| Chapitre 11 1 Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa. 2 Ary nisaoran'ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema. 3 Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona. 4 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy tamin'ny taranak'i Joda dia Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza; 5 ary Mahaseia, zanak'i Baroka, zanak'i Kola-hoze, zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba, zanak'i Zakaria, zanak'ilay Silonita. 6 Ny taranak'i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato. 7 Ary izao no taranak'i Benjamina: Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i Kolaia, zanak'i Mahaseia, zanak'Itiela,zanak'i Jesaia; 8 ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato. 9 Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna. 10 Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina. 11 Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon'Andriamanitra. 12 Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, 13 ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera, 14 mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy. 15 Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony; 16 ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra. 17 Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona. 18 Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato. 19 Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato. 20 Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy. 21 Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy. 22 Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa. 23 Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro. 24 Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona. 25 Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny, 26 ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta 27 sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny, 28 ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny, 29 ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota 30 sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy. 31 Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny, 32 ary tany Anatota sy Noba sy Anania 33 sy Hazora sy Rama sy Gitaima 34 sy Hadida sy Zeboima sy Nebala 35 sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay tao-zavatra. 36 Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda. | | Chapitre 11 11:1 The princes of the people lived in Jerusalem: the rest of the people also cast lots, to bring one of ten to dwell in Jerusalem the holy city, and nine parts in the other cities. 11:2 The people blessed all the men who willingly offered themselves to dwell in Jerusalem. 11:3 Now these are the chiefs of the province who lived in Jerusalem; but in the cities of Judah everyone lived in his possession in their cities: Israel, the priests, and the Levites, and the Nethinim, and the children of Solomon’s servants. 11:4 In Jerusalem lived certain of the children of Judah, and of the children of Benjamin. Of the children of Judah: Athaiah the son of Uzziah, the son of Zechariah, the son of Amariah, the son of Shephatiah, the son of Mahalalel, of the children of Perez; 11:5 and Maaseiah the son of Baruch, the son of Colhozeh, the son of Hazaiah, the son of Adaiah, the son of Joiarib, the son of Zechariah, the son of the Shilonite. 11:6 All the sons of Perez who lived in Jerusalem were four hundred sixty-eight valiant men. 11:7 These are the sons of Benjamin: Sallu the son of Meshullam, the son of Joed, the son of Pedaiah, the son of Kolaiah, the son of Maaseiah, the son of Ithiel, the son of Jeshaiah. 11:8 After him Gabbai, Sallai, nine hundred twenty-eight. 11:9 Joel the son of Zichri was their overseer; and Judah the son of Hassenuah was second over the city. 11:10 Of the priests: Jedaiah the son of Joiarib, Jachin, 11:11 Seraiah the son of Hilkiah, the son of Meshullam, the son of Zadok, the son of Meraioth, the son of Ahitub, the ruler of God’s house, 11:12 and their brothers who did the work of the house, eight hundred twenty-two; and Adaiah the son of Jeroham, the son of Pelaliah, the son of Amzi, the son of Zechariah, the son of Pashhur, the son of Malchijah, 11:13 and his brothers, chiefs of fathers’ households, two hundred forty-two; and Amashsai the son of Azarel, the son of Ahzai, the son of Meshillemoth, the son of Immer, 11:14 and their brothers, mighty men of valor, one hundred twenty-eight; and their overseer was Zabdiel, the son of Haggedolim. 11:15 Of the Levites: Shemaiah the son of Hasshub, the son of Azrikam, the son of Hashabiah, the son of Bunni; 11:16 and Shabbethai and Jozabad, of the chiefs of the Levites, who had the oversight of the outward business of God’s house; 11:17 and Mattaniah the son of Mica, the son of Zabdi, the son of Asaph, who was the chief to begin the thanksgiving in prayer, and Bakbukiah, the second among his brothers; and Abda the son of Shammua, the son of Galal, the son of Jeduthun. 11:18 All the Levites in the holy city were two hundred eighty-four. 11:19 Moreover the porters, Akkub, Talmon, and their brothers, who kept watch at the gates, were one hundred seventy-two. 11:20 The residue of Israel, of the priests, the Levites, were in all the cities of Judah, everyone in his inheritance. 11:21 But the Nethinim lived in Ophel: and Ziha and Gishpa were over the Nethinim. 