T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

BAIBOLY AUDIO     TORITENY     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     TENY SOA     HIRA     BAIBOLY MALAGASY     FOTOAM-BAVAKA     Vavaka     Rohy      
GENESISY
EKSODOSY
LEVITIKA
NOMERY
DETORONOMIA
MPITSARA
JOSOA
ROTA
1SAMOELA
2SAMOELA
1 MPANJAKA
2 MPANJAKA
1TANTARA
2TANTARA
EZRA
NEHEMIA
ESTERA
JOBA
SALAMO
OHABOLANA
MPITORITENY
TONONKIRA
ISAIA
JEREMIA
FITOMANIANA
EZEKIELA
DANIELA
HOSEA
JOELA
AMOSA
OBADIA
JONA
MIKA
NAHOMA
HABAKOKA
ZEFANIA
HAGAY
ZAKARIA
MALAKIA

Chapitre 1

1 Ny tantaran'i Nehemia, zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,

2 dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema.

3 Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny.

4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra

5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,

6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.

7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao.

8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho;

9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.

10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.

11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.

 

Chapitre 1
1:1 The words of Nehemiah the son of Hacaliah. Now it happened in the month Chislev, in the twentieth year, as I was in Shushan the palace, 1:2 that Hanani, one of my brothers, came, he and certain men out of Judah; and I asked them concerning the Jews who had escaped, who were left of the captivity, and concerning Jerusalem. 1:3 They said to me, “The remnant who are left of the captivity there in the province are in great affliction and reproach. The wall of Jerusalem also is broken down, and its gates are burned with fire.” 1:4 It happened, when I heard these words, that I sat down and wept, and mourned certain days; and I fasted and prayed before the God of heaven, 1:5 and said, “I beg you, Yahweh, the God of heaven, the great and awesome God, who keeps covenant and loving kindness with those who love him and keep his commandments: 1:6 Let your ear now be attentive, and your eyes open, that you may listen to the prayer of your servant, which I pray before you at this time, day and night, for the children of Israel your servants while I confess the sins of the children of Israel, which we have sinned against you. Yes, I and my father’s house have sinned. 1:7 We have dealt very corruptly against you, and have not kept the commandments, nor the statutes, nor the ordinances, which you commanded your servant Moses.

1:8 “Remember, I beg you, the word that you commanded your servant Moses, saying, ‘If you trespass, I will scatter you abroad among the peoples; 1:9 but if you return to me, and keep my commandments and do them, though your outcasts were in the uttermost part of the heavens, yet will I gather them from there, and will bring them to the place that I have chosen, to cause my name to dwell there.’

1:10 “Now these are your servants and your people, whom you have redeemed by your great power, and by your strong hand. 1:11 Lord, I beg you, let your ear be attentive now to the prayer of your servant, and to the prayer of your servants, who delight to fear your name; and please prosper your servant this day, and grant him mercy in the sight of this man.”

Now I was cup bearer to the king.

 

Chapitre 1


1 Paroles de Néhémie, fils de Hacalia. Au mois de Kisleu, la vingtième année, comme j'étais à Suse, dans la capitale, 2 Hanani, l'un de mes frères, et quelques hommes arrivèrent de Juda. Je les questionnai au sujet des Juifs réchappés qui étaient restés de la captivité, et au sujet de Jérusalem. 3 Ils me répondirent: Ceux qui sont restés de la captivité sont là dans la province, au comble du malheur et de l'opprobre; les murailles de Jérusalem sont en ruines, et ses portes sont consumées par le feu. 4 Lorsque j'entendis ces choses, je m'assis, je pleurai, et je fus plusieurs jours dans la désolation. Je jeûnai et je priai devant le Dieu des cieux, 5 et je dis: O Éternel, Dieu des cieux, Dieu grand et redoutable, toi qui gardes ton alliance et qui fais miséricorde à ceux qui t'aiment et qui observent tes commandements! 6 Que ton oreille soit attentive et que tes yeux soient ouverts: écoute la prière que ton serviteur t'adresse en ce moment, jour et nuit, pour tes serviteurs les enfants d'Israël, en confessant les péchés des enfants d'Israël, nos péchés contre toi; car moi et la maison de mon père, nous avons péché. 7 Nous t'avons offensé, et nous n'avons point observé les commandements, les lois et les ordonnances que tu prescrivis à Moïse, ton serviteur. 8 Souviens-toi de cette parole que tu donnas ordre à Moïse, ton serviteur, de prononcer. Lorsque vous pécherez, je vous disperserai parmi les peuples; 9 mais si vous revenez à moi, et si vous observez mes commandements et les mettez en pratique, alors, quand vous seriez exilés à l'extrémité du ciel, de là je vous rassemblerai et je vous ramènerai dans le lieu que j'ai choisi pour y faire résider mon nom. 10 Ils sont tes serviteurs et ton peuple, que tu as rachetés par ta grande puissance et par ta main forte. 11 Ah! Seigneur, que ton oreille soit attentive à la prière de ton serviteur, et à la prière de tes serviteurs qui veulent craindre ton nom! Donne aujourd'hui du succès à ton serviteur, et fais-lui trouver grâce devant cet homme! J'étais alors échanson du roi.