| Chapitre 3 1 Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy. 2 Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy! 3 He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona, 4 Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany. 5 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao. 6 Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao. 7 Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao ? 8 Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be* no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina] 9 Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy*.[Heb. anao] 10 Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana. 11 Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao. 12 Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza. 13 Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny hidinao. 14 Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky. 15 Any no handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala. 16 Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka* ny valalavao ka lasa manidina.[Na: mandevona] 17 Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao* dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao] 18 Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy. 19 Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva? | | Chapitre 3 3:1 Woe to the bloody city! It is all full of lies and robbery. The prey doesn’t depart. 3:2 The noise of the whip, the noise of the rattling of wheels, prancing horses, and bounding chariots, 3:3 the horseman mounting, and the flashing sword, the glittering spear, and a multitude of slain, and a great heap of corpses, and there is no end of the bodies. They stumble on their bodies, 3:4 because of the multitude of the prostitution of the alluring prostitute, the mistress of witchcraft, who sells nations through her prostitution, and families through her witchcraft. 3:5 “Behold, I am against you,” says Yahweh of Armies, “and I will lift your skirts over your face. I will show the nations your nakedness, and the kingdoms your shame. 3:6 I will throw abominable filth on you, and make you vile, and will set you a spectacle. 3:7 It will happen that all those who look at you will flee from you, and say, ‘Nineveh is laid waste! Who will mourn for her?’ Where will I seek comforters for you?” 3:8 Are you better than No-Amon, who was situated among the rivers, who had the waters around her; whose rampart was the sea, and her wall was of the sea? 3:9 Cush and Egypt were her boundless strength. Put and Libya were her helpers. 3:10 Yet was she carried away. She went into captivity. Her young children also were dashed in pieces at the head of all the streets, and they cast lots for her honorable men, and all her great men were bound in chains. 3:11 You also will be drunken. You will be hidden. You also will seek a stronghold because of the enemy. 3:12 All your fortresses will be like fig trees with the first-ripe figs: if they are shaken, they fall into the mouth of the eater. 3:13 Behold, your troops in your midst are women. The gates of your land are set wide open to your enemies. The fire has devoured your bars. 3:14 Draw water for the siege. Strengthen your fortresses. Go into the clay, and tread the mortar. Make the brick kiln strong. 3:15 There the fire will devour you. The sword will cut you off. It will devour you like the grasshopper. Multiply like grasshoppers. Multiply like the locust. 3:16 You have increased your merchants more than the stars of the skies. The grasshopper strips, and flees away. 3:17 Your guards are like the locusts, and your officials like the swarms of locusts, which settle on the walls on a cold day, but when the sun appears, they flee away, and their place is not known where they are. 3:18 Your shepherds slumber, king of Assyria. Your nobles lie down. Your people are scattered on the mountains, and there is no one to gather them. 3:19 There is no healing your wound, for your injury is fatal. All who hear the report of you clap their hands over you; for who hasn’t felt your endless cruelty? | | Chapitre 3 1 Malheur à la ville sanguinaire, Pleine de mensonge, pleine de violence, Et qui ne cesse de se livrer à la rapine!... 2 On entend le bruit du fouet, Le bruit des roues, Le galop des chevaux, Le roulement des chars. 3 Les cavaliers s'élancent, l'épée étincelle, la lance brille... Une multitude de blessés!... une foule de cadavres!... Des morts à l'infini!... On tombe sur les morts!... 4 C'est à cause des nombreuses prostitutions de la prostituée, Pleine d'attraits, habile enchanteresse, Qui vendait les nations par ses prostitutions Et les peuples par ses enchantements. 5 Voici, j'en veux à toi, dit l'Éternel des armées, Je relèverai tes pans jusque sur ton visage, Je montrerai ta nudité aux nations, Et ta honte aux royaumes. 6 Je jetterai sur toi des impuretés, je t'avilirai, Et je te donnerai en spectacle. 7 Tous ceux qui te verront fuiront loin de toi, Et l'on dira: Ninive est détruite! Qui la plaindra? Où te chercherai-je des consolateurs? 8 Es-tu meilleure que No-Amon, Qui était assise au milieu des fleuves, Entourée par les eaux, Ayant la mer pour rempart, La mer pour murailles? 9 L'Éthiopie et les Égyptiens innombrables faisaient sa force, Puth et les Libyens étaient ses auxiliaires. 10 Et cependant elle est partie pour l'exil, elle s'en est allée captive; Ses enfants ont été écrasés au coin de toutes les rues; On a jeté le sort sur ses nobles, Et tous ses grands ont été chargés de chaînes. 11 Toi aussi, tu seras enivrée, tu te cacheras; Toi aussi, tu chercheras un refuge contre l'ennemi. 12 Toutes tes forteresses Sont des figuiers avec les primeurs; Quand on les secoue, Elles tombent dans la bouche de qui veut les manger. 13 Voici, ton peuple, ce sont des femmes au milieu de toi; Les portes de ton pays s'ouvrent à tes ennemis; Le feu consume tes verrous. 14 Puise de l'eau pour le siège! Répare tes forteresses! Entre dans la boue, foule l'argile! Rétablis le four à briques! 15 Là, le feu te dévorera, L'épée t'exterminera, Te dévorera comme des sauterelles. Entasse-toi comme les sauterelles! Entasse-toi comme les sauterelles! 16 Tes marchands, plus nombreux Que les étoiles du ciel, Sont comme la sauterelle qui ouvre les ailes et s'envole. 17 Tes princes sont comme les sauterelles, Tes chefs comme une multitude de sauterelles, Qui se posent sur les haies au temps de la froidure: Le soleil paraît, elles s'envolent, Et l'on ne connaît plus le lieu où elles étaient. 18 Tes bergers sommeillent, roi d'Assyrie, Tes vaillants hommes reposent; Ton peuple est dispersé sur les montagnes, Et nul ne le rassemble. 19 Il n'y a point de remède à ta blessure, Ta plaie est mortelle. Tous ceux qui entendront parler de toi Battront des mains sur toi; Car quel est celui que ta méchanceté n'a pas atteint? | |