11:22 The overseer also of the Levites at Jerusalem was Uzzi the son of Bani, the son of Hashabiah, the son of Mattaniah, the son of Mica, of the sons of Asaph, the singers, over the business of God’s house. 11:23 For there was a commandment from the king concerning them, and a settled provision for the singers, as every day required. 11:24 Pethahiah the son of Meshezabel, of the children of Zerah the son of Judah, was at the king’s hand in all matters concerning the people. 11:25 As for the villages, with their fields, some of the children of Judah lived in Kiriath Arba and its towns, and in Dibon and its towns, and in Jekabzeel and its villages, 11:26 and in Jeshua, and in Moladah, and Beth Pelet, 11:27 and in Hazar Shual, and in Beersheba and its towns, 11:28 and in Ziklag, and in Meconah and in its towns, 11:29 and in En Rimmon, and in Zorah, and in Jarmuth, 11:30 Zanoah, Adullam, and their villages, Lachish and its fields, Azekah and its towns. So they encamped from Beersheba to the valley of Hinnom. 11:31 The children of Benjamin also lived from Geba onward, at Michmash and Aija, and at Bethel and its towns, 11:32 at Anathoth, Nob, Ananiah, 11:33 Hazor, Ramah, Gittaim, 11:34 Hadid, Zeboim, Neballat, 11:35 Lod, and Ono, the valley of craftsmen. 11:36 Of the Levites, certain divisions in Judah settled in Benjamin’s territory | | Chapitre 11 1 Les chefs du peuple s'établirent à Jérusalem. Le reste du peuple tira au sort, pour qu'un sur dix vînt habiter Jérusalem, la ville sainte, et que les autres demeurassent dans les villes. 2 Le peuple bénit tous ceux qui consentirent volontairement à résider à Jérusalem. 3 Voici les chefs de la province qui s'établirent à Jérusalem. Dans les villes de Juda, chacun s'établit dans sa propriété, dans sa ville, Israël, les sacrificateurs et les Lévites, les Néthiniens, et les fils des serviteurs de Salomon. 4 A Jérusalem s'établirent des fils de Juda et des fils de Benjamin. -Des fils de Juda: Athaja, fils d'Ozias, fils de Zacharie, fils d'Amaria, fils de Schephathia, fils de Mahalaleel, des fils de Pérets, 5 et Maaséja, fils de Baruc, fils de Col-Hozé, fils de Hazaja, fils d'Adaja, fils de Jojarib, fils de Zacharie, fils de Schiloni. 6 Total des fils de Pérets qui s'établirent à Jérusalem: quatre cent soixante-huit hommes vaillants. - 7 Voici les fils de Benjamin: Sallu, fils de Meschullam, fils de Joëd, fils de Pedaja, fils de Kolaja, fils de Maaséja, fils d'Ithiel, fils d'Ésaïe, 8 et, après lui, Gabbaï et Sallaï, neuf cent vingt-huit. 9 Joël, fils de Zicri, était leur chef; et Juda, fils de Senua, était le second chef de la ville. 10 Des sacrificateurs: Jedaeja, fils de Jojarib, Jakin, 11 Seraja, fils de Hilkija, fils de Meschullam, fils de Tsadok, fils de Merajoth, fils d'Achithub, prince de la maison de Dieu, 12 et leurs frères occupés au service de la maison, huit cent vingt-deux; Adaja, fils de Jerocham, fils de Pelalia, fils d'Amtsi, fils de Zacharie, fils de Paschhur, fils de Malkija, 13 et ses frères, chefs des maisons paternelles, deux cent quarante-deux; et Amaschsaï, fils d'Azareel, fils d'Achzaï, fils de Meschillémoth, fils d'Immer, 14 et leurs frères, vaillants hommes, cent vingt-huit. Zabdiel, fils de Guedolim, était leur chef. 15 Des Lévites: Schemaeja, fils de Haschub, fils d'Azrikam, fils de Haschabia, fils de Bunni, 16 Schabbethaï et Jozabad, chargés des affaires extérieures de la maison de Dieu, et faisant partie des chefs des Lévites; 17 Matthania, fils de Michée, fils de Zabdi, fils d'Asaph, le chef qui entonnait la louange à la prière, et Bakbukia, le second parmi ses frères, et Abda, fils de Schammua, fils de Galal, fils de Jeduthun. 18 Total des Lévites dans la ville sainte: deux cent quatre-vingt-quatre. 19 Et les portiers: Akkub, Thalmon, et leurs frères, gardiens des portes, cent soixante-douze. 20 Le reste d'Israël, les sacrificateurs, les Lévites, s'établirent dans toutes les villes de Juda, chacun dans sa propriété. 21 Les Néthiniens s'établirent sur la colline, et ils avaient pour chefs Tsicha et Guischpa. 22 Le chef des Lévites à Jérusalem était Uzzi, fils de Bani, fils de Haschabia, fils de Matthania, fils de Michée, d'entre les fils d'Asaph, les chantres chargés des offices de la maison de Dieu; 23 car il y avait un ordre du roi concernant les chantres, et un salaire fixe leur était accordé pour chaque jour. 24 Pethachja, fils de Meschézabeel, des fils de Zérach, fils de Juda, était commissaire du roi pour toutes les affaires du peuple. 25 Dans les villages et leurs territoires, des fils de Juda s'établirent à Kirjath-Arba et dans les lieux de son ressort, à Dibon et dans les lieux de son ressort, à Jekabtseel et dans les villages de son ressort, 26 à Jéschua, à Molada, à Beth-Paleth, 27 à Hatsar-Schual, à Beer-Schéba, et dans les lieux de son ressort, 28 à Tsiklag, à Mecona et dans les lieux de son ressort, 29 à En-Rimmon, à Tsorea, à Jarmuth, 30 à Zanoach, à Adullam, et dans les villages de leur ressort, à Lakis et dans son territoire, à Azéka et dans les lieux de son ressort. Ils s'établirent depuis Beer-Schéba jusqu'à la vallée de Hinnom. 31 Les fils de Benjamin s'établirent, depuis Guéba, à Micmasch, à Ajja, à Béthel et dans les lieux de son ressort, 32 à Anathoth, à Nob, à Hanania, 33 à Hatsor, à Rama, à Guitthaïm, 34 à Hadid, à Tseboïm, à Neballath, 35 à Lod et à Ono, la vallée des ouvriers. 36 Il y eut des Lévites qui se joignirent à Benjamin, quoique appartenant aux divisions de Juda. | |