusqu'à la porte des eaux, vers l'orient. 38 Le second choeur se mit en marche à l'opposite. J'étais derrière lui avec l'autre moitié du peuple, sur la muraille. Passant au-dessus de la tour des fours, on alla jusqu'à la muraille large; 39 puis au-dessus de la porte d'Éphraïm, de la vieille porte, de la porte des poissons, de la tour de Hananeel et de la tour de Méa, jusqu'à la porte des brebis. Et l'on s'arrêta à la porte de la prison. 40 Les deux choeurs s'arrêtèrent dans la maison de Dieu; et nous fîmes de même, moi et les magistrats qui étaient avec moi, 41 et les sacrificateurs Éliakim, Maaséja, Minjamin, Michée, Eljoénaï, Zacharie, Hanania, avec des trompettes, 42 et Maaséja, Schemaeja, Éléazar, Uzzi, Jochanan, Malkija, Élam et Ézer. Les chantres se firent entendre, dirigés par Jizrachja. 43 On offrit ce jour-là de nombreux sacrifices, et on se livra aux réjouissances, car Dieu avait donné au peuple un grand sujet de joie. Les femmes et les enfants se réjouirent aussi, et les cris de joie de Jérusalem furent entendus au loin. 44 En ce jour, on établit des hommes ayant la surveillance des chambres qui servaient de magasins pour les offrandes, les prémices et les dîmes, et on les chargea d'y recueillir du territoire des villes les portions assignées par la loi aux sacrificateurs et aux Lévites. Car Juda se réjouissait de ce que les sacrificateurs et les Lévites étaient à leur poste, 45 observant tout ce qui concernait le service de Dieu et des purifications. Les chantres et les portiers remplissaient aussi leurs fonctions, selon l'ordre de David et de Salomon, son fils; 46 car autrefois, du temps de David et d'Asaph, il y avait des chefs de chantres et des chants de louanges et d'actions de grâces en l'honneur de Dieu. 47 Tout Israël, au temps de Zorobabel et de Néhémie, donna les portions des chantres et des portiers, jour par jour; on donna aux Lévites les choses consacrées, et les Lévites donnèrent aux fils d'Aaron les choses consacrées.